Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Arovy ny Masonao

Arovy ny Masonao

Arovy ny Masonao

● Tsy vitan’ny hoe kanto ny maso fa manan-kery koa. Milaza ny boky Mampiana-javatra ny Zavatra Hitan’ny Maso (anglisy) fa “ny 40 isan-jaton’ireo selam-pitatitra mifampitohy amin’ny atidoha no mifandray amin’ny temimaso”, izay tambatsela manify sy be pitsiny ao amin’ny maso.

Marina ny tenin’i Jesosy Kristy hoe “jiron’ny vatana” ny maso. Hoy izy mba hanazavana an’izany: “Raha tsotra [mifantoka amin-javatra tsara] ny masonao, dia hazava tsara ny tenanao manontolo, fa raha mifantoka amin’ny zava-dratsy kosa ny masonao, dia ho maizina ny tenanao manontolo.” (Matio 6:22, 23) Nasongadin’i Jesosy tamin’ireo teny ireo fa manan-kery eo amin’ny eritreritra sy ny fihetseham-po ary ny atao ny maso. Mety hanazava na hanamaizina anao izay eritreretinao.

Diniho, ohatra, ilay tenin’i Jesosy ao amin’ny Matio 5:28, 29 hoe: “Izay rehetra tsy mitsahatra mijery vehivavy ka maniry hanao firaisana aminy, dia efa nanitsakitsa-bady tao am-pony sahady. Raha ny masonao havanana àry no mahatonga anao hanota, dia esory [tsy ara-bakiteny].” Inona no tiany holazaina? Mety hahatonga anao hanana fanirian-dratsy ny masonao raha tsy fehezinao. Mety hitarika anao haloto fitondran-tena izany, raha vao misy hirika, ka tsy hahazo sitraka amin’Andriamanitra intsony ianao.—Jakoba 1:14, 15.

Aleo lavitra mifehy tena, na dia mafy be toy ny manala maso iray aza izany. Fiainana mandrakizay ve dia hatakalo fahafinaretana kely vetivety?

Mahatonga antsika hanana faniriana tsy mety afa-po koa izay jerentsika. Mampitandrina antsika àry ny Baiboly hoe: “Ny fanirian’ny maso ... dia tsy avy amin’ny Ray fa avy amin’izao tontolo izao. Ary mandalo izao tontolo izao sy ny faniriany, fa izay manao ny sitrapon’Andriamanitra no maharitra mandrakizay.”—1 Jaona 2:16, 17.

Maneritery loatra ve ny Baiboly? Tsy izany mihitsy! Midi-kizo izay tsy miraharaha ny fitsipiky ny Baiboly ary tsy ho sambatra. (Galatianina 6:7, 8) Ho sambatra kosa isika raha mitandrina ny Tenin’Andriamanitra, anisan’izany izay teneniny momba ny maso. Nilaza i Jesosy fa ho sambatra “izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina izany.” (Lioka 11:28) Ho afaka hiaina mandrakizay eto an-tany koa izy ireo. Ireo manana maso ratsy sy maso tsy mety afa-po kosa tsy ho sambatra mihitsy ary ho faty.