Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

“Faran’izay Tsara Ilay Boky”

“Faran’izay Tsara Ilay Boky”

“Faran’izay Tsara Ilay Boky”

● Nanova olona ny fampianaran’i Jesosy Kristy ary tsy hay hadinoina ireo fanoharany. Tianao ve ny hamaky momba an’izany sy izay nataony tetỳ an-tany? Vakio àry ilay boky hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra Teto An-tany.

Nianatra azy io ny olona iray ary tiany ilay boky ka hoy izy: “Faran’izay tsara ilay boky. Mora azo izy io nefa mahavariana ireo tsipiriany resahiny momba ny fiainan’ny Tompo tetỳ an-tany.”

Natao milahatra araka ny fotoana nisehoany ny tantara ao amin’io boky io, ary nalaina avy tamin’izay nosoratan’i Matio, Marka, Lioka, ary Jaona, izay velona tamin’ny andron’i Jesosy. Apostoly i Matio sy Jaona ary niaraka tamin’i Jesosy foana. Mpinamana be tamin’ny apostoly Petera i Marka. Mpiara-manao dia tamin’ny apostoly Paoly kosa i Lioka dokotera. Nahazo ny fanahy masina izy efa-dahy ka nanoratra Filazantsara.

Raha te hanafatra an’io boky io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso an’ilay boky aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.