Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mety ve ny Mitsako Maintim-bazana?

Mety ve ny Mitsako Maintim-bazana?

Mety ve ny Mitsako Maintim-bazana?

ERITRERETO hoe any amin’ny faritra atsimon’i Azia ianao. Iny fa misy olona mitsiky ary hitanao hoe mainty be ny nifiny sady feno rora menamena ny vavany. Mandrora izy ary mamela tasy mena maharikoriko eny amin’ny tany. Hay izy mitsako maintim-bazana (na voan’ny foroforo).

Olona an-jatony tapitrisa, izany hoe ny ampahafolony eo ho eo amin’ny mponina eran-tany, no mitsako maintim-bazana. Ahitana azy ireo any Afrika Atsinanana, Pakistan, Inde, Azia Atsimoatsinanana, ary hatrany Papouasie-Nouvelle-Guinée sy Mikronezia. Mivarotra maintim-bazana eny an-tsena sy eny an-dalana ny olona, ary miaraka amin’ny zanany indraindray. Misy mpivarotra mampiasa jiro sy ankizivavy zara raha mitafy mba hanintonana mpividy.

Mampidi-bola an’arivony tapitrisa dolara isan-taona ny maintim-bazana, eran-tany. Inona anefa ny maintim-bazana? Nahoana no be dia be no mitsako azy io? Inona no vokatr’izy io eo amin’ny fahasalamana? Inona no lazain’ny Baiboly momba ny fitsakoana azy? Ahoana no hialana aminy?

Inona ny maintim-bazana?

Voa avy amin’ny karazana palmie iray fahita any Pasifika sy Azia Atsimoatsinanana ny maintim-bazana. Fonosin’ny olona amin’ny ravin’ny karazan-kazo hafa iray ilay voa ary ampiany vovoka sokay kely mba hampivoaka kokoa an’ilay zavatra manaitaitra vatana. Asian’ny olona sasany zavamanitra na paraky na zava-mamy koa izy io, mba hampisy tsirony kokoa azy.

Mahabe rora sy mahamena rora io fangaron-javatra io. Mandrora lava àry ny mpitsako azy. Misy aza mandrora avy eny ambony fiara mandeha, ka mety hahavoa olon-kafa.

Manimba tena

Milaza ny gazety Fahasalaman’ny Ativava (anglisy) fa ‘efa ela be ny olona no nampiasa maintim-bazana, ary tena nanan-danja teo amin’ny fiaraha-monina sy ny kolontsaina izy io, ary na teo amin’ny fivavahana aza. Matetika ireo mpitsako azy no mihevitra hoe tsy mampidi-doza izy io, fa mampahazoazo aina sy mahasambatsambatra ary mampahafanafana vatana kosa. Hita anefa fa tena mampidi-doza izy io.’ Nahoana?

Mino ny sampan-draharaha miady amin’ny zava-mahadomelina fa misy zavatra manandevo ao amin’ny maintim-bazana. Misy mitsako maintim-bazana 50 mahery isan’andro. Vetivety dia maloto ny nifiny ary marary ny hihiny. Milaza ny Fahasalaman’ny Ativava fa mety ho lasa mena mivolontany ny hoditry ny ativava ary matetika no miketrona. Mety hisy “holatra hiforona tsikelikely” koa ao.

Mahavoan’ny kanseran’ny ativava sy fara tenda koa ny maintim-bazana. Manaporofo an’izany ny habetsahan’ny olon-dehibe voan’ny kanseran’ny ativava any Azia Atsimoatsinanana. Mpitsako maintim-bazana, ohatra, ny 85 isan-jato eo ho eo amin’ny olona voan’ny kanseran’ny ativava, any Taïwan. Hoy ny gazety iray any Chine: “Anisan’ny aretina 10 tena mahafaty an’ireo mponin’i Taïwan ny kanseran’ny ativava, ary nitombo avo efatra heny eo ho eo ny isan’ny olona voan’izy io, tato anatin’ny 40 taona.”

Toy izany koa ny any an-tany hafa. Hoy ny gazety iray any Papouasie-Nouvelle-Guinée: ‘Voalazan’ny fikambanana iray momba ny fahasalamana fa olona 2 000 isan-taona, fara fahakeliny, no matin’ny maintim-bazana, izay tena tian’ny mponin’i Papouasie-Nouvelle-Guinée, nefa mahatonga aretina maro.’ Milaza ny dokotera mpanoratra iray fa “maro ny vokatry ny fitsakoana maintim-bazana ary mitovy isa amin’ny vokatry ny fifohana sigara izany, fara fahakeliny.” Mahatonga aretim-po koa izany.

Inona no lazain’ny Baiboly?

Tsy boky momba ny fitsaboana ny Baiboly ary tsy miresaka mivantana momba ny fihinanana maintim-bazana. Misy toro lalana isan-karazany kosa ao ary afaka manampy antsika hadio sy ho salama kokoa ary hanana fiainana tsara kokoa izany. Diniho ireto andinin-teny sy fanontaniana ireto.

‘Ry malala, aoka isika hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo sy ny saina, ka hanao izay hahatonga lafatra ny fahamasinana ao amin’ny fahatahorana an’Andriamanitra.’ (2 Korintianina 7:1) ‘Atolory ny tenanareo ho sorona masina sy ankasitrahan’Andriamanitra.’ (Romanina 12:1) Ho masina na hadio eo imason’Andriamanitra ve ny olona mitsako maintim-bazana ka mandoto ny vatany?

“[Andriamanitra] no ivelomantsika.” (Asan’ny Apostoly 17:28) “Avy any ambony ny fanomezana tsara rehetra sy ny fanomezana tonga lafatra rehetra.” (Jakoba 1:17) Fanomezana sarobidy avy amin’Andriamanitra ny aina. Azo lazaina hoe manaja azy io ve ianao raha manao izay hampaharary anao?

“Tsy misy mahay manompo tompo roa.” (Matio 6:24) “Tsy havelako hofehezin-javatra na inona na inona ny tenako.” (1 Korintianina 6:12) Tokony hanaiky handevozin’ny fanao maloto ve ireo te hampifaly an’Andriamanitra?

“Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” (Marka 12:31) “Ny fitiavana tsy manisy ratsy ny namana.” (Romanina 13:10) Tena tia ny hafa ve isika raha manao zavatra mahatsiravina azy sy mankarary azy, izany hoe mandrora menamena eny an-dalana sy eny rehetra eny?

‘Izay afafintsika ihany no hojinjaintsika.’ (Galatianina 6:7, 8) Hahita loza isika raha mbola zatra manao zava-dratsy. Handray soa kosa isika sady ho tena sambatra foana raha miaina araka izay nanirian’Andriamanitra azy, anisan’izany ny hoe zatra manao zavatra tsara. Inona anefa no azonao atao raha zatra mitsako maintim-bazana ianao nefa tianao hihatsara ny fiainanao ka miezaka manao izay mahitsy eo anatrehan’Andriamanitra ianao? Mivavaha ary diniho ireto dingana telo ireto, izay efa nahasoa ny hafa.

Ahoana no hialana amin’ilay izy?

1. Manàna risi-po. Olona maro no mikiry mitsako maintim-bazana sy mifoka sigara ary midoroka zava-mahadomelina nefa efa fantany tsara fa mety hankarary sy hahafaty azy izany. Tokony hisy antony lehibe kokoa handrisika anao hiala amin’ny fahazaran-dratsy iray àry, ankoatra ny hoe manimba fahasalamana ilay izy. Ho vonona kokoa hiala ianao raha mianatra Baiboly ka mandinika momba ny Mpamorona sy ny fitiavany anao. Hoy ny Hebreo 4:12: “Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra.”

2. Mangataha fanampiana amin’Andriamanitra. Hoy i Jesosy Kristy: “Mangataha foana dia homena ianareo, mitadiava foana dia hahita ianareo, dondòny foana dia hovohana ianareo. Fa izay rehetra mangataka no mahazo, ary izay rehetra mitady no mahita, ary izay rehetra mandondòna no hovohana.” (Lioka 11:9, 10) Tsy hanao tsinontsinona anao i Jehovah, ilay tena Andriamanitra, raha mivavaka amin’ny fo ianao ka mangataka fanampiana sy hery avy aminy. Hoy ny 1 Jaona 4:8: “Andriamanitra dia fitiavana.” Nahatsapa an’izany ny apostoly Paoly, ka hoy izy: “Manana ny hery hiatrehana ny toe-javatra rehetra aho, amin’ny alalan’ilay manome hery ahy.”—Filipianina 4:13.

3. Mitadiava fanampiana amin’ny hafa. Mety hahatonga anao hanao ny tsara na ny ratsy ny olona ifaneraseranao. Hoy ny Ohabolana 13:20: “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.” Fidio tsara àry ny namanao. Maro ny Vavolombelon’i Jehovah efa nitsako maintim-bazana. Nahavita niala tamin’ilay fahazaran-dratsy anefa izy ireo, rehefa nifanerasera tamin’ny mpiray finoana taminy sy nianatra Baiboly.

[Efajoro/Sary, pejy 24, 25]

AFAKA IZY IREO

Nanadinadina olona dimy mpitsako maintim-bazana ny Mifohaza! Efa afaka izy ireo izao ary diniho izay nolazainy.

Inona no nahatonga anao hitsako maintim-bazana?

Pauline: Nomen’ny ray aman-dreniko maintim-bazana aho tamin’izaho mbola kely. Efa fanao atỳ aminay atỳ Papouasie-Nouvelle-Guinée izany.

Betty: Nomen’i Dada maintim-bazana aho tamin’izaho roa taona. Zatra nitondra maintim-bazana be dia be aho rehefa nihalehibe, ka hoatran’ny hoe maintim-bazana mandehandeha. Efa zatra loatra aho ka vao mifoha dia efa nitsako.

Wen-Chung: Nanomboka nihinana maintim-bazana aho tamin’izaho 16 taona, satria te ho tian’ny hafa. Ilay izy tsinona be mpitia ary hoatran’ny mba efa lehibe ianao rehefa mihinana azy.

Jiao-Lian: Mpivarotra maintim-bazana aho. Izay tsara karazana foana no tsy maintsy namidiko mba hampandeha ny tsena. Nanomboka nanandrana àry aho ka lasa zatra.

Inona no vokatr’izy io teo amin’ny fahasalamanao?

Jiao-Lian: Lasa menamena ny vavako sy ny nifiko ary ny molotro. Menatra aho mijery ny sariko taloha. Mbola misy fery koa ny molotro hatramin’izao.

Pauline: Matetika aho no nisalebolebo sy nivalana ary nisy fery ny vavako.

Betty: Tena nahia aho satria 35 kilao monja. Ratsy be ny nifiko ary matetika no nokikisako tamin’ny vy.

Sam: Nivalana matetika sy narary hihy aho. Nokikisako tamin’ny vy ny nifiko nefa toa tsy dia nanatsara zavatra izany. Iray sisa ny nifiko izao.

Nahoana ianao no tsy nihinana intsony?

Pauline: Novakiko tao amin’ny 2 Korintianina 7:1 fa tian’Andriamanitra “hanadio ny tenantsika ho afaka amin’ny zava-drehetra mandoto ny nofo” isika. Tapa-kevitra àry aho fa hiezaka mafy hampifaly ny Mpamorona.

Sam: Te hahazo ny fanahy masin’i Jehovah Andriamanitra aho, ka nivavaka mba hanampiany ahy tsy hihinana maintim-bazana intsony. Novaliany ny vavako, ka efa 30 taona teo ho eo aho izao no afaka.

Jiao-Lian: Namaky Baiboly aho ka nahita an’ilay teny hoe: “Diovy ny tananareo, ry mpanota.” (Jakoba 4:8) Nisy vokany tamiko io baiko io. Dia mbola hitsako sy hivarotra maintim-bazana ve aho nefa efa fantatro hoe manimba ilay izy? Nanomboka teo aho dia tapa-kevitra ny ‘hanadio ny tanako’ ho afaka amin’io fanao maloto sy manimba ny fifandraisako amin’Andriamanitra io.

Inona ny soa noraisinao?

Wen-Chung: Nitsako maintim-bazana aho mba ho tian’ireo mitovy taona amiko. Mana-namana tsara lavitra noho izy ireo anefa aho izao, dia i Jehovah sy ireo mpiray finoana amiko.

Sam: Mifandray tsara kokoa amin’Andriamanitra aho izao ary salama kokoa. Mahavita mikarakara kokoa ny fianakaviako aho satria tsy mandanilany vola amin’ny zava-dratsy.

Pauline: Afaka aho izao sady madio. Fotsy sy mafy ny nifiko. Tsy misy hoditra maintim-bazana intsony ao an-trano sy eny an-jaridaina sady tsy ahitana tasy mena maharikoriko.

Betty: Madio ny eritreritro ary salama kokoa aho. Sady mpampianatra aho izao no mpitory manontolo andro.

[Sary]

Betty

Pauline

Wen-Chung

Jiao-Lian

Sam

[Kisary/Sary, pejy 23]

(Jereo ny gazety)

Mety hahatonga an’ireto ny fitsakoana maintim-bazana

Nify maloto sy hihy marary

Aretin’ny ativava

Kanseran’ny ativava

[Sary, pejy 22]

Maintim-bazana nofonosina ravinkazo