Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanàna Vita Amin’ny Taratasy

Tanàna Vita Amin’ny Taratasy

Tanàna Vita Amin’ny Taratasy

AHOANA koa izany? Tsy tena tanàna ilay izy fa modelina tanàna. Ny tanànan’i Prague, renivohitry ny Repoblika Tseky, izy io, ary ao amin’ny Tranombakok’i Prague no misy azy. I Antonín Langweil no nanao azy nandritra ny 11 taona, nanomboka tamin’ny 1826 ka hatramin’ny 1837, taona nahafatesany. Nahoana izy no nanao an’io asa sarotra io?

Teraka tao Postoloprty, Repoblika Tseky, i Langweil, tamin’ny 1791. Nianatra teknika fanaovana pirinty manokana tao amin’ny Akademia Momba ny Zava-kanto any Vienne, Aotrisy, izy. Izy no voalohany nanana trano fiasana fanaovana an’io karazana pirinty io, tao Prague. Tsy dia nahay ny resaka varotra anefa izy ka maty antoka. Nanatrika fampirantiana tao Prague izy tamin’ny 1826, ary nahita modelina tanàna vita tamin’ny platra. Ny tanànan’i Paris, any Frantsa, izany. Tapa-kevitra koa àry izy fa hanamboatra modelin’ny tanànan’i Prague, ka baoritra sy hazo no hampiasainy.

Nijery tsara sy nanamarika ny tsipirian’ilay tanàna aloha i Langweil, nandritra ny taona maromaro. Noteteziny ny lalana rehetra ary nanao sarisary izy, ka nomarihiny ny toerana nisy trano, seza eny amin’ny zaridainam-panjakana, sarivongana ary hazo. Nomarihiny hatramin’ny barìka teny amin’ny tany, varavarankely simba, tohatra miankina amin’ny rindrina, ary antontan-kazo. Namboariny avy eo ilay modely, ka nataony 1/480 amin’ny tena izy ny habeny. Nivarotra modelin’ny tranon’ny olona ambony koa izy, mba hanampiana ny fidiram-bolany.

Voan’ny tioberkilaozy i Langweil tamin’ny 1837 ary maty ny volana Jona. Namela vady sy kamboty dimy mirahavavy izy. Napetraka tao amin’ilay Tranombako-pirenena ankehitriny ilay modely, telo taona taorian’izay. Namidin’ny vadin’i Langweil tamin’ny Mpanjaka Ferdinand I mantsy ilay izy, tamin’ny 1840, ka nataon’ilay mpanjaka fanomezana ho an’ny tranombako-pirenen’ny Repoblika Tseky. Kesika sivy no nitondrana an’ilay izy. Ao amin’ny Tranombakok’i Prague ilay modely izao, ary hoy ny mpitondra tenin’io tranombakoka io momba an’ilay modely: ‘Tsindraindray ihany vao naranty ilay asa tanan’i Langweil, tamin’ny taonjato faha-19. Anisan’ny naranty nandritra ny Fampirantiana Tamin’ny Jobilim-paritra izy io tamin’ny 1891. Nisy fanamboarana be natao taminy, talohan’izay. Naranty tao amin’ny Tranombako-pirenena izy io, nanomboka tamin’ny 1905.’

Nahaliana an’ireo mpahay tantara

Malaza be ilay asa tanan’i Langweil. Mirefy 5,76 metatra ny lavan’izy io ary 3,24 metatra ny sakany. Ao anaty vata fitaratra misy jiro kely be dia be mihantona ilay izy. Toy ny tena izy ilay “tanàna” ka tsy mieritreritra ianao indraindray rehefa mijery azy hoe modely fotsiny ilay izy. Namboarin’i Langweil araka ny marina tsara tokoa ireo trano kely roa arivo mahery.

Nasian’i Langweil nomeraon-tany, ohatra, ilay tanàna. Napetrany koa ireo jiro eny amin’ny lalana, ny lakan-drano, ary ireo lalana rarivato. Nataony nitovy tanteraka tamin’ny tena izy ny trano fiangonana ka hita ireo varavarankely misy fitaratra milokoloko sy fitaratra vaky na efa niala. Tazana koa ireo biriky ao ambanin’ny lalotra efa miendaka, eny amin’ny rindrina. Nataony tao koa ny Reniranon’i Vltava, izay mamakivaky an’i Prague.

Ao amin’ny tranombakoka izao ilay tanàna vita amin’ny taratasy ary mahaliana ny olona. Manintona ny mpitia zava-kanto sy ny mpahay tantara te hahita ny fiovan’ny tanànan’i Prague koa izy io. Mazava ho azy fa efa niova ny toerana sasany, satria nisy trano naorina na nohavaozina, indrindra ny tanànan’ny Jiosy sy ilay faritra antsoina hoe Tanàna Fahiny. Efa mandroso izao ny teknolojia ka azo jerena amin’ny ordinatera ilay modely mba hahitana ny tanànan’i Prague tamin’ny 1837.

Nangataka ny hametrahana an’ilay modeliny tao amin’ny Tranombako-pirenena ankehitriny i Langweil, tamin’izy efa narary tamin’ny Aprily 1837. Tsy liana anefa ny tao. Azo inoana fa nalahelo be izy. Ahoana anefa raha mbola velona izy izao ary mitsidika ny tranombakoka misy an’ilay modeliny, na “mandehandeha” ao amin’ilay tanàna namboariny, amin’ny alalan’ny ordinatera? Ho faly be angamba izy satria tsy very maina ny asa mafy nataony.

[Sary, pejy 10]

Antonín Langweil

[Sary, pejy 10]

Ilay tanànan’i Prague nataon’i Langweil

[Sary, pejy 10, 11]

Ilay modely rehefa jerena akaiky

[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]

Langweil, pejy 10: S laskavým svolením Národního muzea v Praze; modely, pejy 10 sy 11: S laskavým svolením Muzea hlavního mesta Prahy