Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Mahatsikaiky fa lasa mahatsapa ianao hoe mila mivavaka, rehefa lasa filoha.”—BARACK OBAMA, FILOHAN’I ETAZONIA.

Nasaina nifidy ny fomba hampisehoany ny fitiavan-tanindrazany ny olona tany Arzantina. Ny manao ny akanjon’ny ekipam-pirenena mpilalao baolina kitra no nofidin’ny 56 isan-jaton’ireo eo anelanelan’ny 10 sy 24 taona.—LA NACIÓN, ARZANTINA.

Hita tamin’ny fikarohana iray fa “ny ampahatelony eo ho eo amin’ny sakafo natao hohanin’ny olona eran-tany no verivery fotsiny na nariana. Milanja 1 300 tapitrisa taonina eo ho eo isan-taona izany.”—SAMPAN-DRAHARAHAN’NY FIRENENA MIKAMBANA MOMBA NY SAKAFO SY NY FAMBOLENA, ITALIA.

“Feno ady sy filazana ady eran-tany. Tokony ho vonona foana àry ny tafiky ny firenentsika mba hiaro ny vahoaka sy ny zava-tsarobidiny rehetra, amin’ny fahavalo avy any ivelany.”—PATRIARIKA KIRILL, LEHIBEN’NY EGLIZY ORTODOKSA ANY ROSIA.

Nilaza ny trano fiantohana iray any Alemaina fa amin’ny fito ora maraina ka hatramin’ny valo ora maraina no be lozam-pifamoivoizana indrindra, tamin’ny 2010. Hoy ny tompon’andraikitra iray: “Anisan’ny fomba tsara indrindra hisorohana loza ny miainga aloha rehefa hiasa.”—PRESSEPORTAL, ALEMAINA.

Tanora Mpitarika any Malezia

Nisy fifaninanana malaza tany Kuala Lumpur, any Malezia, ary nalefa tele. Natao hifidianana mpitondra fivavahana silamo izy io, ary nantsoina hoe “Imam Muda”, na “Tanora Mpitarika.” Eo anelanelan’ny 18 sy 27 taona ireo mpifaninana ary avy amin’ny fari-piainana samihafa. Nihintsana tsikelikely izay resy ka iray sisa no tavela. Tendrena ho mpitondra fivavahana silamo izay mandresy ary omena vola, fiara vaovao, vatsim-pianarana ho any Arabie Saoudite, ary vola hanaovana fivahiniana masina any Lameka. Tsy maintsy mahay tsara ny asan’ny mpitondra fivavahana silamo ny mpifaninana, mahay miady hevitra momba ny fivavahana sy ny olana ankehitriny, ary mahatadidy andininy ao amin’ny Kôrana. Milaza ny mpamorona an’ilay fandaharana fa natao “hisarihana ny tanora” ho amin’ny Fivavahana Silamo izy io.

Aza Be Resaka ao Amin’ny Internet

Maro amin’ireo mampiasa tranonkala fifaneraserana no tsy tonga saina hoe mety hisy vokany any aoriana any ny tsy fitandremany sy ny filazany zavatra tsy tokony holazaina. Nanonona ny tenin’i Timothy Wright, talen-tsekoly, ny gazety aostralianina Sydney Morning Herald, ary nilaza fa ‘mandroso ny teknolojia ka voatahiry foana izay teny tsy voahevitra nataonao, na fanaratsiana olona, na sary tsy tokony haseho, na filazana fanazavana manokana momba ny olon-kafa, ary afaka mijery azy ireny izay afaka.’ Midika izany, hoy izy, fa “mbola azon’ny mpampiasa jerena izay tsy nety nataon’ny olona iray tamin’izy 15 taona, rehefa afaka 10 taona atỳ aoriana.”