Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tranonkala Fifaneraserana—Inona no Itiavan’ny Olona Azy?

Tranonkala Fifaneraserana—Inona no Itiavan’ny Olona Azy?

Tranonkala Fifaneraserana—Inona no Itiavan’ny Olona Azy?

IZA amin’ireto no nampiasainao hifandraisana amin’ny olona, tato anatin’ny iray volana?

Resaka mivantana Taratasy na karta

Telefaonina E-mail

SMS Kamerà amin’ny ordinatera

Tranonkala fifaneraserana Hafa

Maro be izao ny fomba azo ifandraisana amin’ny olona ary samy misy mahatsara sy maharatsy azy ireny. Diniho ireto:

RESAKA MIVANTANA

Mahatsara azy: Hita tsara ny endrikao sy ny fihetsikao ary re tsara ny feonao ka mazava kokoa ny tianao hambara.

Maharatsy azy: Tsy maintsy eo ilay miresaka sy ilay iresahana.

TARATASY NA KARTA

Mahatsara azy: Mampita fihetseham-po sady mivantana kokoa.

Maharatsy azy: Mitaky fotoana ny fanoratana azy sady andro maromaro vao voaray.

E-MAIL

Mahatsara azy: Haingana ny fanoratana sy fandefasana azy.

Maharatsy azy: Matetika ilay mamaky no diso fandray an’izay fihetseham-po ao, na tsy misy fihetseham-po mihitsy ilay e-mail.

Ary ahoana ny amin’ny tranonkala fifaneraserana, izay lazaina fa mety indrindra hifandraisana? An-jatony izy ireny ary ny Facebook no malaza indrindra. Olona 800 tapitrisa eo ho eo no mampiasa Facebook. Hoy ny gazetiboky Fotoana (anglisy): “Raha firenena ny Facebook, dia izy no ho fahatelo be mponina indrindra aorian’i Chine sy Inde.” Inona no atao hoe tranonkala fifaneraserana, ary nahoana izy ireny no lasa malaza be?

Tranonkala ahafahanao miresaka amin’izay namana fidinao ny tranonkala fifaneraserana. Hoy i Jean, 21 taona: “Mety tsara mba hifandraisana ilay izy. Mety tsara koa ilay izy raha tianao ny hampiseho sary tamin’ny dia nataonao na zava-nitranga iray.”

Koa maninona raha manoratra taratasy? Mety hisy hilaza hoe ‘mandany fotoana be izany’ sady lafo ny manasa sary. Ary raha miantso an-telefaonina? Mandany fotoana be koa izany sady olona iray ihany no azo iresahana isaky ny miantso. Mety tsy ho ao an-trano na tsy ho afaka hiresaka koa ilay olona antsoina. Ary ny e-mail? Hoy i Danielle, 20 taona: “Tsy mamaly e-mail intsony ny olona, na mamaly ihany fa herinandro maromaro atỳ aoriana. Ny tranonkala fifaneraserana anefa tsotra kely ny mampiasa azy. Mametraka fanazavana momba an’izay ataoko fotsiny aho, dia milaza an’izay ataony ny namako. Mahara-baovao foana ianao raha vao tafiditra ao amin’ny kaontinao.”

Tsy hoe tsy zava-dehibe foana anefa ny resaka ao amin’ny tranonkala fifaneraserana. Betsaka, ohatra, no mampiasa azy io rehefa misy loza, mba hahazoana vaovao momba ny havana aman-tsakaiza. Nisy nanao toy izany tamin’ilay horohoron-tany sy tsunami tany Japon tamin’ny 11 Martsa 2011.

Diniho izay nataon’i Benjamin, any Etazonia. Hoy izy: “Tapaka ny telefaonina taorian’ilay tsunami tany Japon. Nisy namanay tany Tokyo nandefasan’ny namako e-mail nefa tsy namaly. Noraisiko ny findaiko ary nankao amin’ny tranonkala fifaneraserana aho nijery ny pejin’ilay namanay. Tonga dia hitako ilay hafatra napetrany tao hoe tsy maninona izy ary mbola hilaza vaovao misimisy kokoa.”

Hoy ihany i Benjamin: “Tsy maintsy nandefa e-mail koa aho, ho an’ireo namako nahalala azy nefa tsy nampiasa tranonkala fifaneraserana. Ela vao hitako ny adiresin’izy rehetra ary ela koa vao voasoratro ireo e-mail. Maro no namaly rehefa afaka andro vitsivitsy, ary ny iray aza afaka tapa-bolana teo ho eo. Maro loatra ny e-mail voarain’izy ireo ka tsy arany daholo. Tena mitsitsy fotoana ny tranonkala fifaneraserana. Vetivety ny rehetra dia efa maharaka ny zava-misy.”

Misy mahatsara ny tranonkala fifaneraserana àry. Mety hampidi-doza ve anefa izy ireny? Raha eny, inona avy izany loza izany ary ahoana no hisorohana azy?

[Efajoro/Sary, pejy 5]

AHOANA NO FOMBA FIASANY?

1. Mametraka hafatra eo amin’ny pejinao ianao.

2. Mahita ny hafatrao ny namanao rehetra rehefa miditra ao amin’ny kaontiny. Mahita ny hafatr’izy ireo koa ianao rehefa miditra ao amin’ny kaontinao.