Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tranonkala Fifaneraserana—Zavatra Efatra Tokony ho Fantatrao

Tranonkala Fifaneraserana—Zavatra Efatra Tokony ho Fantatrao

Tranonkala Fifaneraserana—Zavatra Efatra Tokony ho Fantatrao

Tadidio fa mitovy amin’ny zavatra hafa ao amin’ny Internet ihany ny tranonkala fifaneraserana ka mety hampidi-doza. * Diniho àry ireo fanontaniana manaraka.

1 Inona no ho Vokany eo Amin’ny Fiarovana ny Tsiambarateloko?

“Ny teny maro tsy ilaozan’ota, fa malina kosa ny olona mahafehy ny vavany.”—Ohabolana 10:19.

Tsara ho fantatra: Mety ho be loatra ny zavatra ho fantatra avy amin’ny mombamomba anao, ny sarinao, ny hafatra apetrakao ho hitan’ny namanao, ary ny fanamarihana apetrakao amin’ny pejin’olon-kafa, raha tsy mitandrina ianao. Mety ho fantatra, ohatra, hoe aiza ianao no mipetraka, rehefa inona ianao no ao na tsy ao, ary aiza ianao no miasa na mianatra. Ho hain’ny mpangalatra hoe rahoviana izy no ho avy, raha mametraka hafatra ianao hoe “handeha vakansy izahay rahampitso” ary efa ao ny adiresinao.

Raha fantatr’olona ny adiresy e-mail-nao, ny daty nahaterahanao, ny nomeraon-telefaoninao, na ny toy izany, dia mety hisy hihetraketraka aminao na hanadala anao, ary mety hisy hampiasa ny mombamomba anao. Maro anefa no mametraka an’ireny ao amin’ny tranonkala fifaneraserana.

Hadinon’ny olona matetika hoe hitan’ny besinimaro izay apetrany ao amin’ny Internet. Mety ho efa namboarinao ny pejinao ka ny namanao ihany no mahita ny fanazavana ao. Tsy azonao sakanana tsy hampiasa an’izany araka izay itiavany azy anefa izy. Tadidio fa hitan’ny olona na azo atao hitan’olona ny zavatra apetraka ao amin’ny tranonkala fifaneraserana.

Ny azonao atao: Fantaro tsara ny fiarovana ny tsiambaratelo ary ampiasao. Izay olona fantatrao sy atokisanao ihany no avelao hahita ny sarinao sy ny fanazavana apetrakao ao amin’ny pejinao.

Tadidio foana anefa fa mety ho betsaka tsy araka ny nieritreretanao azy no hahita an’izay napetrakao. Jereo matetika ny pejinao, ary diniho izay napetrakao tao. Mety hampiasain’ny olona ratsy saina ireny mba hamantarana ny misy anao na hampiasana ny mombamomba anao. Na dia amin’ny pejin’ny namanao aza, dia aza milaza zavatra mety hahafantarana ny tsiambaratelonao na ny an’ny hafa. (Ohabolana 11:13) Mampiasà fomba hafa raha te hiresaka zavatra manokana ianao. Hoy ny tovovavy atao hoe Cameron: “Mivantana kokoa ny resaka an-telefaonina sady tsy fantatry ny hafa.”

Fehiny: Tena marina ny tenin’i Kim hoe: “Afaka miaro ny tsiambaratelonao ianao raha mieritreritra tsara. Tsy hahita olana ianao raha tsy ianao mihitsy no mitady.”

2 Inona no ho Vokany eo Amin’ny Fotoanako?

‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.

Tsara ho fantatra: Mety handany ny fotoananao ny tranonkala fifaneraserana ary hahatonga anao ho variana ka tsy hahavita an’izay tokony hatao. Hoy i Kay: “Mampiasa tranonkala fifaneraserana ela kokoa ianao, arakaraka ny maha be namana anao, ka vao mainka tsy te hiala.” Diniho ny tenin’ireto olona ireto, izay efa tratran’izany.

“Sarotra ny miala eo amin’ny tranonkala fifaneraserana na dia tsy tena tianao aza ilay izy. Hoatran’ny hoe azon’ody ianao.”—Elise.

“Be zavatra mahaliana ao: Kilalao, fitsapana, pejin’ny mpankafy, ary manginy fotsiny ny fijerena ny pejin’ny namanao rehetra.”—Blaine.

“Eo ianao, dia eo, dia eo, dia tsy tonga saina mihitsy raha tsy tonga ny mamanao miteny hoe: ‘Ary toa mbola tsy voasasa ihany ny vilia?’ ”—Analise.

“Tsy andriko izay hodiana avy any am-pianarana mba hijerena an’izay namaly ahy. Tsy maintsy namaly azy rehetra aho, avy eo, sady nijery ny sary rehetra vao nampidiriny. Kizitina be aho rehefa nampiasa Internet ary tsy te hohelingelenina mihitsy. Misy olom-pantatro tsy miala ao amin’ny tranonkala fifaneraserana mihitsy, na dia rehefa any an-tranon’olona sy efa alim-be aza.”—Megan.

Ny azonao atao: Sarobidy ny fotoana ka tsy tokony holanilanina. Maninona raha mianatra mitsinjara fotoana, toy ny rehefa manao teti-bola? Soraty ny habetsahan’ny fotoana hitanao hoe antonony raha holanina amin’ny tranonkala fifaneraserana, ary jereo raha voahajanao izany ao anatin’ny iray volana. Manaova fanitsiana raha ilaina.

Raha manan-janaka ianao ary be loatra ny fotoana laniny amin’ny tranonkala fifaneraserana, dia jereo sao misy olana mahatonga izany. Nilaza, ohatra, i Nancy Willard ao amin’ilay bokiny momba ny Internet fa mety hihevi-tena ho tsy misy dikany ilay ankizy na miady saina, matoa mampiasa tranonkala fifaneraserana foana. Hoy izy: “Maro ny ankizy manahy momba an’izay heverin’ny olona momba azy. Raha ny fifaneraserana amin’ny alalan’ny fitaovana elektronika no hamaritany na tian’ny olona izy na tsia, dia mety handevozin’izany izy.”

Aza avela hanelingelina ny fifandraisanareo mianakavy mihitsy ny tranonkala fifaneraserana na ny zavatra hafa ao amin’ny Internet. Hoy i Don Tapscott, ao amin’ilay bokiny hoe Miara-lehibe Amin’ny Teknolojia (anglisy): “Izao no mahatsikaiky amin’ny Internet: Mampifandray ny mpianakavy izy rehefa mifanalavitra izy ireo, nefa mampifanalavitra ny mpianakavy izy rehefa samy ao an-trano izy ireo.”

Fehiny: Hoy i Emily: “Mety tsara hifandraisana amin’ny olona ny tranonkala fifaneraserana. Tokony ho hainao fotsiny hoe rahoviana ilay izy no tokony hopihina, toy ny zavatra hafa rehetra ihany.”

3 Inona no ho Vokany eo Amin’ny Lazako?

“Aleo laza tsara, toy izay harem-be, ary ny fanajana dia ambony vidy noho ny volafotsy amam-bolamena.”—Ohabolana 22:1,

Tsara ho fantatra: Izay apetrakao ao amin’ny tranonkala fifaneraserana no amantarana anao, ary sarotra be ny manova an’izay efa eritreretin’ny olona momba anao. (Ohabolana 20:11; Matio 7:17) Toa tsy mahalala ny loza mety haterak’izany ny olona maro. Hoy ny tovovavy iray atao hoe Raquel: “Toa tsy misaina tsara intsony ny olona rehefa ao amin’ny tranonkala fifaneraserana. Miteny zavatra tsy sahiny tenenina amin’ny andavanandro izy. Tsy takatry ny sasany hoe ho simba ny lazany, na dia iray monja aza ny zavatra hafahafa apetrany ao.”

Hisy vokany maro eo aminao ny hoe malaza ratsy ianao, ao amin’ny tranonkala fifaneraserana. Hoy ilay boky Miara-lehibe Amin’ny Teknolojia: “Betsaka ny olona very asa na tsy mahazo asa, noho ny zavatra napetrany tao amin’ny tranonkala fifaneraserana.”

Ny azonao atao: Jereo ny pejinao ary eritrereto izay mety ho fahitan’ny olona anao. Mieritrereta hoe: ‘Izao tokoa ve no tiako ho fahitan’ny hafa ahy? Raha mijery ny sariko ny olona iray ka asaina milazalaza ny momba ahy, inona no holazainy? Jejojejo ve, sa mpanaitaitra ny filan’ny hafa, sa tia fety? Raha mijery ny pejiko, ohatra, ny olona angatahako asa, izany ve no tiako hiheverany ahy? Tena mampiseho an’izay fitsipika arahiko ve ireny sary ireny?’

Saintsaino izao raha tanora ianao: ‘Ahoana raha mijery ny pejiko i Dada sy Neny na ny mpampianatra ahy na ny olon-dehibe iray hajaiko? Hahamenatra ahy ve ny zavatra ho hitany ao?’

Fehiny: Tadidio ity tenin’ny apostoly Paoly ity: “Izay afafin’ny olona ihany no hojinjainy.”—Galatianina 6:7.

4 Iza no Lasa Namako?

“Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry, fa hahita loza kosa izay minamana amin’ny tsisy saina.”—Ohabolana 13:20.

Tsara ho fantatra: Misy vokany eo amin’ny fomba fisainanao sy ny ataonao ny namanao. (1 Korintianina 15:33) Mila mahay mifidy namana àry ianao, ao amin’ny tranonkala fifaneraserana. An-jatony no eken’ny olona sasany ho namany nefa zara raha fantany izy ireny na tsy fantany mihitsy. Ny hafa mahita hoe tsy ny namany rehetra no namana tsara. Diniho izay nolazain’ireto olona ireto.

“Hahita olana izay manaiky ho naman’izao olona rehetra izao.”—Analise.

“Betsaka ny olona fantatro hoe mampiditra olon-kafa ho namany na dia tsy tiany aza ilay olona, satria fotsiny hoe tsy te hampalahelo an’ilay olona izy.”—Lianne.

“Hoatran’ny minamana amin’ny olona mivantana ihany io. Mila mitandrina ianao rehefa mifidy namana.”—Alexis.

Ny azonao atao: Mametraha fitsipika. Misy, ohatra, mametra an’izay ataony namana. * Diniho ireto:

“Olona fantatro tsara ihany no ataoko namana, fa tsy izay fantapantatro fotsiny.”—Jean.

“Olona efa fantatro hatry ny ela ihany no ataoko namana. Tsy ekeko ho namana mihitsy izay tsy fantatro.”—Monique.

“Tiako raha izay olona fantatro tsara sy manaraka ny fitsipika arahiko ihany no ataoko namana.”—Rae.

“Tsy ekeko izay olona tsy fantatro nefa mangataka ho namako. Izay ny ahy! Olona fantatro sady efa namako amin’ny andavanandro daholo ny namako ao amin’ny tranonkala fifaneraserana.”—Marie.

“Tsy mampaninona ahy ny manala olona iray tsy ho namako raha manomboka mametraka sary na hafatra tsy mendrika izy. Efa ratsy na dia ny mijery ny zavatra napetrany fotsiny aza.”—Kim.

“Namboariko tsara ny firafitry ny pejiko, tamin’izaho nampiasa tranonkala fifaneraserana. Tsy navelako hahita ny sary sy hafatra napetrako tao ny naman’ny namako, fa ny namako ihany. Tsy haiko mantsy raha ho namana tsara ny naman’ny namako. Tsy fantatro ry zareo, sady tsy fantatro na malaza tsara na tsia.”—Heather.

Fehiny: Hoy ny Pr. Gwenn O’Keeffe, ao amin’ilay bokiny momba ny Internet: “Ny tsara indrindra dia hoe aleo izay olona efa fantatrao sy efa ifandraisanao andavanandro ihany no atao namana.” *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Tsy mampirisika na manakana ny fampiasana tranonkala iray manokana ny Mifohaza! Tsy tokony hanao zavatra mifanohitra amin’ny toro lalan’ny Baiboly anefa ny Kristianina rehefa mampiasa Internet.—1 Timoty 1:5, 19.

^ Namana no resahina ato amin’ity lahatsoratra ity fa tsy olona tsy maintsy ifandraisanao amin’ny asa.

^ Misy fanazavana hafa momba ny tranonkala fifaneraserana ao amin’ny Mifohaza! Jolay 2011, pejy 24-27 sy Mifohaza! Aogositra 2011, pejy 10-13.

[Efajoro, pejy 8]

AKATÒNY NY KAONTINAO

Mety hisy hametraka zavatra ao amin’ny pejinao, raha avelanao hisokatra ny kaontinao nefa ianao tsy eo. Milaza i Robert Wilson, mpisolovava, fa “toy ny hoe mamela ny kitaponao na ny findainao eny amin’ny toerana falehan’ny besinimaro ianao”, raha manao an’izany. “Afaka mametraka zavatra ao amin’ny pejinao izay te hanao izany.” Inona no toroheviny? “Akatòny ny kaontinao.”

[Efajoro, pejy 8]

AZA MITADY LOZA!

Hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ny gazety Tatitry ny Mpanjifa (anglisy) fa izay ataon’ireo mampiasa tranonkala fifaneraserana no mety hahatonga azy “hangalaran’ny olona sy hisy hanadala foana. Mety hisy hampiasa koa ny mombamomba azy. Ny 15 isan-jaton’izy ireo no milaza ny toerana misy azy na izay halehany, ny 34 isan-jatony no milaza ny daty nahaterahany, ary ny 21 isan-jaton’ireo manan-janaka no milaza ny anaran’ny zanany sy mametraka ny sariny ao.”