Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ady Iray Nanova ny Tantaran’izao Tontolo Izao

Ady Iray Nanova ny Tantaran’izao Tontolo Izao

Ady Iray Nanova ny Tantaran’izao Tontolo Izao

NANDRAVARAVA an’izay tanàna tsy nety nitolo-batana taminy ireo mpitaingin-tsoavaly lozabe avy any Mongolia. Nopotehin’izy ireo ny mandan’i Bagdad, tamin’ny Febroary 1258. Namono olona sy nandroba tao izy ireo, nandritra ny herinandro. Natahotra mafy azy ireo ny tany silamo rehetra. *

Niankandrefana ny Mongol ka nandrava an’i Alep, any Syria, tamin’ny Janoary 1260. Nitolo-batana i Damaskosy, ny volana Martsa. Notafihin’ny Mongol koa i Naplouse (eo akaikin’i Sekema) sy Gaza, tanàna any Palestina, taoriana kelin’izay.

Nasain’i Hulagu, jeneraly mongol, nitolo-batana koa i al-Muzaffar Sayf al-Din Qutuz, mpanjaka silamo nitondra an’i Ejipta, raha tsy te hahita faisana. Nisy 20 000 ny miaramilan’i Ejipta, ary avo 15 heny amin’izany ny miaramilan’i Hulagu. Nilaza ny Profesora Nazeer Ahmed, mpahay tantara silamo, fa “saika lany tamingana ny Silamo tamin’izay.” Inona àry no hataon’i Qutuz?

I Qutuz sy ny Mamelouk

Miaramila nanompo an’ireo mpanjaka ayyubides tao Le Caire, any Ejipta, ny Mamelouk, izay andevo tiorka. Naongan’izy ireo ny tompony tamin’ny 1250 ary izy ireo no lasa nitondra an’i Ejipta. Mamelouk i Qutuz, izay lasa mpanjaka silamo tamin’ny 1259. Mpiady nahay izy ary tsy nanaiky resy. Toa tsy ho resiny mihitsy anefa ny Mongol. Nisy zava-nitranga maromaro nanova ny tantara, taorian’izay.

Ren’i Hulagu fa maty tany Mongolia i Mongka, mpanjakan’ny Mongol. Tsinjon’i Hulagu fa hisy ady seza any aminy ka niverina nody izy sy ny ankamaroan’ny miaramilany. Miaramila teo anelanelan’ny 10 000 sy 20 000 no navelany, satria noheveriny fa ampy handresy an’i Ejipta ireo. Hitan’i Qutuz fa nivadika ny rasa. Tena nino izy fa tamin’izay no fotoana nety indrindra handresena an’ireo mpanafika.

Fahavalon’ny Silamo koa ireo Kristianina tonga tao Palestina mba haka ny “Tany Masina.” Teo anelanelan’i Ejipta sy ny Mongol izy ireo. Nitady lalana teo amin’izy ireo anefa i Qutuz sady nangataka hividy vatsy hahafahany hiady amin’ny Mongol. Nanaiky ireo Kristianina. I Qutuz irery koa moa raha ny marina no azon’izy ireo antenaina hanala ny Mongol tao amin’ilay faritra. Samy natahotra ny Mongol mantsy izy ireo sy ny Silamo.

Niomana hifanandrina àry ny Mamelouk sy ny Mongol.

Ayn Jalut, any Palestina

Nifanandrina tao Ayn Jalut any amin’ny Lemak’i Esdraelona ny Mamelouk sy ny Mongol, ny Septambra 1260. Voalaza fa any akaikin’ny tanànan’i Megido fahiny i Ayn Jalut. *

Mitantara i Rashid al-Din, mpahay tantara, fa nanao tetika hitarihana ny Mongol ho ao Megido ny Mamelouk. Miaramila vitsivitsy ihany no nasain’i Qutuz niroso fa niafina tany amin’ireo havoana manodidina an’ilay lemaka kosa ny ankamaroan’ny mpitaingin-tsoavaliny. Nihevitra ny Mongol fa ny tafiky ny Mamelouk manontolo ireo, ka niady izy ireo. Nasain’i Qutuz nivoaka haingana mba hamely ny Mongol ireo miaramila niafina ka resy ny Mongol.

Izay ny Mongol vao resy, hatramin’ny nialany tany Mongolia mba hanafika miankandrefana, 43 taona talohan’izay. Vitsy ihany ny isan’ireo miaramila niady, nefa noheverina ho iray amin’ireo ady miavaka indrindra teo amin’ny tantara ilay tao Ayn Jalut. Avotra ireo Silamo saika lany tamingana, voaporofo fa azo resena ny Mongol, ary nahazo ny taniny indray ny Mamelouk.

Ny niafaran’i Ayn Jalut

Mbola niverimberina tany amin’ny faritr’i Syria sy Palestina ny Mongol, nefa tsy nahavita nampitahotra an’i Ejipta intsony. Nanorim-ponenana tany Persa ny taranak’i Hulagu, niova ho Silamo, ary lasa nampiroborobo ny kolontsaina silamo. Lasa nantsoina hoe fanjakan’ny Khan tany Persa ny faritra nisy azy ireo.

Novonoin’ny fahavalony i Qutuz, tsy ela taorian’ny nandreseny ny Mongol. Anisan’ny fahavalony i Baybars I, izay mpanjaka silamo voalohany nitondra an’i Ejipta sy Syria. Maro no mihevitra fa i Baybars I no tena nanorina ny fitondran’ny Mamelouk, izay niroborobo sy nanan-karena nandritra ny 250 taona, izany hoe hatramin’ny 1517.

Noroahin’ny Mamelouk tsy ho eo amin’ny Tany Masina ny Kristianina nandritra an’izany fotoana izany. Nataony niroborobo ny varotra sy ny taozava-baventy ary ny zava-kanto. Nanorina hopitaly sy mosquée ary sekoly koa izy ireo. Nitana toerana lehibe teo amin’ny fiainan’ny Silamo i Ejipta tamin’izany.

Nisy vokany tamin’ireo tany manodidina an’i Israely ilay ady tao Ayn Jalut. Nisy vokany tany amin’ny firenena tandrefana koa anefa izy io. Hoy ny gazety iray: “Raha resin’ny Mongol i Ejipta, dia nety ho tonga hatrany Afrika Avaratra sy hatrany amin’ny andilan-dranomasin’i Gibraltar izy ireo, rehefa niverina i Hulagu.” Tonga hatrany Polonina koa ny Mongol tamin’izany fotoana izany, ka saika i Eoropa manontolo mihitsy no nofeheziny.

Hoy ihany ilay gazety: “Ho nisy ve ny fivoarana teo amin’ny resaka zava-kanto sy kolontsaina tany Eoropa raha nitranga izany? Mety tsy ho toy izao mihitsy izao tontolo izao.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Misy fanazavana bebe kokoa momba ny Mongol sy ny ady nataony, ao amin’ny Mifohaza! Mey 2008.

^ Maro ny ady tao Megido, ka lasa niantsoana an’ilay ady malaza atao hoe Hara-magedona (hebreo: Har–Magedon) io teny io. Ampifandraisin’ny Baiboly amin’ny “adin’ilay andro lehiben’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra” ny hoe Hara-magedona.—Apokalypsy 16:14, 16.

[Sarintany, pejy 12]

(Jereo ny gazety)

Damaskosy

SYRIA

T. Tabara

Lemak’i Esdraelona

Ayn Jalut (akaikin’i Megido)

Naplouse (Sekema)

Jerosalema

Gaza

EJIPTA

[Sary, pejy 12]

Megido fahiny

[Sary, pejy 13]

Nifanandrina tao Ayn Jalut, teo amin’ny Lemak’i Esdraelona, ny Mamelouk sy ny Mongol, ny Septambra 1260

[Sary nahazoan-dalana]

Pictorial Archive (Near Eastern History) Est.

[Sary, pejy 14]

Sisa tavela amin’i Sekema fahiny (eo aloha) sy ampahany amin’ny tanànan’i Naplouse ankehitriny (eo aoriana)