Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fehezo ny Hatezeranao

Fehezo ny Hatezeranao

Fehezo ny Hatezeranao

EFA 2 000 taona mahery lasa izay no nilazan’ilay filozofa grika atao hoe Aristote fa mila “avoaka” izay fihetseham-po tsapa rehefa avy mijery tantara an-tsehatra mampalahelo. Te hilaza izy fa hahatsiaro ho maivamaivana ny olona iray rehefa avy mamoaka an’izay manavesatra ny fony.

Mitovy hevitra aminy i Sigmund Freud, Aotrisianina manam-pahaizana momba ny rafi-pitatitra. Nilaza izy taoriana kelin’ny taona 1900 fa hikorontan-tsaina ny olona iray, raha koboniny ny fihetseham-pony. Tokony havoaka àry, hoy izy, ny hatezerana fa tsy hokobonina.

Nohamarinin’ny mpikaroka, tamin’ireo taona 1970 sy 1980, raha mitombina ilay fiheveran’i Aristote, ka hitan’izy ireo fa zara raha misy ny porofo manohana an’izany. Izany no nahatonga an’i Carol Tavris, psikology, hilaza hoe: ‘Izao no fotoana tokony hialana tanteraka amin’ilay hevitra hoe tokony havoaka izay manavesatra ny fo. Tsy voaporofo mihitsy hoe manaisotra ny fankahalana ny herisetra vokatry ny hatezerana.’

Hoy koa i Gary Hankins, psikology: “Asehon’ny fikarohana fa matetika no vao mainka sorena ny olona ‘manapoaka’ ny fahatezerany rehetra, fa tsy hoe lasa maivamaivana.” Mety tsy hitovy hevitra mihitsy ny manam-pahaizana momba ny fitsaboana saina, amin’io resaka io. Mirakitra ny tena fahendrena anefa ny Baiboly ary olona maro no efa nandray soa taminy.

“Ialao ny fahatezerana”

Kanto erỳ ny fomba nilazan’i Davida mpanao salamo ny fomba hifehezana ny fahatezerana. Hoy izy: “Ialao ny fahatezerana ary atsaharo ny fahavinirana. Aza tezitra sao hahatonga anao hanao ratsy izany.” (Salamo 37:8) Aza tonga dia “tezitra” àry mba tsy hitenenana na hanaovana zavatra mety hanenenana. Mora tenenina izany fa sarotra atao, nefa azo atao. Andao isika hijery fomba telo hanampy anao hifehy hatezerana.

Aza tezitra be loatra

Mitonia mba tsy ho tezitra be loatra. Aza tonga dia miteny an’izay sendra ny vavanao. Araho ity torohevitry ny Baiboly ity, raha efa mitady hipoaka ny fahatezeranao ary tsapanao hoe mitady tsy ho voafehinao intsony: “Ny fiandohan’ny fifandirana dia toy ny mamaky tohodrano, koa mialà dieny mbola tsy raikitra ny fifamaliana.”—Ohabolana 17:14.

Izany no nataon’i Jack mba hifehezana ny hatezerany. Mpiboboka toaka sy mora tezitra ny dadany, ka lasa nahery setra koa izy rehefa nihalehibe. Hoy izy: “Hoatran’ny hoe mangotrakotraka aho rehefa tezitra. Mivazavaza àry aho sady avonkiko ny totohondriko.”

Nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa i Jack. Lasa tsapany fa afaka manampy azy hiova sy hifehy ny hatezerany Andriamanitra, ary niova tokoa izy! Izao no notantarainy rehefa nanompa azy ny mpiara-miasa taminy: “Tsapako hoe niakatra ny hatezerako. Tonga aho dia te hitazona azy sy hanjera azy amin’ny tany.”

Inona no nanampy an’i Jack tsy hitroatra? Hoy izy: “Tadidiko fa nivavaka aho hoe: ‘Mba ampio aho Jehovah ho tony.’ Sambany aho vao nahatsapa filaminan-tsaina ary vitako ny niala teo.” Nanohy nianatra Baiboly izy ary nivavaka foana sady nisaintsaina andinin-teny toy ilay voalaza ao amin’ny Ohabolana 26:20 hoe: “Maty ny afo rehefa tsy misy kitay.” Nahavita nifehy ny hatezerany izy, tamin’ny farany.

Miezaha ho tony

“Mamelombelona ny vatana ny fo tony.” (Ohabolana 14:30) Ho tony sy ho salama kokoa ianao ary hifandray kokoa amin’Andriamanitra, raha manaraka an’izany. Manaova aloha zavatra tsotsotra afaka mampitony ny hatezeranao. Nanampy ny hafa ho tony ireto manaraka ireto:

● Mifoka rivotra lalina. Tena mandaitra izany ary mampisinda haingana ny hatezerana.

● Mamerimberina teny mampitony toy ny hoe “mitonia” na “avelao ho any izany”, sady mifoka rivotra lalina.

● Manao zavatra mahafinaritra, ohatra hoe mamaky boky, mihaino hira, manao zaridaina, na manao zavatra hafa mampitony.

● Manao fanatanjahan-tena tsy tapaka ary mihinana sakafo mahasalama.

Mety tsy ho azonao ialana tanteraka ny olona na zavatra mahatezitra anao. Azo fehezina anefa ny hatezerana. Ny fomba fisainanao no mila ahitsinao.

Ny olona manantena zavatra be loatra no mora mahita olana rehefa tezitra. Nahoana? Tonga dia diso fanantenana izy na tezitra rehefa tsy mifanaraka amin’ny eritreriny ny zava-mitranga na ny ataon’ny hafa. Ahoana no handresena an’izany toe-tsaina fatra-pitaky ny lafatra izany? Tsara ny mitadidy fa “tsy misy olo-marina, na iray akory aza. ... Efa nivily ho amin’ny lalan-diso avokoa ny olona rehetra.” (Romanina 3:10, 12) Tsy hahomby àry isika raha mihevitra fa tonga lafatra ny tenantsika na ny hafa.

Aza manantena zavatra be loatra

Tsy tsara ny manantena be loatra amin’ny tenanao na amin’ny hafa. Hoy ny Baiboly: ‘Manao fahadisoana imbetsaka isika rehetra. Raha misy tsy manao fahadisoana amin’izay lazainy, dia izy no olona lavorary.’ (Jakoba 3:2) “Na iza na iza olo-marina eto ambonin’ny tany ka manao ny tsara dia mbola manota ihany.” (Mpitoriteny 7:20) Ho kivy sy ho sosotra àry isika raha miseho ho lavorary, nefa tsy izany akory no izy.

Tsy lavorary isika rehetra ka tezitra indraindray. Miankina amintsika anefa ny fomba hanehoana an’izany. Nampitandrina ny Kristianina toa azy ny apostoly Paoly hoe: “Tezera fa aza manota. Aza avela ho tratran’ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.” (Efesianina 4:26) Hety tsara ny fomba anehoantsika ny fihetseham-pontsika raha fehezintsika ny hatezerantsika. Hahasoa antsika sy ny hafa izany.

[Efajoro/Sary, pejy 8, 9]

MIEZAHA HO TONY

Miezaha ho zatra mifoka rivotra lalina

Manaova zavatra mahafinaritra

Manaova fanatanjahan-tena tsy tapaka