Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Voankazo Mivolombolamena any Armenia

Ilay Voankazo Mivolombolamena any Armenia

Ilay Voankazo Mivolombolamena any Armenia

● Efa an’arivony taona no nambolena tany Azia sy Eoropa ny paiso abrikô. Nino ny mponin’i Eoropa fa avy any Armenia ilay paiso, ka nantsoiny hoe paoman’i Armenia.

Misy karazany 50 eo ho eo izao ny abrikô any Armenia ary eo antenatenan’ny Jona ka hatramin’ny faramparan’ny Aogositra ny fahavokarany. Lonaka ny tany any sady avy amin’ny volkano ary mibaliaka be ny masoandro, ka maro no milaza fa anisan’ny tsara indrindra eran-tany ny abrikô avy any Armenia.

Mitovitovy amin’ny paiso ran-kena ny habeny ary mivolombolamena na mivolondaoranjy ny lokony. Volomboloina ny hodiny ary somary henjana ny nofony, tsy dia be ranony izy, ary misy mamy, misy marikivy. Misy milaza fa mitovitovy amin’ny tsiron’ny paiso voloina ny tsirony.

Nampivadin’ny mpamboly tamin’ny voankazo hafa ny abrikô, ka nahazo abrikô “mainty” izy ireo. Volomparasy manopy mainty izy io, volomboloina ny hodiny, ary mavomavo ny nofony.

Ny felan’ny abrikô no mipoitra alohan’ny raviny. Fotsifotsy ny felany, manitra be, ary tsy mila mpamindra vovobony. Mitovy amin’ny felan’ny paiso ny felany. Maniry tsara any amin’ny faritra misy ririnina mamanala sy fahavaratra mafana ny abrikô satria mila hatsiaka mba hahafahany hamelana sy hamoa tsara. Mety tsara aminy àry ny toetany any Armenia.

Mahasalama ny abrikô vao notazana. Be vitaminina A sy C, ohatra, izy io. Mora simba ny abrikô, ka ilay izy efa nohamainina no mahazatra kokoa ny olona any amin’ny faritra sasany. Be otrikaina sy vy ny abrikô nohamainina. Anaovan’ny olona toaka sy kaonfitira ary ranom-boankazo koa ny abrikô.

Hahavitana sokitra tsara tarehy ny hazo abrikô. Izy io no anaovana ny duduk, izay karazana sodina malaza any Armenia. Mety hahita sokitra tsara tarehy vita amin’ny hazo abrikô koa ny mpizaha tany, eny amin’ireo fivarotana any Erevan, renivohitr’i Armenia.

Mba manandrama abrikô raha misy any aminareo, fa tsy hanenenanao mihitsy ny mihinana an’io voankazo matsiro mivolombolamena io.