Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Be dia Be ny Olona Tezitra?

Nahoana no Be dia Be ny Olona Tezitra?

Nahoana no Be dia Be ny Olona Tezitra?

SAROTRA ny mamantatra ny antony mahatezitra ny olona. Na ny mpahay siansa aza manaiky an’izany. Samy miaiky anefa ny manam-pahaizana momba ny fahasalaman’ny saina hoe misy zavatra sasany mahatezitra antsika rehetra.

Mety ho zavatra manorisory na mahasosotra izany, ary matetika no vokatry ny tsy rariny ataon’ny hafa. Mety ho tezitra isika rehefa ambanina, ohatra hoe ompana na tsy hajaina. Mety ho tezitra koa isika rehefa misy mitady hanohitra ny fahefantsika na hanimba ny lazantsika.

Tsy mitovy ny zavatra mahatezitra ny olona, fa arakaraka ny taonany sy ny kolontsainy ary ny hoe lahy izy sa vavy. Tsy mitovy koa ny fihetsiky ny olona rehefa tezitra. Misy olona mahalana vao tezitra ary mora manadino an’izay nitranga. Ny hafa kosa mora tezitra ka afaka andro na herinandro na volana maromaro vao afaka ny fony.

Betsaka ny zavatra mety hahatezitra ary misy olona mora andairan’izy ireny. Nahoana? Anisan’ny mahatonga izany ny fitiavan-tena manjaka ankehitriny. Hoy ny Baiboly: ‘Amin’ny andro farany ny olona ho tia tena, ho tia vola, ho matin-kambo, hanambony tena, ho be di-doha, ho mpieboebo.’ (2 Timoty 3:1-5) Tsy izany mihitsy ve ny toetran’ny olona maro ankehitriny?

Matetika no tezitra ny olona tsy mahalala afa-tsy ny tenany rehefa tsy arahina ny heviny. Misy antony hafa koa mahatonga ny fahatezerana ho lasa olana. Diniho ireto.

Ny ray aman-dreny

Tena misy heriny eo amin’ny toetran’ny ankizy ny ataon’ny ray aman-dreniny, mandritra ny fahazazany sy ny fahatanorany. Hoy i Harry Mills, psikology: “Mbola kely ny ankizy dia efa mianatra mampiseho ny hatezerany, ka ny fihetsiky ny manodidina azy no tahafiny.”

Raha mora misendaotra noho ny zavatra tsy dia misy dikany ny ao an-trano, dia toy ny hoe manazatra ny ankizy ho mora tezitra isaky ny tojo olana. Toy ny zavamaniry tondrahana rano misy poizina ilay ankizy. Mety hitombo ihany ilay zavamaniry, nefa tsy hitombo tsara ary mety hisy tsininy. Toy ny rano misy poizina ny hatezerana, ka ho mora tezitra ny ankizy zatra miaina an’izany rehefa lehibe.

Tanàna be mponina

Ny 3 isan-jato eo ho eo tamin’ny mponina eran-tany no nipetraka an-tanàn-dehibe, tamin’ny taona 1800. Lasa 50 isan-jato izany tamin’ny 2008, ary mety ho lasa 70 isan-jato mandra-pahatongan’ny 2050. Azo inoana fa mihabetsaka ny olona tezitra sy sorisorena, arakaraka ny maha betsaka ny mponina an-tanàn-dehibe. Eritrereto, ohatra, i Mexico, izay anisan’ny tanàna lehibe sy be mponina indrindra eran-tany. Anisan’ny tena mahasorena ny olona ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Misy mponina 18 tapitrisa eo ho eo sy fiara 6 tapitrisa any, ary izy angamba no “renivohitra be olona kizitina indrindra eran-tany”, hoy ny mpanao gazety iray. “Be dia be ny fiara ka mora misafoaka ny olona.”

Misy zavatra hafa mahasorena koa rehefa be loatra ny mponina: Be ny tabataba, maloto ny rivotra, tsy ampy ny trano ipetrahana, tsy mitovy ny kolontsaina, ary be dia be ny heloka bevava. Mora sosotra sy tezitra ary tsy manam-paharetana ny olona rehefa mitombo ny zavatra mahakizitina.

Olana ara-toe-karena

Miteraka adin-tsaina sy fahasorenana ny fitotongan’ny toe-karena eran-tany. Hoy ny tatitry ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Asa (BIT) ao amin’ny Firenena Mikambana sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena, tamin’ny 2010: “Tombanana ho 210 tapitrisa mahery ny tsy an’asa eran-tany.” Mampalahelo fa maro amin’ny olona very asa no tsy manana tahiry na tsy mahazo fanampiana.

Miady saina koa na ireo manana asa aza. “Olana eran-tany” ny adin-tsaina mifandray amin’ny asa, hoy ny BIT. Milaza i Lorne Curtis, mpanolo-tsaina momba ny fitantanan-draharaha, any Ontario, Kanada, fa ‘manahy ny amin’ny asany ny olona ary mora matahotra ny ho very asa’, ka lasa “miaro tena sy mora mifamaly amin’ny lehibeny sy ny mpiasa hafa.”

Fanavakavahana sy tsy rariny

Alao sary an-tsaina izay tsapanao raha mifaninana mihazakazaka ianao, ary ianao irery no fatorana rojo vy. Toy izany no tsapan’ny olona an-tapitrisany avakavahana noho ny volon-kodiny na noho ny antony hafa. Tezitra ny olona rehefa sakanana tsy hianatra na hahazo asa na trano na zavatra hafa ilainy.

Mety hankarary fo sy hampahory koa ny tsy rariny. Mampalahelo fa efa niharan’ny tsy rariny ny ankamaroantsika. Hoy i Solomona mpanjaka hendry, 3 000 taona mahery lasa izay: “Hitako ny ranomason’ny ampahorina, nefa izy tsy nisy nampionona.” (Mpitoriteny 4:1) Lasa mora tezitra ny olona rehefa be dia be ny tsy rariny nefa izy zara raha mahazo fampiononana.

Fialam-boly

Arivo mahery ny fanadihadiana natao mba hahitana hoe inona no vokany rehefa mijery na mihaino zavatra misy herisetra ny ankizy. Hoy i James Steyer, izay nanorina fikambanana iray manampy hifidy fialam-boly: “Lasa mora tia herisetra sy tsy dia mangoraka ny ankizy zatra mahita herisetra, ary lasa tsy mampaninona azy intsony izany.”

Marina fa tsy lasa mpanao heloka bevava ny ankamaroan’ny tanora zatra nahita herisetra. Matetika anefa no asehon’ny haino aman-jery ho toy ny fomba tsara hiatrehana olana ny fahatezerana. Lasa mihabetsaka àry ny tanora tsy mihontsina amin’ny herisetra.

Ny herin’ny anjely ratsy

Milaza ny Baiboly fa misy hery tsy hita maso mahatonga ny olona ho romodromotra. Nisy anjely iray nikomy tamin’ilay Andriamanitra Mahery Indrindra, raha vao noforonina ny olona. Antsoina hoe Satana izy io, ary midika hoe “Mpanohitra” na “Fahavalo” izany, amin’ny teny hebreo. (Genesisy 3:1-13) Nitarika anjely hafa hiara-mikomy aminy i Satana, tatỳ aoriana.

Nalefa tetỳ amin’ny manodidina ny tany ireo anjely tsy nankatò ireo ary antsoina hoe demonia. (Apokalypsy 12:9, 10, 12) “Tezitra mafy” izy ireo satria fantany fa efa fohy ny fotoana hiainany. Tsapantsika àry ny vokatry ny ataony, na dia tsy hita maso aza izy ireo. Ahoana izany?

Hararaotin’i Satana sy ny demoniany isika satria mpanota, ka ataony izay hahatonga antsika ‘hifandrafy, hifamaly, hialona, ho tezitra, hifanditra, hisaratsaraka, hanao lanonana feno filibana’ sy hanao zavatra hafa toy izany.—Galatianina 5:19-21.

Mahaiza mifehy tena

Takatsika hoe nahoana ny fiainana no mahasorisorena ny olona, rehefa avy nandinika an’ireo olana sy adin-tsaina ary fanahiana rehetra ireo isika.

Mety tsy ho tana tokoa ny hatezerana ka hipoaka. Ahoana àry no hifehezana azy io? Ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka izany.

[Efajoro, pejy 5]

METY HO MANANA OLANA LEHIBE IANAO RAHA...

▶ Tezitra satria tsy mahandry rehefa milahatra eny amin’ny mpivarotra.

▶ Mifamaly matetika amin’ny mpiara-miasa aminao.

▶ Tezitra be amin’ny alina, rehefa mieritreritra an’izay nahasorena anao nandritra ny andro.

▶ Tsy mahavita mamela ny helok’ireo nanao zavatra mampalahelo anao.

▶ Matetika no tsy mahafehy ny fihetseham-ponao.

▶ Menatra na manenina rehefa avy tezitra. *

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Avy ao amin’ny MentalHelp.net, ao amin’ny Internet.

[Efajoro, pejy 6]

ANTONTAN’ISA VITSIVITSY

Nisy tatitra mitondra ny lohateny hoe Inona no Azo Atao Rehefa Mipoaka ny Hatezerana? (anglisy), navoakan’ny Fikambanana Mikarakara ny Marary Saina, any Londres, Angletera. Ireto misy antontan’isa vitsivitsy:

Ny 84% no miady saina kokoa noho ny tamin’ny dimy taona lasa, rehefa any am-piasana.

Ny 65% amin’ny mpiasa birao no efa nisafoaka na nahita olona nisafoaka tao am-piasana.

Ny 45% amin’ny mpiasa no tezitra matetika rehefa miasa.

Efa ny 60% amin’ny mpiasa no tsy tonga miasa satria miady saina.

Ny 33% amin’ny Anglisy mpiray tanàna no tsy mifampiteny.

Ny 64% no manaiky fa lasa mora tezitra kokoa ny olona.

Ny 32% no milaza fa manana namana akaiky na havana tsy mahafehy ny hatezerany.

[Sary, pejy 5]

Raha mora misendaotra ianao, inona no ho vokatr’izany eo amin’ny zanakao?

[Sary, pejy 6]

Manova ny fiheveranao ny hatezerana sy ny herisetra ve ny fialam-bolinao?