Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanàna Fiarovana Tsy Nahasakana Fijaliana

Tanàna Fiarovana Tsy Nahasakana Fijaliana

Tanàna Fiarovana Tsy Nahasakana Fijaliana

EO ANELANELAN’I Dresde sy Prague, any Eoropa Afovoany, i Theresienstadt (na Terezín). Voahodidin’ny manda goavam-be voafefy io tanàna io, taloha. Nisakanana ny fahavalo tsy ho tafiditra tao amin’ilay tany sy niarovana ny mponina teny amin’ny manodidina izy io.

I Joseph II, mpanjakan’i Alemaina sady Mpanjaka Romanina Masina, no namoaka didy hanorenana azy io. Teo izy nandritra ny fanadihadiana an’ilay toerana ary natrehiny ny fametrahana ny vato fehizoro, tamin’ny faramparan’ny 1780. Ho fanomezam-boninahitra ny Mpanjakavavy Marie-Thérèse reniny no nanorenana an’ilay tanàna, ka nomena anarana tseky hoe Terezín, na “Tanànan’i Thérèse”, izy io. * Voalaza fa nahatratra 14 000 ny mpiasa teo amin’ilay toeram-panorenana, tamin’ny fotoana sasany. Efa-taona dia vita ny ankamaroan’ny asa.

Vita tamin’ny 1784 i Terezín ary izy no tanàna fiarovana lehibe indrindra tao amin’ny tanànan’ny Habsbourg. Ny fomba fanorenana avo lenta indrindra tamin’izany no nampiasaina tamin’ny fanorenana azy. Efa niova be anefa ny fomba fiadin’ny miaramila, na dia talohan’ny nahavitan’ilay tanàna aza.

Tsy nanao fahirano ny lapa intsony ny fahavalo rehefa nanafika, fa ny tanàna manodidina no nohodidininy sy norobainy. Efa tsy tanàna fiarovana intsony àry i Terezín tamin’ny 1888. Novana ho zaridaina tsara tarehy misy lalan-kely sy sezalava ireo faritra voafefy teo ivelan’ny manda.

Ilay tanàna

Natao ho voaro mafy ny tanànan’i Terezín. Nisy trano ho an’ny miaramila sy ny fianakaviany ary ho an’ny olon-tsotra, tao anatin’ilay manda lehibe.

Nisy tanàna mimanda kely kokoa naorina teo akaikin’ilay tanàna lehibe ary natao fonja miaramila izy io. Izay mpanao politika mpikomy tamin’ny Fanjakan’ny Habsbourg no nogadraina tao, taoriana kelin’ny 1800. Nogadraina tao koa ireo tanora voarohirohy tamin’ny famonoana ny Printsy François-Ferdinand tany Sarajevo tamin’ny 1914. Tsy voaheloka ho faty izy ireo satria tsy ampy 20 taona. Nampijalijalina anefa izy ireo ary lasa adala ny sasany. Maty tao amin’io fonja io ny ankamaroany, tsy ela taorian’izay. Maty tao i Gavrilo Princip, ilay tena namono ny printsy, raha mbola nafotaka ny Ady Lehibe I.

Nalaza ho ny fonja ratsy indrindra tany Aotrisy-Hongria ilay Tanàna Mimanda Kely. Matetika ny voafonja no nofatorana rojo vy lehibe tao anaty lakaly mangatsiaka sy mando. Nisy zavatra mahatsiravina kokoa noho izany aza nampiasana an’ilay Tanàna Mimanda Kely, nandritra ny Ady Lehibe II.

Inona marina no nitranga tao Terezín?

Nanomboka nitondra Jiosy tao amin’ilay tanàna fiarovana lehibe ny Nazia, tamin’ny 1941, rehefa avy notafihin’izy ireo ny Repoblika Tseky ankehitriny. Novan’ny Nazia ho toerana fanokanana Jiosy i Theresienstadt. Mila atokana, hono, izy ireo mba tsy hiadiany amin’ny tsy Jiosy. Nataon’ny Nazia izay hiheveran’ny olona hoe fikarakarana fahasalamana ho an’ny Jiosy ilay tanàna. Nikasa handripaka an-tsokosoko ny Jiosy rehetra anefa izy ireo.

Nentin’ny Nazia tsikelikely tany amin’ireo toby famonoana tany amin’ny faritra atsinanan’i Eoropa ireo Jiosy avy ao Theresienstadt sy avy any an-toeran-kafa ary novonoiny. Efa fantatry ny olona ny fisian’ireny toby ireny tamin’ny 1935 tany ho any, nefa nolazain’ny Nazia fa toerana fanasaziana fotsiny izy ireny. Nihabetsaka anefa ny tatitra momba an’izay nitranga tany amin’ireny toby ireny, ka noterena hanome fanazavana ireo manam-pahefana nazia. Nataon’ny Nazia izay inoan’ny olona eran-tany hoe tsy nijaly ireo voafonja. Ahoana no nanaovany an’izany?

Nisy solontenan’ny Vokovoko Mena Iraisam-pirenena nasaina hitsidika an’ilay tanàna fiarovana lehibe mba hijery an’izay nitranga tao, tamin’ny 1944 sy 1945, izany hoe nandritra ny Ady Lehibe II. Nataon’ny Nazia lasa tsara tarehy be àry ilay toerana mba ho toy ny hoe tena toerana fikarakarana fahasalamana.

Nosoloana anarana lalana tsaratsara ny nomeraon’ireo fitambaran-trano. Mody nasiana banky sy akanin-jaza ary tsena ilay tanàna. Nasiana fivarotan-tsakafo misy toerana ipetrapetrahana mihitsy aza teo afovoan-tanàna. Namboarina ny ivelan’ireo trano, nambolena zava-maitso ny zaridaina teo afovoan-tanàna, ary nisy trano heva naorina mba hilalaovana mozika.

Nentina nitsidika amin’izay ireo solontenan’ny Vokovoko Mena. Navela hiresaka tamin’ny solontenan’ny “governemantan’ny Jiosy” izy ireo. Efa nofidina tsara anefa ireo solontena ireo ary efa namerimberina an’izay nasain’ny Nazia holazainy rehefa anontaniana. Indroa niverina tany ny solontenan’ny Vokovoko Mena, nefa voafitaky ny Nazia foana. Nolazain’ireo solontena ireo tao amin’ny tatitra nataony hoe tanàna jiosy misy mponina voakarakara tsara i Theresienstadt. Mbola mosarena sy nampijalina ary novonoina anefa ireo Jiosy tao, rehefa lasa ny Vokovoko Mena. Vitsy ihany no nahita ny faran’ny Ady Lehibe II.

Ilay Tanàna Mimanda Kely

Nataon’ny Nazia fonja koa ilay Tanàna Mimanda Kely. Hoatran’ireny any amin’ny toby fitanana ireny tao. An’aliny ny olona nohazonina tao ary fandalovana fotsiny izy io ho an’ny ankamaroany, satria nalefa tany amin’ireo toby lehibe kokoa tany amin’ny tanin’ny Alemà izy ireo.

Vavolombelon’i Jehovah 20, fara fahakeliny, no nogadraina tao amin’ilay Tanàna Mimanda Kely. Avy ao Prague sy Pilsen ary avy any an-toeran-kafa izy ireo. Fa inona no nataony? Tsy nety nanohana ny Nazia sady tsy nety nanao politika. Tsy navela nitory izy ireo nefa mbola nitory ny vaovao tsara avy ao amin’ny Baiboly foana. Novonoina ny sasany taminy na nampijalina mandra-pahafatiny, satria tsy nety niala tamin’ny finoany.

Inona no azo ianarana?

Hoy ny Baiboly: “Aza matoky ny olona ambony na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny ainy, ary miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.” (Salamo 146:3, 4) Manamarina an’izany ny tantaran’i Terezín.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Renin’i Marie-Antoinette, izay lasa mpanjakavavin’i Frantsa, koa i Thérèse.

[Efajoro, pejy 20]

NY VAVOLOMBELONA TAO AMIN’ILAY TANÀNA MIMANDA KELY

Efa avy nalaina am-bavany tao amin’ny foiben’ny Gestapo tany Prague ny ankamaroan’ny Vavolombelon’i Jehovah nogadraina tao Theresienstadt. Matetika no nalefa tany amin’ny toby fitanana tany Alemaina izy ireo rehefa avy tao. Nijaly be izy ireo tany amin’ireny fonja ireny sady natoka-monina. Inona anefa no nanampy azy ireo?

Hoy ny vehivavy Vavolombelona iray nogadraina tao Theresienstadt: “Naverimberiko tao an-tsaina foana ireo fampianaran’ny Baiboly satria tsy tiako hohadinoina. Nitady Vavolombelona aho isaky ny nafindra fonja, ary nifandray tamin’izy ireo. Niezaka nitory foana koa aho raha vao afaka nitory.”

Hita fa nandaitra izany satria tsy nivadika tamin’Andriamanitra mihitsy izy, na tamin’izy tany am-ponja na taorian’izay.

[Sary, pejy 18]

Hajia mampiseho an’i Terezín ho toy ny tanàna mahafinaritra tamin’ny Ady Lehibe II

[Sary, pejy 19]

Gadra vao tonga. Izao ilay soratra alemà: “Arbeit Macht Frei” (Manafaka ny Asa)

[Sary, pejy 19]

Fandriana hazo tao amin’ny fonjan’ny vehivavy

[Sary, pejy 20]

Fidirana mankao amin’ilay Tanàna Mimanda Kely

[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]

Sary roa: With courtesy of the Memorial Terezín