Tia Holatra ve Ianao?
Tia Holatra ve Ianao?
NIHEVITRA ireo mpanjaka tany Ejipta fahiny fa sakafo mihaja ny holatra, ary notehirizina ho an’ny fianakavian’ny mpanjaka. Nantsoin’ny Romanina hoe sakafon’ireo andriamanitra izy io ary tamin’ny fotoana manokana ihany vao nohanina. Nanao fety ho an’ny holatra ny Grika ary nino fa nanome hery an’ireo handeha hiady izy io.
Ny olona rehetra anefa izao no mihinana holatra, fa tsy ny olona mihaja ihany. Tia holatra koa ve ianao? Biby ve izy io sa zavamaniry sa zavatra hafa? Ahoana no fambolena azy? Be otrikaina ve izy io? Inona no tokony hatao rehefa mahita holatra eny an-tsaha?
Te hahalala an’izany izahay mivady, ka niainga avy teto Sydney ary nankany Mittagong, tanàna kanto any amin’ny faritra be tendrombohitra any atsimon’i Nouvelle-Galles Atsimo, eto Aostralia. Misy toeram-pambolena holatra any ary i Noel Arrold no tompony.
Fambolena holatra
Aostralianina vaventy be i Noel ary mpikaroka momba ny zavamananaina bitika sady manam-pahaizana momba ny holatra. Nianatra momba ny fambolena holatra tany amin’ny tany maromaro izy ary niverina teto Aostralia mba hamboly holatra hamidy. Hoy izy: “Iray tarika amin’ny bobongolo ny holatra. Nino ny mpikaroka momba ny zavamananaina fa zavamaniry izy io. Hita anefa izao fa tsy zavamaniry mihitsy izy io.
“Tsy toy ny zavamaniry ny holatra satria tsy mivelona amin’ny hazavana. Velona izy na dia ao amin’ny maizina aza. Tsy toy ny biby koa izy satria toy izao no ivelomany: Mamoaka anzima mahery izy ary io no mamadika ny zavatra organika ho otrikaina ivelomany. Sady tsy zavamaniry àry ny holatra no tsy biby ka nolazain’ny manam-pahaizana fa manana ny sokajiny manokana mihitsy.”
Hoy ihany i Noel: “Mamoaka sela bitika an-tapitrisany ny holatra matoy. Mitambatra amin’ny sela bitika avy amin’ny holatra hafa izany, ka mety ho lasa holatra vaovao, raha lasa eny amin’ny toerana mangatsiaka sy mando ary be sakafo. Miezaka maka tahaka an’izany ny mpamboly holatra sady mampiasa fomba manokana hampitomboana sy hanatsarana ny vokatra.”
Nanazava i Noel fa tsy mitovy ny zavatra ilain’ny holatra. Zezika efa nokarakaraina, ohatra, no tena mampitombo ny holatra fotsy, ilay be mpihinana indrindra eran-tany. Ny karazany hafa kosa mitombo ao anaty fitoerana fakofakon-javamaniry, na boatina voa madinika, na vatan-kazo, na vovo-kazo. An’arivony ny karazana holatra fantatra, fa ny 60 eo ho eo ihany no ambolena mba hamidy.
Any amin’ny tionelin-damasinina efa tsy miasa intsony, any akaikin’i Mittagong, i Noel no mamboly holatra. Hoy izy: “Mangatsiatsiaka sy mandomando ao ka tena tian’ny holatra.” Mitsimoka avy ao anaty harona sy boaty ary tavoahangy mitandahatra ireo karazana holatra an’arivony, izay samihafa bika sy habe. Ny sasany toy ny raozy mamelana ary ny hafa toy ny lisy na fehezam-boninkazo na elo bota kely. Variana izahay nijery an’ireo loko samihafa.
Isan-karazany sy matsiro
Hoy i Noel: ‘Tian’ny olona ny paozin’ireo holatra milokoloko nefa tsy hain’izy ireo ny mahandro azy. Tsotra kely anefa ny mikarakara azy. Tetitetehina aloha ilay holatra, ary avy eo endasina, na atao lasopy, na atao salady.
Misy koa mahandro azy. Tena tiako ny holatra masaja endasina atao mofo. Misy holatra mitovy tsiro amin’ny hena ary tsara be rehefa ampiarahina amin’ny atody.’Be otrikaina ny holatra fihinana satria be fibra, proteinina, mineraly, ary vitaminina. Karazana holatra 2 000 eo ho eo koa no fantatra fa fanafody. Milaza ny gazety iray momba ny fitsaboana fa ampiasaina amin-javatra 100 mahery mifandray amin’ny fitsaboana ny holatra, anisan’izany ny fitsaboana kansera, hepatita, SIDA, aretin’i Alzheimer, ary fiakaran’ny kolesterola.
Mety hahafaty anefa ny holatra dia. Mitovy be amin’ny holatra fihinana, ohatra, ny karazana holatra iray tena mahafaty. Aza mihinana holatra dia mihitsy àry raha tsy efa milaza ny olona mahay tsara momba ny holatra hoe fihinana ilay izy. Azo hanina tsara kosa ireo karazana holatra ambolena mba hamidy. Matsiro ny holatra ary ny fianakavian’ny mpanjaka ihany no nihinana azy taloha.
[Efajoro, pejy 22]
HOLATRA DIA
Toerana mangatsiatsiaka sy mandomando ary maizimaizina no tena tian’ny holatra, ary avadiny ho zezika ny hazo na zavamaniry efa maina sy ny taim-biby. Mivelona amin’ny zavatra organika ao amin’ny fakan’ilay hazo ny holatra ary ny hazo kosa maka zavatra mahavelona avy amin’ireo holatra.
[Efajoro, pejy 23]
SOSO-KEVITRA VITSIVITSY
• Fonosy taratasy na lamba ny holatra, raha hotehirizina ao amin’ny vata fampangatsiahana. Aza atao manakaiky zavatra misy fofona izy satria mitroka fofona.
• Diovy amin’ny lamba mando ny holatra na kobano vetivety amin’ny rano ary fafao moramora amin’ny lamba maina, raha hohanina manta. Aza alona anaty rano izy.
• Esory amin’ny borosy malefaka kosa ny loto raha handrahoina ilay holatra.
• Aza esorina ny hodiny satria matsiro sy be otrikaina.
[Sary, pejy 21]
Atao mety tsara ny hafanana ato amin’ity efitra famokarana holatra ity
[Sary, pejy 22]
Toy ny voninkazo tsara tarehy ny holatra sasany
[Sary, pejy 23]
Holatra natono, ampiarahina amin’ny karazana pitipoà noporetina, epinara, tongolo gasy, ary tongolo maitso notetehina
[Sary nahazoan-dalana, pejy 21]
Courtesy of the Mushroom Information Center
[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]
Ambony: Courtesy of the Mushroom Information Center; ambany: Courtesy of the Australian Mushroom Growers Association