Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

“Tena mihavitsy ny olona misora-panambadiana any Angletera sy Pays de Galles, nanomboka tamin’ny nanoratana voalohany ny fanambadiana”, izany hoe tamin’ny 1862.—BIRAO MOMBA NY ANTONTAN’ISA, GRANDE-BRETAGNE.

Ny antsasany mahery amin’ny lehiben’ny orinasa madinika tsy miankina amin’ny fanjakana, any Etazonia, no “manampo fa hangalatra zava-tsarobidy [ao amin’ny orinasa] ny mpiasa, ny taona manaraka.”—MASOIVOHOM-BAOVAO REUTERS, ETAZONIA.

Nilaza ny fikambanana iray miady amin’ny sary vetaveta fa efa “60 000 mahery ny tranonkala misy sary vetaveta nakatona”, herintaona latsaka taorian’ny “hetsika” nataon’ny Fanjakana Sinoa hanakatonana azy ireny.—CHINA DAILY, CHINE.

“Olona 215 tapitrisa mahery, izany hoe ny telo isan-jaton’ny mponina eran-tany, no [mipetraka] any ivelan’ny tanindrazany.”—TAHIRIM-BOLAN’NY FIRENENA MIKAMBANA HO FAMPANDROSOANA NY FAMBOLENA, ITALIA.

“Mpianatra 19 isan’andro no mamono tena any Inde, ka ny 6 aminy [no manao izany] noho ny tahotra ny tsy ho afa-panadinana.”—INDIA TODAY INTERNATIONAL, INDE.

Paikady Hisarihana ny Mpiloka

Raha jerena ny vola lanin’ireo mpiloka be any Alemaina mba hilokana, dia avo folo henin’ny lanin’ireo tsy mpiloka be. Milaza àry ny gazety Süddeutsche Zeitung fa “anisan’ny tena mpampidi-bola amin’io sehatra io” ireo efa mpiloka be. Amboarin’ireo mpampiloka ny kilalao sy ny milina filokana mba ho te hiloka foana ny olona, ka hitombo ny vola miditra. Arakaraka ny mampandeha haingana an’ilay milina no mahatonga an’ilay mpilalao tsy hahafehy tena ka te hilalao foana. Mandaitra ilay paikady. Rehefa jerena ny vola azo amin’ny mpiloka, dia avy amin’ny mpiloka be ny 56 isan-jaton’ny any amin’ny milina filokana sy ny 38 isan-jaton’ny any amin’ny trano filokana ary ny 60 isan-jaton’ny ao amin’ny Internet.

Ny Fotoana Tsara Hanatonana Mpitsara

Mety hisy vokany eo amin’ny didim-pitsarana avoakan’ny mpitsara ve ny zavatra tsy dia misy dikany? Eny tokoa. Nandinika didim-pitsarana 1 000 mahery navoakan’ny mpitsara tany Israely ny mpikaroka maromaro. Hitan’izy ireo fa mahazo rariny ny 65 isan-jaton’ireo tsaraina, rehefa avy misakafo antoandro na mihinan-javatra kely ny mpitsara. Mihena tsikelikely hatramin’ny 1 isan-jato izany, mandra-pahatongan’ny fotoana manaraka hisakafoanany, ary miverina avy hatrany ho 65 isan-jato avy eo. Hitan’ny mpikaroka àry fa tsy ny zava-misy sy ny lalàna foana no iorenan’ny didim-pitsarana fa “mety hisy lafin-javatra tsy dia misy dikany” koa, “izay tsy misy ifandraisany amin’ny lalàna mihitsy.”