Manontany ny Tanora Hoe...
Ratsy ve ny Hoe Be Mpitia?
Fenoy amin’ny iray amin’iretsy teny iretsy ny banga:
․․․․․ ny hoe be mpitia.
-
A. Tsara foana
-
B. Tsara indraindray
-
D. Tsy tsara mihitsy
ILAY “B” no valiny marina. Nahoana? Satria tsy ratsy foana ny hoe tian’ny olona. Nilaza mialoha ny Baiboly fa ho “fahazavan’ny hafa firenena” ny Kristianina ary hanatona azy ireo ny olona. (Isaia 42:6; Asan’ny Apostoly 13:47) Azo lazaina hoe be mpitia àry ny Kristianina.
Fantatrao ve?
Tian’ny olona i Jesosy. Mbola kely izy dia efa nahazo “sitraka tamin’Andriamanitra sy ny olona.” (Lioka 2:52) Lazain’ny Baiboly koa fa “nisy vahoaka be nanaraka azy” rehefa lehibe izy. “Avy any Galilia sy Dekapolisy sy Jerosalema sy Jodia ary avy any ampitan’i Jordana” izy ireo.—Matio 4:25.
Nahoana izany no tsy ratsy?
Satria i Jesosy tsy nitady voninahitra na niezaka ny ho be mpitia, ary tsy nila sitraka tamin’olona. Nanao izay mety fotsiny izy, ary izany indraindray no nahatonga azy ho tian’ny olona. (Jaona 8:29, 30) Takatr’i Jesosy koa fa tsy hoe hankasitraka azy foana ireo vahoaka mora miova hevitra ireo. Fantany fa hamono azy izy ireo any aoriana.—Lioka 9:22.
Tsara hotadidina:
Toy ny harena ny hoe tian’ny olona. Tsy hoe ratsy foana izany. Ny ataon’ny olona mba hahazoana sy hihazonana azy no olana.
Fampitandremana:
Maro ny tanora manao izay ho afany mba ho tian’ny olona. Mila sitraka amin’olona ny sasany ka manao izay ataon’ny hafa fotsiny. Ny hafa kosa mihetraketraka ka tereny ho tia azy ny olona, na dia hoe noho ny tahotra fotsiny aza. *
Tsy hoe lasa be mpitia izay manao an’ireo. Misy zavatra tsara kokoa azo atao anefa. Izany no asehon’ny pejy manaraka.
^ Miresaka momba ny mpihetraketraka ny Baiboly ary nantsoina hoe “Nefilima” na “lehilahy nanan-daza” izy ireo. Izay hahazoany voninahitra no tena niriny.—Genesisy 6:4.
NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO
Melissa: Marina fa afaka manao hoatran’ny ankizy rehetra any am-pianarana fotsiny ianao. Mankaleo be anefa izany. Mampiavaka anao kosa ny hoe Kristianina, ary tsy lasa hafahafa ianao raha Kristianina fa lasa tian’ny olona.
Ashley: Tsaroako hoe tsy be mpitia aho tany am-pianarana. Namonjy fivoriana kristianina anefa aho ary tena tia ahy ireo namako tany, ka tsy dia nahaliana ahy intsony ny hoe ho be mpitia tany am-pianarana.
Phillip: Mila mihevitra izay hahasoa ny hafa ianao raha te ho tian’izy ireo. Nanandrana nanao zavatra tsotsotra ho an’ny namako aho tato ho ato, ka lasa nifankatia kokoa izahay.