Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Nahoana no Ilaina ny Teny Fiderana?

Nahoana no Ilaina ny Teny Fiderana?

MARO no mihevitra fa tsy misy mahita ny ezaka ataony. Matetika, ohatra, ny mpiasa no mahatsapa hoe tsy ankasitrahan’ny mpampiasa. Mihevitra koa ny olona maro manambady fa tsy miraharaha azy ny vadiny. Misy ankizy mihevitra fa tsy ho vitany mihitsy izay antenain’ny ray aman-dreniny aminy. Azo antoka fa tsy dia hieritreritra toy izany ny olona raha samy manao teny fiderana tsindraindray isika.

Tsy zatra midera ny hafa amin’ny fo ny olona ankehitriny. Tsy mahagaga izany satria hoy ny Baiboly: “Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina. Fa ny olona ho tia tena, ... tsy hisaotra, tsy ho mena-mivadika.”—2 Timoty 3:1, 2.

Efa nisy olona nidera anao tamim-pahatsorana ve? Tsapanao tsara àry hoe mahafaly sy mankahery ny fo sy ny saina izany. Hoy ny Baiboly: “Tsara erỳ ny teny lazaina amin’ny fotoana mety!” (Ohabolana 15:23) Afaka manampy antsika ho tsara fanahy ny Soratra Masina.

Tadiavo ny toetra tsaran’ny hafa

Tena mihevitra antsika i Jehovah Andriamanitra ka manamarika sy mankasitraka ny toetra tsara sy ny zavatra tsara vitantsika. Hoy ny Baiboly: “Ny mason’i Jehovah dia mijery eny rehetra eny manerana ny tany, mba hanehoany ny heriny hamonjena izay mifikitra aminy amin’ny fo manontolo.” (2 Tantara 16:9) Azo antoka fa voamariny isika rehefa tia azy ka mankatò ny lalàny.

Tsy mitsikera ny fahadisoantsika i Jehovah. Tsy hisy hahajoro isika raha manao izany izy. (Salamo 130:3) Toy ny mpitrandraka vatosoa kosa izy. Manam-paharetana ny mpitrandraka ka mikaroka vato sarobidy ao anaty antontam-bato, ary faly rehefa mahita vatosoa. Mety ho tsy misy dikany no fahitana an’ilay vato amin’ny voalohany, nefa fantatr’ilay mpitrandraka ny hasarobidiny. Toetra tsara koa no tadiavin’Andriamanitra ao amintsika fa tsy fahadisoana. Faly izy rehefa mahita an’izany. Fantany fa rehefa hatsaraina ireny toetra ireny dia lasa sarobidy, satria hahatonga ny olona iray tsy hivadika sy hahafoy tena ho azy.

Afaka manahaka an’Andriamanitra isika. Mety ho mora mifantoka amin’ny fahadisoan’ny hafa isika. Hitady ny toetra tsaran’izy ireo anefa isika raha manahaka an’i Jehovah. (Salamo 103:8-11, 17, 18) Hidera azy ireo isika rehefa mahita ny toetra tsarany. Inona no ho vokatr’izany? Azo antoka fa hamelombelona azy ireo izany ary mety handrisika azy hiezaka mafy kokoa hanao ny tsara. Ho faly koa isika satria manome.—Asan’ny Apostoly 20:35.

Derao noho ny zavatra tsara nataony ny hafa

Matetika i Jesosy no nahamarika ny zavatra tsara nataon’ny hafa ary nidera azy. Nikasika ny akanjon’i Jesosy ivelany, ohatra, ny vehivavy iray mba ho sitrana. Natahotra be izy nefa nidera azy i Jesosy hoe: “Ny finoanao no nahasitrana anao, anaka.”—Marka 5:34.

Nampianatra tao amin’ny tempolin’i Jerosalema koa i Jesosy, indray mandeha. Hitany ireo manankarena nandrotsa-bola tao amin’ny vata fandatsaham-bola. Nahita vehivavy maty vady sady mahantra nandrotsaka “vola madinika roa faran’izay kely vidy” izy avy eo. Betsaka noho ny an’ilay vehivavy ny vola narotsaky ny hafa. Nidera azy teo imason’ny olona anefa i Jesosy, ka niteny hoe: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena io no nandatsaka betsaka kokoa noho izy rehetra na dia mahantra aza. Izy rehetra mantsy nandatsaka fanomezana avy tamin’ny ambim-bavany, fa izy kosa na mahantra aza, dia nandatsaka ny fivelomany rehetra.”—Lioka 21:1-4.

Ahoana no anahafantsika an’i Jesosy? Hoy ny Baiboly: “Aza miahotra manao soa amin’izay tokony hanaovan-tsoa raha mbola azon’ny tananao atao ihany.”—Ohabolana 3:27.

Manan-kery ny teny fiderana

Tsy tia misaotra ny olona ankehitriny, nefa mila mahatsapa hoe ankasitrahana sy tiana isika rehetra. Mampahery ny hafa isika rehefa midera azy amim-pahatsorana, sady mandrisika azy hiezaka foana.—Ohabolana 31:28, 29.

Mampirisika ny Kristianina rehetra ny Baiboly hoe: ‘Aoka isika hifampihevitra mba handrisika ho amin’ny fitiavana sy ny asa tsara.’ (Hebreo 10:24) Tsy ho toy izao mihitsy ny fiainana raha samy mihevitra ny hafa ny tsirairay, mitady ny toetra tsarany, ary midera azy noho ny zavatra tsara nataony. Manan-kery tokoa ny teny fiderana!

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Nahoana no tokony hoderaina ny olona nanao zavatra tsara? —Ohabolana 15:23.

● Inona no tadiavin’i Jehovah rehefa mandinika antsika izy?—2 Tantara 16:9.

● Rahoviana isika no tokony hidera ny hafa?—Ohabolana 3:27.

[Sary, pejy 29]

Voamarikao ve ny asa tsara ataon’ny hafa ary midera azy ve ianao?