Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahomby Nefa Misy Raikely na Renikely

Nahomby Nefa Misy Raikely na Renikely

Nahomby Nefa Misy Raikely na Renikely

TSY HOE MPIRAY TRANO FOTSINY

Zanak’i Philip i Elise, 20 taona izy tamin’izany, ary izy no nisahana ny andraikitra maro tao an-trano. Hifandray tsara ve izy sy Louise rehefa hanambady an’i Louise i Philip?

Louise: Sarotra be ilay izy tamin’ny voalohany. Izaho tsinona tia mikarakara tokantrano izay ihany.

Elise: Namboarin’i Louise ny tao an-trano ka maro ny entanay nariany. Mba nampirin-trano aho indray mandeha nefa tsy nataoko tamin’ny toerany ny entana sasany satria tsy haiko intsony ny toerany. Nahatezitra an’i Louise izany ka nifampivazavaza izahay, ary tsy niresaka taminy herinandro aho.

Louise: Tafateny tamin’i Elise aho hoe: “Tsy haiko izay hiafarantsika fa hoatran’ny tsy zakako intsony izao.” Nanatona ahy izy ny harivan’iny ary niala tsiny. Nofihiniko izy ary niara-nitomany izahay.

Elise: Navelan’i Louise teo amin’ny rindrina ny sariko sasany, ary tsy nesorin’i Dada ny jiro napetrako tao amin’ny efitra fandraisam-bahiny. Hoatran’ny hoe tsy dia misy dikany izany, nefa tena nanampy ahy hahatsapa hoe mbola tao an-tranoko aho. Tiako koa ny fomba ikarakaran’i Louise ny zandriko lahy rehefa miaraka aminay izy. Efa roa taona izay no lasa ary manomboka mihevitra an’i Louise ho anisan’ny fianakaviana aho.

Louise: Mpinamana be izao izahay sy Elise, fa tsy hoe mpiray trano fotsiny.

‘FIRAISAN-KINA NO ZAVA-DEHIBE’

Enin-taona izay i Anton sy Marelize no nivady, ary samy nanan-janaka telo izy ireo rehefa nivady.

Anton: Miara-manao zavatra izahay, ohatra hoe mandeha milasy, ary manokana fotoana ho an’ny ankizy tsirairay. Afaka taona vitsivitsy izahay vao tena nifankazatra daholo. Efa mba milamina izao ny ankamaroan’ny olana.

Marelize: Hitanay hoe tena ilaina ny mihevitra ny ankizy ho zanakay mivady fa tsy hoe misy zanako sy zanany. Tadidiko aho indray mandeha tezitra be satria hitako hoe tsy rariny ny nibedesan’i Anton ny zanako lahy. Nomeny ny toerana teo aloha koa ny zanany vavy rehefa tao anaty fiara izahay. Hitako anefa hoe ny firaisan-kinanay mianakavy no zava-dehibe fa tsy ny hoe iza no hipetraka eo aloha. Miezaka ny tsy hanavakavaka izahay, na dia tsy hitovy mihitsy aza ny fitondrana ny ankizy tsirairay.

Miezaka koa aho mba tsy hitantara ny fotoana nahafinaritra niarahana tamin’ny fianakavianay teo aloha, satria hampangasihasy ny hafa izany. Asehoko kosa hoe tiako ny fiarahanay mianakavy izao.

TENY FIDERANA ALOHA

Efa-taona izay i Francis sy Cecelia no nivady. Manan-janaka telo efa lehibe i Cecelia ary manan-janaka lahy tanora iray i Francis.

Francis: Miezaka ny ho mora hatonina sy tsy ho mora tezitra aho. Miara-misakafo foana izahay ary hararaotinay izany mba hifampiresahana. Asaiko manao raharaha koa ny rehetra satria hahasoa anay mianakavy izany.

Cecelia: Manokana fotoana ho an’ny zanakay tsirairay aho ary mihaino azy ireo mitantara an’izay mampahatahotra sy mahakivy azy. Teny fiderana no ezahinay anombohana ny fivorianay mianakavy. Avy eo izahay vao miresaka momba an’izay azo hatsaraina. Miaiky ny fahadisoako koa aho, ary miala tsiny avy amin’ny fo.

TEZAIN’NY RAIKELY SY RENIKELY

Roapolo taona i Yuki ary tsy nahita ny rainy izy, nanomboka tamin’izy dimy taona. Nanambady an’i Tomonori ny reniny, tatỳ aoriana, nefa maty, tamin’i Yuki folo taona. Nanambady an’i Mihoko i Tomonori raikeliny, dimy taona taorian’izay. Tezain’ny raikely sy renikely àry i Yuki.

Yuki: Rehefa hanambady indray ny raikeliko, dia nieritreritra aho hoe: “Efa niovaova foana ny fiainako, ka tsy mila renikely aho.” Tsy neken’ny saiko mihitsy ilay izy ka niavonavonako ilay vehivavy.

Mihoko: Tsy noteren’ny vadiko hitia an’i Yuki toy ny itiavany azy aho. Nanapa-kevitra ny hiezaka hifandray tsara amin’i Yuki anefa aho. Niezaka mafy izahay mba tsy hiovan’ny fandaharam-potoanany, anisan’izany ny fotoana fanaovana zavatra ara-pivavahana sy hialana voly ary hisakafoana hariva sy hiresadresahana aorian’izay. Lasa azoko kokoa ny fihetseham-pony rehefa noresahiny tamiko izay tsapany amin’ilay izy maty reny.

Nieritreritra be momba an’i Yuki izahay tamin’izaho bevohoka, ka nataonay izay hahatsapany hoe tianay foana izy. Nasainay namahana sy nampandro ary nanolo an’ilay zaza izy, ary noderainay teny imason’ny olona noho ny fanampiany. Miraiki-po aminy i Itsuki kely. Mbola tsy nahay niteny hoe “dada” sy “mama” akory izy dia efa nahay niteny hoe niinii, izany hoe zokilahy.

Yuki: Mahatsiaro ho irery sy voailikilika foana ny ankizy tezain’ny raikely sy renikely. Tsy takatry ny olona mihitsy izany na hazavaina aza. Faly anefa aho fa tena nanampy ahy ny Kristianina namako. Tsy miahiahy an’ilay renikeliko intsony aho izao. Manoro hevitra ahy izy ary teneniko azy daholo izay tsapako.

[Teny notsongaina, pejy 9]

Mahareta fa afaka ny ho sambatra sy hahomby ny fianakaviana misy raikely na renikely