Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nisy Namorona Ve?

Ny Oron’ny Elefanta

Ny Oron’ny Elefanta

● Eo am-panamboarana solon-tanana kinga sy mahavita zavatra betsaka ny mpikaroka. Milaza ny lehiben’ny orinasa mpanamboatra an’ilay fitaovana, fa “mahavita zavatra betsaka lavitra noho izay robot efa namboarina hatramin’izao” ilay tanana vaovao. Inona no nanome hevitra azy ireo? Hoy ilay lehiben’ny orinasa: “Ny oron’ny elefanta.”

Eritrereto izao: Milanja 140 kilao eo ho eo ny oron’ny elefanta, ary voalaza fa io no “rantsana mahavita zavatra be indrindra eto an-tany.” Ahavitany zavatra samihafa izy io satria amin’io izy no miaina, mamantatra fofona, misotro rano, ary mandray zavatra. Azony ampiasaina toy ny trompetra mihitsy aza ny orony ka amoahany feo mankarenin-tsofina.

Tsy izay ihany anefa. Misy tsiratsiraka hozatra 40 000 eo ho eo ao amin’ny oron’ny elefanta, ary izany no ahafahan’ilay izy manao zavatra samihafa. Afaka maka vola madinika kely amin’ny tendron’ny orony ny elefanta. Azony hibatana zavatra hatramin’ny 270 kilao eo ho eo koa ny orony!

Manantena ny mpikaroka fa hahavita fitaovana avo lenta azo ampiasaina ao an-trano sy any amin’ny orinasa, rehefa haka tahaka ny hakingan’ny oron’ny elefanta. Hoy ny mpiasa iray ao amin’ilay orinasa: “Izay isika vao nahavita nanamboatra karazana fitaovana manampy ny olombelona, ka sady ahavitana zavatra tsara ilay izy no tsy mampidi-doza.”

Ahoana ny hevitrao? Nivoatra miandalana ve ny oron’ny elefanta, sa nisy namorona?