Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Te ho Naman’Andriamanitra ve Ianao?

Te ho Naman’Andriamanitra ve Ianao?

Te ho Naman’Andriamanitra ve Ianao?

● Izany no ampianarin’ilay bokikely 32 pejy hoe Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao! Mahaliana ilay lesona hoe “Tian’Andriamanitra ho Namany Ianao” sy ilay hoe “Andriamanitra no Namana Tsara Indrindra.” Natao hanampiana ny mpamaky hahalala ny fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly io bokikely io.

Manazava ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany ilay lesona hoe “Hiaina ao Amin’ny Paradisa Ireo Naman’Andriamanitra.” Tokony ho fantatsika anefa hoe ahoana no tian’Andriamanitra hanompoantsika azy, raha tiantsika ny hiaina ao amin’ilay Paradisa ampanantenain’ny Baiboly. Hanampy anao ho lasa naman’Andriamanitra sy hankasitrahany ireo lesona hoe “Ahoana no Amantarana ny Fivavahana Marina?” sy hoe “Mialà Amin’ny Fivavahan-diso!” Mino izahay fa handray soa ianao rehefa mamaky an’io bokikely io.

Raha te hianatra Baiboly sy hanafatra an’io bokikely io ianao, dia fenoy ilay tapakila eto ambany ary alefaso any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy 5 amin’ity gazety ity.

□ Mba andefaso amin’ilay bokikely aseho eto aho.

□ Mba andefaso olona aho hampianatra Baiboly ahy maimaim-poana atỳ an-tranoko.