Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Titanic Ilay “Sambo Nalaza Indrindra Hatramin’izay”

Titanic Ilay “Sambo Nalaza Indrindra Hatramin’izay”

Titanic Ilay “Sambo Nalaza Indrindra Hatramin’izay”

10 APRILY 1912: Niainga avy tao Southampton, any Angletera, ary ho any New York, any Etazonia.

11 APRILY: Avy naka olona tao Cherbourg, any Frantsa, sy tao Queenstown (Cobh ankehitriny), any Irlandy, ary niroso ho any amin’ny Atlantika.

14 APRILY: Nidona tamin’ny vongan-dranomandry, tamin’ny 11.40 alina teo ho eo.

15 APRILY: Nilentika tamin’ny 2.20 maraina. Olona 1 500 teo ho eo no maty.

SAMBO hoatran’ny ahoana ny Titanic? Inona no nampilentika azy? Mba hahalalana an’izany, dia andao isika hitsidika tranombakoka iray any Ulster, any akaikin’i Belfast, any Irlandy Avaratra.

Inona no mampiavaka ny Titanic?

Nilaza i Michael McCaughan, mpiandraikitra tao amin’ilay tranombakoka, fa ny Titanic no “sambo nalaza indrindra hatramin’izay.” Nisy sambo hafa nitovy taminy anefa. Sambo lehibe telo no namboarina tao amin’ny fanamboaran-tsambo tao Harland sy Wolff, any Belfast, ka ny Titanic no faharoa. * Anisan’ny sambo lehibe indrindra tamin’izany izy. Mirefy 269 metatra ny lavany ary 28 metatra ny sakany.

Te hahazo vahana teo amin’ny fitaterana tany Atlantika Avaratra ny kompaniam-pitaterana an-dranomasina White Star ka nanamboatra sambo lehibe. Tsy naharesy ny sambon’ny Cunard Line mantsy izy, teo amin’ny resaka hafainganam-pandeha. Izany no nahatonga azy hanamboatra sambo lehibe kokoa sy mirenty kokoa, mba hisarihana ny mpanankarena sy olo-malaza.

Noeritreretina hampiasaina amin-javatra hafa koa ny Titanic. Hoy i William Blair, lehiben’ny Tranombako-pirenen’i Irlandy Avaratra: “Efa ho 900 000 isan-taona ny mpifindra monina tonga tany Etazonia, teo anelanelan’ny 1900 sy 1914.” Nampidi-bola be ho an’ireo kompaniam-pitaterana tany amin’ny Atlantika ny fitaterana an’ireny mpifindra monina avy any Eoropa ho any Etazonia ireny, ary nokasaina hampiasaina amin’izany ny Titanic.

Ilay loza

Nahafantatra tsara ny loza ateraky ny ranomandry any Atlantika Avaratra i E. Smith, kapitenin’ny Titanic, satria efa mpamakivaky an’io ranomasimbe io tamin’ny sambo Olympic. Betsaka ny fampitandremana nalefan’ny sambo hafa momba an’ireo ranomandry, nefa tsy noraharahain’ny tao amin’ny Titanic ny sasany tamin’izany na nety ho tsy voarainy.

Tampoka teo dia nahita ranomandry terỳ aloha ny mpitily. Tara loatra anefa ny fampitandreman’izy ireo. Vitan’ny mpanamory ihany ny namily ny lohan’ilay sambo tsy hidona tamin’ilay vongan-dranomandry. Voakasika anefa ny vatan’ny Titanic ka nidiran’ny rano ny efitrefitra maro tany aloha. Vetivety dia hitan’ny Kapiteny Smith hoe tsy maintsy ho rendrika ny sambony. Nitady vonjy izy ka nandefa hafatra maromaro ary nandidy ny hampidinana ny lakan’aina.

Nisy lakan’aina 16 sy sambokely efatra azo aforitra tao amin’ny Titanic. Mahazaka olona 1 170 eo ho eo izany amin’ny fitambarany. Mpandeha sy mpiasa 2 200 teo ho eo anefa no tao amin’ilay sambo. Loza koa fa mbola tsy feno ny maro tamin’ireo lakan’aina dia efa niainga, sady tsy mba nitady an’ireo olon-kafa nety ho azo navotana tao anaty rano akory ny ankamaroan’izy ireo. Olona 705 monja no voavonjy!

Ny fiantraikan’ilay loza

Namoaka lalàna ho fanatsarana ny aro loza ny tompon’andraikitry ny fitaterana an-dranomasina, taorian’iny loza iny. Anisan’izany lalàna izany ny hoe tokony hisy lakan’aina ampy ho an’ny rehetra, ao an-tsambo.

Nihevitra foana ny olona fa nisy triatra ngeza be teo amin’ny vatan’ny Titanic raha vao avy nidona izy, ka izany no nampilentika azy haingana. Niova hevitra anefa ny mpikaroka tamin’ny 1985, rehefa hita tany amin’ny fanambanin’ny ranomasina ilay sambo. Voalazan’izy ireo fa ilay rano mangatsiaka be no nanimba ny vy tamin’ny vatan’ilay sambo ka nampitriatra azy. Tsy ampy adiny telo akory dia nizara roa ilay sambo ary nilentika. Iny no loza ratsy indrindra teo amin’ny tantaran’ny dia an-dranomasina.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Ny Olympic no voalohany ary ny Britannic no fahatelo.

[Sarintany, pejy 14]

(Jereo ny gazety)

Southampton

Cherbourg

Queenstown (Cobh)

Toerana nitrangan’ilay loza

New York

OSEANA ATLANTIKA

[Sary, pejy 12, 13]

Teo am-panamboarana ny “Titanic”

[Sary, pejy 13]

Helisin’ny “Titanic”

[Sary, pejy 13]

Mpiasa nandao ny toerana nanamboarana ny “Titanic” tany Harland sy Wolff, any Irlandy

[Sary, pejy 14]

I E. Smith, kapitenin’ny “Titanic” (ankavanana), sy Herbert McElroy mpanampy azy

[Sary nahazoan-dalana]

© Courtesy CSU Archive/age fotostock

[Sary nahazoan-dalana, pejy 12]

Pejy 12 sy 13: Sarin’ny Titanic niainga tao Southampton sy teo am-panamboarana azy ary ny toerana nanamboarana azy: © National Museums Northern Ireland; helisy: © The Bridgeman Art Library

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

© SZ Photo/Knorr & Hirth/Bridgeman Art Library