Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
‘Sarotra be amin’ny manam-pahaizana momba ny zavamaniry ny mikarokaroka amin’ny boky rehefa hanome anarana zavamaniry vaovao, tamin’ny mbola tsy nisy ordinatera. Betsaka àry ny anarana mitovy.’ Hita izao fa amin’ireo anarana iray tapitrisa eo ho eo, dia ny 477 601, fara fahakeliny, no misy mitovy.—SCIENCE, ETAZONIA.
“Ny 6 isan-jato monja amin’ny Sinoa no mahatsapa hoe sambatra.” Ny 39 isan-jato eo ho eo amin’ireo nanontaniana tamin’ny fanadihadiana iray no mino fa ‘miankina be amin’ny harena ny fahasambarana.’—CHINA DAILY, CHINE.
‘Hita tamin’ny fanadihadiana iray fa “namboamboarina be” ny antontan’isa navoaka mifandray amin’ny heloka bevava, tany Rosia.’ Nampangaina ho mitady “hanatsara ny tena zava-misy momba ny heloka bevava” sy ho mampitombo ny olana lazainy fa voalaminy ireo fikambanana mpampihatra lalàna.—RIA NOVOSTI, ROSIA.
“Ny ampahatelon’ny mpianatry ny oniversite any an-drenivohitr’i Alemaina [Berlin] no mieritreritra ny hanao asa vetaveta [anisan’izany ny fivarotan-tena sy ny dihy mamoafady] mba hitadiavam-bola hiantohana ny fianarany.”—MASOIVOHOM-BAOVAO REUTERS, ALEMAINA.
Manao Metimety fa Hiteraka
Niova ny fomba hampandrenesan’ny reny hoe teraka izy, noho ny teknolojia. Telegrama no nampiasaina taloha, nefa hoy ny ABC, tele amerikanina: “Ny Internet izao no ampiasain’ireo tera-bao mba hilazana an’ilay vaovao mahafaly.” Matetika ilay filazana no ampiarahina amin’ny sarin’ilay zazakely sy ny reniny, izay nalaina taoriana kelin’ny niterahany. Maro àry izao ny vehivavy mikarakara mialoha ny tarehiny sy ny tanany ary ny tongony, alohan’ny hiterahany, satria mieritreritra be momba ny bika aman’endriny. “Mitady mpanao volo hiaraka aminy any amin’ny hopitaly mihitsy aza ny sasany.” Nahoana? Mba ho tsara tarehy rehefa miteraka, hoy i Toni Golen, dokotera miandraikitra ny fiterahana ao amin’ny hopitaly iray any Boston.
Mampiasà Vatana Foana Raha Te ho Salama
Milaza ny mpikaroka fa mahatonga areti-mitaiza ny tsy mihetsika ela be any am-piasana na any am-pianarana na eo anoloan’ny tele. Milaza ny gazety Vancouver Sun fa mihena be ilay anzima mahatonga ny hozatra hitroka sy handevina ny tavy mikoriana any amin’ny ra, rehefa mipetraka ny olona. Milaza koa io gazety io fa tsy ampy ny mampiasa vatana mafy be tsindraindray raha te ho salama. Hoy izy: “Mila fanatanjahan-tena antonontonony sy tsy tapaka isika mba hiasan’ny vatana tsara.”