Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Efitrano Fanjakana 1000 any Malawi

Efitrano Fanjakana 1000 any Malawi

Efitrano Fanjakana 1 000 any Malawi

HOY i Augustine: “Tsy nampoiziko mihitsy hoe hisy an’izany eto Malawi.” Hisy inona? Ny fanorenan’ny Vavolombelon’i Jehovah toeram-pivavahana maro be, izay antsoin’izy ireo hoe Efitrano Fanjakana. Tsy nanana toerana mety mba hivavahana sy hianarana Baiboly ireo Vavolombelon’i Jehovah 30 000 tany Malawi, firenena kely ao Afrika Atsimoatsinanana, tamin’ny 1993.

Hafa mihitsy anefa izao ny zava-mitranga any Malawi. Nahatratra 1 000 ny Efitrano Fanjakana voaorina tany, tamin’ny Septambra 2010, rehefa vita ilay tao Blantyre. * Ahoana no nampisy Vavolombelona 30 000 tany, talohan’ny nanombohan’izy ireo nanorina toeram-pivavahana? Ary ahoana no nahafahan’izy ireo nanorina efitrano 1 000 tao anatin’ny fotoana fohy, nefa izy ireo any amin’ny tany mahantra? Inona no vokatr’ilay fanorenana eo amin’ireo Vavolombelona sy ny mpiara-monina aminy?

Fotoan-tsarotra

Nanomboka nampianatra ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly tany Malawi ny Vavolombelon’i Jehovah (Mpianatra ny Baiboly), taoriana kelin’ny 1900. Efa 17 000 teo ho eo ny Vavolombelona tany, tamin’ny 1967. Toa an’ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany izy ireo ka fantatra ho mpankatò lalàna sy manaja manam-pahefana ary tsy manao politika mihitsy.—Jaona 18:36; Asan’ny Apostoly 5:29.

Nampalahelo anefa fa lasa tsy nifanaraka tamin’ny fanjakana izy ireo noho ny zavatra inoany ao amin’ny Baiboly ka norarana ny asany tamin’ny 1967. Tsy ela dia maro ny Vavolombelona noroahina tsotra izao tamin’ny asany. Nalain’ny olona tsy tan-dalàna na nopotehin’izy ireny ny fananan’ireo Vavolombelona. An’arivony ny Vavolombelona nandositra tany Mozambika sy Zambia, satria nenjehina mafy sady natahotra ny haripaka.

Nihatsara anefa ny toe-javatra niainan’ny Vavolombelon’i Jehovah tany Malawi, tatỳ aoriana. Tafaverina tao amin’ny taniny ny ankamaroan’izy ireo, taoriana kelin’ny 1990. Faly be izy ireo satria tsy voarara intsony ny asany nanomboka tamin’ny 12 Aogositra 1993, izany hoe 26 taona taorian’ilay fandrarana. Nisy olana hafa anefa. Tsy nanana toeram-pivavahana izy ireo nefa niisa 30 000 mahery, izay nozaraina ho fiangonana 583. Inona àry no hevitra?

Tena mifankatia

Nanorina Efitrano Fanjakana tamin’izay vola kely nananany ny Vavolombelona tany, nandritra ny enin-taona voalohany taorian’ny nanesorana an’ilay fandrarana. Tsy mora anefa izany satria tsy naharaka ny fitomboan’izy ireo isan-taona ny isan’ny efitrano. Nampiharina àry ilay toro lalana ao amin’ny 2 Korintianina 8:14, ka izay ambim-bava tany an-tany hafa no ‘namenoana izay tsy ampy’ tany amin’ireo tany toa an’i Malawi, mba “hisian’ny fitoviana.” Nanao fandaharana manokana ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1999, mba hanampiana ny tany mahantra hanorina toeram-pivavahana. Afaka nanorina Efitrano Fanjakana haingana àry ny Vavolombelona tany Malawi, noho io fandaharana feno fitiavana io. *

Tany an-tsekoly sy tany amin’ny toerana vonjimaika na teny ambany hazo mihitsy aza no nivory ireo Vavolombelona tany Malawi taloha. Afaka mivory sy mianatra Baiboly any amin’ny efitrano mendrika sy natokana mba hampandrosoana ny fivavahana marina anefa izao ireo fiangonana 1 230 any. Tena mankasitraka ny fanampian’ny rahalahiny sy anabaviny eran-tany ireo Vavolombelona 75 000 mahery any Malawi.

Inona koa no nahatonga ny Vavolombelona hahavita toeram-pivavahana betsaka tao anatin’ny fotoana fohy? Tsy nitady trano mirenty izy ireo, fa naleony trano tsotra, mihaja, manome voninahitra an’Andriamanitra, ary mety tsara mba hianarana Baiboly.

Nandray soa ny fiangonana

Nesoin’ny olona ny Vavolombelona tany Malawi, taloha, satria hoe tsy manana toeram-pivavahana. Menatra ny Vavolombelona sasany indraindray rehefa manasa olona hivory. Izao anefa izy ireo efa manana Efitrano Fanjakana tsara tarehy. Eritrereto àry ny hafalian’izy ireo rehefa manasa olona hanatrika fivoriana. Faly erỳ, ohatra, ny fiangonana iray fa nisy 698 ny mpanatrika fivoriana tao amin’ny efitranony vaovao!

Maro ny Vavolombelona sy olon-kafa nilaza fa tsy noeritreretiny mihitsy hoe hisy efitrano tsara tarehy ao amin’ny faritra misy azy. Tsaroan’i Augustine, ilay voaresaka teny aloha, ny fiangonana iray nivory teo ambany hazo. Hoy izy: “Nahafinaritra be ilay izy rehefa maina ny andro, fa rehefa avy ny orana, dia loza be mihitsy!” Azonao tsara angamba ny tian’i Augustine holazaina raha efa tratran’ny oram-be tampoka ianao.

Notantarain’i Augustine ny nitsidihany ny Fiangonana Chimwanje. Hoy izy: “Nivory tao amin’ny toerana mitafo bozaka izahay. Tsy fantatray hoe nisy hala be misy poizina nipetraka tao amin’ilay bozaka. Nilatsaka tampoka teo akaikin’ny tongotro ilay biby tamin’izaho nanao lahateny. Nisy mpanatrika nikiakiaka hoe: ‘Hitsaho ry Augustine a! Hitsaho!’ Mazava ho azy fa nohitsahiko ilay izy, matoa aho mbola hitanareo.” Tsy voahelingelina toy izany intsony izao ilay fiangonana satria efa manana efitrano vaovao.

“Sarobidy eo amin’ny fiaraha-monina”

Lasa nidera sy nanaja ny Vavolombelon’i Jehovah ny mpiara-monina aminy sy ny manam-pahefana tany amin’ny toerana maro. Izao no nolazain’ny sasany taminy:

✔ “Nanorina toeram-pivavahana ny Vavolombelon’i Jehovah ary mifankatia sady miray saina. Tena sarobidy eo amin’ny fiaraha-monina izany. Tokony hanahaka azy ireo ny fivavahana hafa.”—Sefom-pokontanin’i Chabwenzi.

✔ “Ny tena mampiaiky ahy aminareo Vavolombelona dia ianareo miray saina. Folo taona izay no nanorenanay ny eglizinay nefa mbola tsy vita foana ilay izy ary tsy hay mihitsy hoe rahoviana vao ho vita. Misaotra anareo nanorina trano tsara tarehy eto aminay.”—Mpiadidy an’i Chigwenembe.

✔ “Mahagaga ny fomba fiasanareo. Tsy maintsy hoe miray saina be ianareo matoa miasa haingana be nefa milamina tsara!”—Sefom-pokontanin’i Chiuzira.

Tena mahavariana ilay fandaharam-panorenana ka nanaitra ny sain’ny mpanoratra ny Diksionera Chichewa/Chinyanja—Anglisy. Hoy ilay diksionera, momba ny Vavolombelona: “Nanorina [Efitrano Fanjakana] maro ny Vavolombelon’i Jehovah.”

“Fahagagana ny nahazoanay an’ity Efitrano Fanjakana ity”

Ny 30 Janoary 2011 no nitokana ny efitranony ny Fiangonana Manyowe, any Blantyre, ilay voaresaka teo aloha. Io no efitrano faha-1 000 naorina tany Malawi. Hoy ny olona iray mivory ao: “Fahagagana ny nahazoanay an’ity Efitrano Fanjakana ity. Hoatran’ny hoe manonofy izahay.”

Hoy koa ny ankizivavy iray mivory ao: “Teo foana aho isan’andro, nandritra ny fanorenana. Tena faly aho fa anisan’ny nanorina ny toeram-pivavahana eto aminay.”

Hoy ny anti-panahy iray: “Tsy nety nanome ny fahazoan-dalana hanorenanay ny efitranonay ny manam-pahefana. Imbetsaka izy ireo no nanda tsy hanao sonia an’ireo fahazoan-dalana. Niezaka mafy nandresy lahatra azy ireo anefa Rtoa Liness Chikaoneka, mpiadidy teto an-toerana.”

Niaraka tamin’ny anti-panahy iray Rtoa Chikaoneka, indray mandeha, mba hangataka sonia. Hoy izy tamin’ilay manam-pahefana: “Tiako hanorina Efitrano Fanjakana ao amin’ny tanàna iadidiako ny Vavolombelona. Olona tsara ry zareo. Izaho mbola tsy nandamina olana misy ifandraisany amin-dry zareo mihitsy.” Nanao sonia an’ilay taratasy ihany ilay manam-pahefana.

Faly be Rtoa Chikaoneka rehefa notokanana ilay Efitrano Fanjakana. Hoy izy: “Faly aho sady mirehareha erỳ noho ity trano tsara tarehy eto amin’ny faritra iadidiako ity.”

Mankasitraka an’ilay fandaharam-panorenana Efitrano Fanjakana ny Vavolombelon’i Jehovah manerana an’i Malawi sy ny mpiara-monina amin’izy ireo. Mahafoy tena sy miasa mafy ireo Vavolombelona ireo ka tsy betsaka toy ny tamin’ny 1993 intsony ny Efitrano Fanjakana ilaina any, ankehitriny. Mbola hila Efitrano Fanjakana foana anefa izy ireo raha mbola mandray ny ‘vaovao tsaran’ny fanjakan’Andriamanitra’ koa ny olona ary misy fiangonana vaovao miforona. (Matio 24:14) Tena ankasitrahan’izy ireo àry ny fanampiana sy fanomezana be dia be avy amin’ny Vavolombelona namany eran-tany. *

I Jehovah Andriamaniny anefa no tena isaoran’ireo Vavolombelona. Mitovy amin’ity fihetseham-pon’ny mpanao salamo ity ny fihetseham-pon’izy ireo: “Ho avy ny firenena rehetra nataonao, ka hiankohoka eo anatrehanao, Jehovah ô, sy hankalaza ny anaranao! Fa lehibe ianao ary manao zava-mahagaga.”—Salamo 86:9, 10.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Efa 1 030 mahery izao ny Efitrano Fanjakana any.

^ Efitrano Fanjakana 23 786 any amin’ny tany mahantra 151 no efa voaorin’ny Vavolombelon’i Jehovah, tamin’ny 1999 ka hatramin’izao.

^ Fanomezana an-tsitrapo daholo no isahanana ny asan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany.

[Sary, pejy 24]

Matetika no toerana mitafo bozaka no nanaovana fivoriana, talohan’ilay fandaharam-panorenana Efitrano Fanjakana

[Sary, pejy 24]

Mivory any amin’ny Efitrano Fanjakana toy ity izao ireo fiangonana