Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fanafihana Hafakely

Fanafihana Hafakely

Fanafihana Hafakely

ERITRERETO hoe misy andian-jiolahy mampiasa Internet mba hibaikoana ordinateran’olona. Lasa mandefa kaody be dia be hamelezana firenena iray ireny ordinatera ireny. Vetivety dia tapaka ny tranonkala ampiasain’ny tafika sy eo amin’ny varotra. Tapaka ny telefaonina, tsy afaka miainga ny fiaramanidina, ary tsy mandeha ny fitaovana mpamoaka vola. Mikatso koa ny ordinatera sy ny fiarovana ao amin’ny orinasa mpikirakira angovo niokleary. Inona no azo atao raha mitranga izany?

Toy ny hoe nitarina be io tantara io. Nilaza anefa i Richard Clarke, niasa tao amin’ny fiarovam-pirenen’i Etazonia, fa mety hitranga ny toy izany. Efa nitranga ny hoe nisy nanova na nanimba ny tambazotra na ordinateran’olona, na zavatra anaty ordinaterany, na zavatra nalefany avy tao. Efa tratran’izany mihitsy aza angamba ianao.

Nahoana no misy olona te hanao zava-dratsy toy izany? Ahoana no fanaovany azy? Ary ahoana no hahavoaro anao rehefa mampiasa Internet?

Ady elektronika

Maro ny antony anafihan’ny olona amin’ny Internet. Mety hiezaka hiditra an-tsokosoko any amin’ny tambazotran’ny fahavalony, ohatra, ny mpampihorohoro na ny fanjakana mba hangalarana tsiambaratelo na hanimbana ny fitaovana ampiasain’ny fahavalony. Niaiky i William Lynn, ao amin’ny fiarovam-pirenen’i Etazonia, tamin’ny 2010, fa imbetsaka ny “fahavalo” vahiny no nanafika sy tafiditra tao amin’ny tambazotra manokana an’ny Amerikanina, ary nangalatra ‘rakitra an’arivony momba ny fitaovam-piadiana sy planin’ny paikady ary firaketana momba ny fanaraha-maso.’—Jereo ilay efajoro hoe  “Zava-nitranga vao Haingana.”

Mitovitovy amin’izany ny ataon’ny olon-dratsy mangalatra fanazavana avy amin’ny tambazotran’orinasa na ordinateran’olona. Voalaza fa mahazo an’arivony tapitrisa dolara isan-taona ny mpisoloky amin’ny Internet.

Mibaiko ordinatera maro be ny olon-dratsy mba hamelezana amin’ny alalan’ny Internet. Nisy andian-jiolahy tratra nanao toy izany, tamin’ny 2009. Nobaikoin’izy ireo avy lavitra ny tambazotra ampiasain’ny ordinatera efa ho roa tapitrisa maneran-tany. An’olon-tsotra ny maro tamin’ireo ordinatera ireo. Nilaza ny Fikambanana Misahana ny Fiaraha-miasa sy ny Fampandrosoana Ara-toe-karena (OCDE), vao haingana, fa ny ampahatelon’ny ordinatera mampiasa Internet no misy mibaiko avy lavitra. Ary ny ordinateranao? Mety hisy hibaiko azy an-tsokosoko koa ve?

Miditra an-tsokosoko

Eritrereto izao: Mametraka programa ao amin’ny Internet ny olon-dratsy iray. Mankany amin’ny fiarovan’ny ordinateranao ilay programa nefa tsy fantatrao akory. Rehefa mahita toerana tsy voaro izy, dia mankany anatiny indrindra amin’ilay ordinatera mba hahazoany an’izay fanazavana ilainy. * Afaka manova na manaisotra rakitra ao ilay programa, avy eo, na mandefa e-mail any amin’ny ordinatera hafa. Azon’ilay programa alefa any amin’ilay olon-dratsy koa ny tenimiafinao, fanazavana momba ny kaontinao any amin’ny banky, na tsiambaratelo hafa.

Vitan’ny olon-dratsy hatramin’ny hoe ianao ihany no manimba ny ordinateranao. Mety ho tratran’izany ianao raha manokatra zavatra toa tsy mampaninona ampiarahina amin’ny e-mail, na manindry rohy (lien) iray, na mandika programa maimaim-poana sy mametraka an’ilay izy ao amin’ny ordinateranao, na mampifandray ny ordinateranao amin’ny fitaovana misy virosy, na miditra ao amin’ny tranonkala mampiahiahy. Mety hampiditra programa manimba ao amin’ny ordinateranao ireo ary hahatonga an’ilay ordinatera ho azo baikoina avy lavitra.

Ahoana no hahalalana hoe misy virosy ny ordinateranao? Sarotsarotra ihany. Mety hiadana be ny fiasan’ilay ordinatera na ny Internet. Mety hisy programa tsy handeha. Mety hisy hafatra hampirisika anao hametraka programa sasany. Mety ho hafahafa be koa ny fomba fiasan’ny ordinateranao. Asaivo jeren’ny teknisianina ny ordinateranao raha mitranga ny iray amin’ireo.

Mandiniha tsara

Hihabetsaka ny fanafihana amin’ny Internet satria mitombo ny olona sy firenena miantehitra amin’ny ordinatera. Maro àry ny firenena miezaka mafy manao andrana isan-karazany satria tiany ho voaro kokoa ny tambazotra sy ordinatera ampiasainy. Hoy anefa i Steven Chabinsky, miasa ao amin’ny Birao Federaly Momba ny Famotorana (FBI), any Etazonia: “Ho tafiditra foana foana ny fahavalo raha tapa-kevitra be, manam-potoana ampy tsara, misy mamatsy, ary tena te hiditra.”

Inona no azonao atao rehefa mampiasa Internet? Marina fa tsy ho voaro tanteraka ianao nefa misy zavatra azonao atao ihany. (Jereo ilay efajoro hoe “Mitandrema!”) Hoy ny Baiboly: ‘Ny malina mandinika ny diany.’ (Ohabolana 14:15) Azo ampiharina tsara izany rehefa mampiasa Internet.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Voalaza fa 45 000 mahery ny zavatra hitan’ny olon-dratsy fa mahatonga ny ordinatera ho mora idirana, tamin’ny 2011. Hararaotiny izy ireny mba hampidirana programa manimba ao amin’ny ordinateran’olona nefa tsy fantatry ny tompony.

[Teny notsongaina, pejy 26]

Mibaiko ordinateran’olona be dia be ny andian-jiolahy

[Teny notsongaina, pejy 27]

Milaza ny OCDE fa ny ampahatelon’ny ordinatera mampiasa Internet no misy mibaiko avy lavitra

[Efajoro, pejy 27]

ZAVA-NITRANGA VAO HAINGANA

  2003: Niparitaka haingana be ny Slammer, izay karazana virosy miparitaka amin’ny alalan’ny Internet, ary nanimba ordinatera 75 000 eo ho eo tao anatin’ny folo minitra. Niadana be ny Internet, simba ny tranonkala maro, nikatso ny fitaovana mpamoaka vola, tsy nisy niasa ny fiaramanidina, ary simba ny ordinatera sy ny fiarovana tao amin’ny orinasa mpikirakira angovo niokleary iray.

2007: Imbetsaka i Estonia no nokendren’ny olon-dratsy mampiasa Internet ary nisy fiantraikany teo amin’ny fanjakana sy ny fampitam-baovao ary ny banky izany. Toy izao no fitrangan’ny ankamaroan’ireo fanafihana: Ordinatera iray tapitrisa mahery any amin’ny firenena 75 no baikoin’ireo olon-dratsy an-tsokosoko, ka ataony miara-mangataka fanazavana be loatra any amin’ireo ordinatera any Estonia.

2010: Tafiditra tao amin’ny ordinatera nampiasaina tao amin’ny orinasa mpikirakira angovo niokleary tany Iran ilay virosy mahery vaika atao hoe Stuxnet.

[Efajoro, pejy 28]

MITANDREMA!

1. Asio programa fiarovana ny ordinateranao ary havaozy tsy tapaka ireo programa ireo.

2. Mieritrereta tsara alohan’ny hanokafana rohy na zavatra anaty e-mail na anaty hafatra tonga eo no ho eo, na dia avy amin’ny namanao aza. Mitandrema, indrindra raha maharay e-mail tsy nampoizinao ianao nefa angatahany ny mombamomba anao na ny tenimiafinao.

3. Aza mandika na manokatra programa tsy fanta-piaviana.

4. Ankoatra ny litera, dia asio tarehimarika sy endri-tsoratra hafa ny tenimiafinao ary ataovy valo, fara fahakeliny, ny fitambaran’izany. Mampiasà tenimiafina samihafa ho an’ny kaonty tsirairay, ary ovao matetika ny tenimiafinao.

5. Tranonkala voaro ihany no ampiasao rehefa hanao raharaham-barotra. *

6. Aza mandefa fanazavana tsiambaratelo momba anao na momba ny kaontinao rehefa mampiasa tambazotra Wi-Fi tsy voaro, ohatra hoe any amin’ny toerana falehan’ny besinimaro.

7. Vonoy ny ordinateranao rehefa tsy ampiasaina.

8. Ataovy kopia foana ny rakitrao ary ampirimo tsara izany.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Voaro ny pejy sokafanao raha misy hoe “https://” eo amin’ny adiresiny ary misy sarina hidin-trano. Voaro no dikan’ilay “s” eo amin’ilay adiresy.

[Sary, pejy 28]

Hamafiso tsara ny fiarovan’ny ordinateranao rehefa mampiasa Internet ianao