Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Hampanjaka ny Rariny ny Fanjakan’Andriamanitra

Hampanjaka ny Rariny ny Fanjakan’Andriamanitra

Hampanjaka ny Rariny ny Fanjakan’Andriamanitra

ASEHON’NY Baiboly fa kely sisa dia hanova an’ity tontolo ity Andriamanitra. Ny Fanjakan’Andriamanitra irery no hitondra ao amin’ilay tontolo vaovao ary i Jesosy Kristy no Mpanjakany. (Apokalypsy 11:15) Ahoana no hanafoanany ny tsy rariny? Zavatra roa no hataony.

1. Hofoanany ny fitondran’olombelona tsy mahavita azy sy anjakan’ny tsy rariny. Hoy ny Daniela 2:44: “Amin’ny andron’ireo mpanjaka ireo [fitondrana], dia hanorina fanjakana tsy ho rava mandrakizay ilay Andriamanitry ny lanitra ... Hotorotoroin’izy io sy hofoanany ireo fanjakana [naorin’olombelona] rehetra ireo, fa izy kosa haharitra mandritra ny fotoana tsy voafetra.”

2. Horinganiny ny ratsy fanahy ary harovany ny olo-marina. Hoy ny Salamo 37:10: “Rehefa afaka kelikely, dia tsy hisy intsony ny ratsy fanahy.” Hoy ny andininy 28: “Tia rariny i Jehovah, ka tsy hahafoy an’izay tsy mivadika aminy. Ho voaro mandritra ny fotoana tsy voafetra izy ireo.”

Ho hitan’ireo olona “tsy mivadika” ireo ny fahatanterahan’ity vavaka nampianarin’i Jesosy ity: “Ho tonga anie ny fanjakanao! Hatao etỳ an-tany anie ny sitraponao, tahaka ny any an-danitra!” (Matio 6:10) Inona no sitrapon’Andriamanitra momba ny tany?

Rehefa hanjaka eto an-tany ny Fanjakan’Andriamanitra, dia...

Tsy hisy intsony ny kolikoly sy ny fampahoriana. Hoy ny Hebreo 1:9 momba an’i Jesosy Kristy: “Tianao ny fahamarinana, fa halanao ny fandikan-dalàna.” Mpitondra tia rariny i Jesosy ka hamonjy “ny mahantra miantso vonjy, mbamin’ny ory sy izay rehetra tsy manan-kamonjy. ... Hanavotra ny ain’izy ireo amin’ny fampahoriana sy ny herisetra izy, ary ho sarobidy aminy ny ran’izy ireo.”—Salamo 72:12-14.

Hahazo sakafo tondraka ny rehetra. “Hahavokatra tokoa ny tany. Hitahy antsika Andriamanitra, eny, ilay Andriamanitsika.” (Salamo 67:6) “Hahavokatra be ny tany, ary na eny an-tampon-tendrombohitra aza dia ho be ny vokatra.” (Salamo 72:16) Nasehon’i Jesosy izay hataony rehefa ho mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra izy. Olona an’arivony no indray nomeny sakafo tamin’ny fomba mahagaga.—Matio 14:15-21; 15:32-38.

Hanjaka ny rariny ary tsy hisy hahasakana izany. “Tsy misy zavaboary izay tsy mibaribary eo [imason’Andriamanitra], fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy miharihary eo imason’ilay hanao ampamoaka antsika.” (Hebreo 4:13) Hoy ny Baiboly momba an’i Kristy: “Tsy hitsara araka izay hitan’ny masony fotsiny izy, na hananatra araka izay ren’ny sofiny, fa araka ny rariny no hitsarany ny mahantra, ary araka ny hitsiny no hananarany ny olona ho tombontsoan’ny mpandefitra eto an-tany.”—Isaia 11:3, 4.

Hanjaka tsy ho ela ilay Fanjakana

Efa akaiky hifarana ity tontolo ity matoa miharatsy be toy izao ny fiainana. Hoy ny Salamo 92:7: “Rehefa mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, ary miroborobo ny mpanao ratsy rehetra, dia midika izany fa ho ringana mandrakizay izy ireo.” Inona no tokony hataonao mba hankasitrahan’Andriamanitra sy harovany? Hoy i Jesosy Kristy: “Koa mba hahazoan’izy ireo fiainana mandrakizay, dia ilainy ny mianatra hahalala anao, ilay hany tena Andriamanitra, sy Jesosy Kristy, ilay nirahinao.”—Jaona 17:3.

Te hahazo an’izany fahalalana sarobidy izany ve ianao? Miresaha àry amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, toy ny nataon’i Heide sy Dorothy ary Firuddin, izay voaresaka tany aloha. Ho faly izy ireo hamaly ny fanontanianao, sady maimaim-poana izany.

[Efajoro/Sary, pejy 9]

NY FIAINANA MIHITSY NO TOA TSY RARINY

Mipetraka any Etazonia i Emily. Hita hoe voan’ny kanseran’ny ra izy, tamin’izy fito taona. Tsy toy ny sery na gripa mpahazo ny namany izany. Mampijaly be sady mitohy foana kosa ny fitsaboana atao aminy, anisan’izany ny fitsaboana simika. Hoy i Emily: “Mampahatahotra be ilay voan’ny kanseran’ny ra!”

Tsy mamoy fo i Emily na dia mafy aza ny mahazo azy. Miandry ny hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra kosa izy, satria amin’izay dia “tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ” (Isaia 33:24) Hoy i Emily: “Ny Marka 12:30 no andinin-teny tiako indrindra, ilay hoe: ‘Tiavo i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.’ Ataon’i Jehovah mahery aho rehefa mivavaka aminy. Misaotra azy aho satria eo ny fianakaviako sy ny mpiara-mivory aminay. Manampy be ahy koa ilay fampanantenana hoe hisy Paradisa ao amin’ny tontolo vaovao.”

[Sary, pejy 8, 9]

Hahazo sakafo tondraka ny rehetra, hanjaka ny rariny, ary tsy hisy fanavakavahana intsony, rehefa hanjaka ny Fanjakan’Andriamanitra