Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manaova ny Rariny

Manaova ny Rariny

Manaova ny Rariny

TIAN’NY Mpamorona ho sambatra sy hiadan-tsaina ary hanao izay hahasambatra ny hafa isika. Asainy “hanao ny rariny” sy ho “tia hatsaram-panahy” àry isika. (Mika 6:8) Ahoana no hanaovantsika an’izany? Misy toetra tokony hananantsika, araka ny asehon’ny Baiboly.

RESEO NY FANIRIANA TSY METY AFA-PO. Ny fitiavana no tena ahafahana mandresy ny faniriana tsy mety afa-po. Tsy fitiavana vokatry ny fihetseham-po fotsiny izy io na fitiavana eo amin’ny lahy sy ny vavy, fa fitiavana tsy misy fitiavan-tena. Milaza ny 1 Korintianina 13:4, 5 fa “tsara fanahy” sy “tsy mitady izay hahasoa ny tenany” ny olona manana an’io fitiavana io. Tsy ny havany sy ny namany fotsiny koa no tiany. Hoy i Jesosy: “Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo, inona no valisoa azonareo?” Nilaza izy avy eo fa na ny olona tsy mahalala an’Andriamanitra aza mba tia an’izay tia azy ireo.—Matio 5:46.

AZA MANAVAKAVAKA INTSONY. Hoy ny Asan’ny Apostoly 10:34, 35: “Tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra, fa amin’ny firenena rehetra, izay olona matahotra azy ka manao ny marina no ankasitrahany.” Tsy miankina amin’ny firazanan’ny olona iray na ny sarangany na ny hoe lahy izy na vavy no hamonjen’Andriamanitra azy. Eo imasony, dia “tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy na vavy.” (Galatianina 3:28) Tsy hanavakavaka intsony isika raha manahaka an’Andriamanitra. Diniho ny tantaran’i Dorothy, any Etazonia.

Tsy tantin’i Dorothy ny nahita olona navakavahana ka te handray anjara tamin’ny tolona ampiasana fitaovam-piadiana izy, mba hanamaivanana ny mainty hoditra. Nanatrika fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah anefa izy, ary gaga be satria samy nandray tsara azy ny mainty sy ny fotsy hoditra. Vetivety dia tsapany hoe Andriamanitra ihany no afaka manova olona. Nilaza izy fa “ho novonoiny avy hatrany [ny fotsy hoditra] mba hitondrana fanovana.” Hitany anefa hoe tena tia azy ny Vavolombelona fotsy hoditra ka “nihetsi-po be” izy ary nigogogogo tsy hay nampanginina.

HEVERO NY HAFA. Mpimamo, mpanevateva, mpanao an-keriny, ary mpiliba ny sasany tamin’ny mpanara-dia an’i Jesosy, tamin’izy ireo mbola tsy Kristianina. Niova anefa izy ireo noho ny fanampian’Andriamanitra ka lasa be fitiavana sy tsara fanahy ary tsara toetra. (1 Korintianina 5:11; 6:9-11; Galatianina 5:22) Olona an-tapitrisany koa ankehitriny no niova ka lasa nanompo an’Andriamanitra. Anisan’izany i Firuddin, any Azerbaïdjan.

Notezaina tao amin’ny trano fitaizana zaza kamboty i Firuddin ary mpiady tamin’ny ankizilahy hafa. Lasa mpampianatra ady izy rehefa lehibe. Hoy izy: “Nasiaka be aho sady nahery setra. Tonga dia nasiako i Zahra vadiko raha nisy zavatra hadinony rehefa nisakafo, na hazokely iray fisokira-nify aza. Tonga dia nasiako koa izay nijerijery azy rehefa niaraka teny an-dalana izahay.”

Gaga i Firuddin rehefa nahalala fa nangataka tamin’Andriamanitra i Jesosy mba hamela ny helok’ireo miaramila namantsika azy. (Lioka 23:34) Nieritreritra izy hoe: ‘Raha tsy Zanak’Andriamanitra tsy hahavita an’izany.’ Te hahafantatra an’Andriamanitra izy taorian’izay. Nasain’ny Vavolombelon’i Jehovah hianatra Baiboly izy ary nanaiky avy hatrany. Vetivety dia nihatsara ny toetrany. Lasa tsara fanahy be tamin’i Zahra izy ka te hianatra Baiboly koa i Zahra. Miara-manompo an’Andriamanitra izao izy mivady.

Marina fa tsy hanova an’izao tontolo izao ny ezaka vitantsika. Ahoana anefa raha mikasa hampanjaka ny rariny eto an-tany Andriamanitra? Izy rahateo mahavita an’izany! Hitantsika tao amin’ny lahatsoratra teo aloha koa fa tanteraka amin’ny an-tsipiriany ny 2 Timoty 3:1-4, izay milaza mialoha ny toetran’ny olona amin’ny androntsika, ary tsy io ihany ny faminanian’ny Baiboly efa tanteraka. Tsy hoe adala àry isika raha mino ny fampanantenan’Andriamanitra hanala ny tsy rariny. Tena hotanterahiny izany. Amin’ny fomba ahoana?

[Efajoro/Sary, pejy 7]

NIKATSAKA NY RARINY I HEIDE

Hoy i Heide, any Etazonia: “Tsy tantiko ny nahita fanavakavaham-bolon-koditra, ady, fahantrana, ary tsy rariny hafa, ka nitady vahaolana aho. Nandray anjara tamin’ireo hetsiky ny mpitaky zo aho ary niditra tamin’ny antoko politika, nefa toa tsy hitako izay vokany.

“Hitako hoe fanovana lehibe kokoa no ilaina, ary hoatran’ny nety ny tolona nataon’ny hippie. Tsy nahomby koa anefa izany. Hitako fa ny firaisana sy ny zava-mahadomelina ary ny hira rock no mahaliana kokoa azy ireo fa tsy ny hitondra fanovana. Kivy be àry aho ka nandraiki-narary. Nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah aho ary nasehony ahy tao amin’ny Baiboly ny fiovana kasain’Andriamanitra hatao. Nasehony ahy, ohatra, ny Apokalypsy 21:3, 4 izay milaza fa hofoanan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra, ny alahelo, ny fitarainana, ary ny fanaintainana. Ireo matetika no vokatry ny tsy rariny. Nieritreritra aho hoe: ‘Dia ho tanteraka tokoa ve izany?’

“Resy lahatra aho rehefa hitako tao amin’ny Soratra Masina hoe mahery sy be fitiavana Andriamanitra ary hitako hoe mifankatia ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy andriko izao izay hahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra.”

[Sary, pejy 6]

Tsy hanavakavaka intsony isika raha manahaka ny fitiavan’Andriamanitra

[Sary, pejy 6]

Firuddin sy Zahra vadiny