Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mankarary Fo ny Tsy Rariny

Mankarary Fo ny Tsy Rariny

Mankarary Fo ny Tsy Rariny

NIGADRA 27 taona tao amin’ny fonjan’i Texas, any Etazonia, i Michael satria nendrikendrehina ho nanolana olona. Nafahana izy tamin’ny 2010, rehefa voaporofo tamin’ny fitsirihana ADN hoe tsy meloka. Mbola tsy nisy an’io karazana fitsirihana io tamin’izy nomelohina. Fantatra, tatỳ aoriana, hoe iza no tompon’andraikitra tamin’ilay heloka bevava nefa tsy azo nomelohina intsony izy ireo satria efa ela loatra no nitrangan’ilay izy.

Maro ny mpanao heloka bevava afa-maina. Izao, ohatra, no lazain’ny gazety Telegrafy (anglisy): “Nitombo avo roa heny ny raharaha tsy voalamina momba ny famonoana olona [atỳ Grande-Bretagne], tato anatin’ny folo taona, ka lasa matahotra ny olona hoe tsy mahavita mandamina ny heloka bevava ny polisy sy ny fitsarana.”

Karazana heloka bevava hafa mihitsy no nezahin’ny polisin’i Angletera nalamina, tamin’ny Aogositra 2011: Rotaka tany Birmingham, Liverpool, Londres, ary tany an-toeran-kafa. Teo koa ny fandoroana fananan’olona, fanimbana varavarankely, fandrobana, ka tsy fivarotana sy trano ary fiara fotsiny no simba fa nisy koa lasa very asa. Maro no nanao izany satria tsy afa-po amin’ny fiainana na niharan’ny tsy rariny. Misy milaza fa mety ho tanora tsy afa-manoatra, “voailikilika”, mahantra, ary tsy manana fanantenana no nanao izany.

Hoy i Joba ao amin’ny Baiboly: “Miantso vonjy aho, nefa tsy mahazo rariny.” (Joba 19:7) Maro koa ankehitriny no mitaky ny rariny nefa matetika izany no tsy misy vokany. Misy mahavita manala ny tsy rariny tokoa ve anefa? Adala ve izay mihevitra fa mbola hanjaka ny rariny? Tsy maintsy mandinika ny antony sasany mahatonga ny tsy rariny isika mba hahazoana valiny mahafa-po.