Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy

Inona no Tsy Ampy eo Amin’io Sary Io?

Vakio ny 1 Tantara 16:1, 2, 4-10. Jereo amin’izay ny sary. Inona no tsy ampy eo? Soraty eo ambany ny valin-teninao ary ampifandraiso ireo teboka mba hamenoana ny sary. Lokoy ny sary avy eo.

1. ․․․․․

2. ․․․․․

3. ․․․․․

[Kisary]

(Jereo ny gazety)

IARAHA-MIDINIKA:

Tian’i Jehovah Andriamanitra ve raha mampiasa hira sy mozika isika rehefa manompo azy? Nahoana?

Vakio ny 2 Tantara 5:13, 14; Efesianina 5:19.

Mahafantatra tantara hafa ao amin’ny Baiboly ve ianao, ahitana hoe nampiasaina tamin’ny fanompoana an’i Jehovah ny hira?

Vakio ny Eksodosy 15:1-20; Marka 14:26; Asan’ny Apostoly 16:25.

Inona no tokony hoeritreretinao mba hahatonga anao hihira ho an’i Jehovah, na dia saro-kenatra aza ianao na mieritreritra hoe mahay mihira kokoa noho ianao ny olon-kafa?

Vakio ny Salamo 33:1-3.

ATAON’NY MPIANAKAVY:

Asaivo mifidy an’izay hira tiany ny tsirairay. Iaraho mianatra ireo hira, mandra-pahaizanareo azy.

Angony ary Ianaro

Hetezo, aforeto, ary tehirizo

KARATRA ARA-BAIBOLY 17 JONA

FANONTANIANA

A. Nirahina hitory tany ․․․․․ i Jona. Nisy mponina ․․․․․ mahery tany.

B. Nandositra i Jona tamin’ny voalohany fa tsy nety nankany amin’ny toerana nanendrena azy. Sahy nanao inona anefa izy mba hamonjena ny olon-kafa?

D. Fenoy ny banga: “Lasa tao an-kibon’ilay trondro i Jona, ...”

[Tabilao]

4026 T.K. Taona 1 98

Noforonina i Adama Niaina tamin’ny 840 Vita ny fanoratana

T.K. tany ho any ny Baiboly

[Sarintany]

Avy tao Gata-hefera no nandositra ho any Tarsisy

Gata-hefera

TARSISY

Ninive

JONA

MOMBA AZY

Mpaminanin’i Jehovah tamin’ny fotoana nanjakan’i Jeroboama II izy. (2 Mpanjaka 14:23-25) Nampianarin’i Jehovah izy mba hihevitra an’izay ilain’ny hafa fa tsy hifantoka loatra amin’ny tenany. (Jona 4:6-11) Hita avy amin’ny tantaran’i Jona fa tena manam-paharetana sy be famindram-po i Jehovah ary tsara fanahy amin’ny olombelona mpanota.

VALINY

A. Ninive, 120 000.—Jona 1:1, 2; 4:11.

B. Nasainy nanipy azy tao an-dranomasina ireo tantsambo, mba hampitony ny ranomasina.—Jona 1:3, 9-16.

D. “... telo andro sy telo alina.”—Jona 1:17.

Olona sy Tany

4. Melissa sy Edilo no anaranay, 9 taona sy 7 taona izahay, ary mipetraka atỳ Cuba. Firy eo ho eo ny Vavolombelon’i Jehovah atỳ Cuba: 51 000, sa 91 000, sa 131 000?

5. Aiza amin’ireo teboka ireo no mampiseho ny atỳ aminay? Ataovy anaty boribory izany. Asio teboka eo amin’izay misy anao, ary jereo ny elanelan’ny misy anao sy Cuba.

A

B

D

E

Ho An’ny Ankizy

Tadiavo ato amin’ity gazety ity ireo sary ireo. Lazao amin’ny fomba fiteninao izay mitranga eo amin’ny sary tsirairay.

Raha te hanao pirinty an’ireo “Natao Hodinihin’ny Mpianakavy” ianao, dia jereo ireo Mifohaza! ao amin’ny www.pr418.com

● Any amin’ny pejy 14 ny valin’ny “NATAO HODINIHIN’NY MPIANAKAVY”

VALIN’NY PEJY 30 SY 31

1. Tranolay mandrakotra ny Vata Masina.

2. Harpa.

3. Trompetra.

4. 91 000.

5. D