“Oay Izany Orona!”
“Oay Izany Orona!”
IZANY matetika no lazain’ny olona raha vao mahita gidro lava orona, amin’izato orony be mikirazorazo. * Mahatratra 18 santimetatra ny halavan’ny oron’ny gidro lahy sasany, izany hoe ampahefatry ny vatany eo ho eo. Mikirazorazo eo amin’ny vavany sy ny saokany ny orony, ka tsy maintsy ingainy izany rehefa hisakafo izy. Ho tonga hatreny amin’ny tratranao ny oronao, raha ampahefatry ny vatanao koa ny halavany.
Inona no ilany an’ilay orony lava be? * Samy manana ny heviny ny mpikaroka. Misy milaza fa mankao amin’ny orony ny hafanana mihoatra ao amin’ny vatany. Ao koa ny milaza fa mampanako ny feon’ilay gidro ny orony, na ampiasainy hampitahorana ny gidro lahy hafa. Mivonto sy mivoaramena tokoa ny oron’ny gidro lahy rehefa tezitra izy na mientanentana. Mety ho ny orony koa no hanintonany ny gidro vavy. Azo inoana anefa fa maro no ilany ny orony, ary mbola zara raha fantatsika ny momba an’izany.
Be kibo
Be kibo hafahafa koa ilay gidro, na ny lahy na ny vavy. Mety hahatratra ampahefatry ny lanjany ny vavoniny. Hoatran’ny hoe bevohoka foana àry na ny lahy na ny vavy. Fa inona no mahabe kibo azy?
Feno fangaron-javamaniry mandranoka sy bakteria ny vavonin’io gidro io, hoatran’ny an’ny omby. Ilay bakteria no manova ny sakafony ho zavatra hafa sy mamotika ny zavatra
tsy zakany, toy ny poizina izay mahafaty ny biby hafa. Izany no mahatonga azy ho velona foana na dia tsy mihinana afa-tsy ravinkazo, voankazo tsy mamy, voam-palmie, ary voan-javamaniry hafa aza. Tsy ho velona amin’izany ny gidro manana vavony hafa.Misy maharatsy ny vavoniny anefa. Tsy maintsy mifady voankazo mamy izy satria vetivety dia miova ho zavatra hafa izy ireny. Mampibontsina be loatra ny kibony izany, ka mety hankarary mafy sy hahafaty azy.
Elaela io gidro io vao mahalevon-kanina, noho ny sakafony sy ilay vavoniny hafakely. Matoritory àry izy rehefa avy misakafo be amin’ny maraina, ary mety haharitra ora maromaro izany. Misakafo indray izy avy eo.
Tia miaraka
Miaraka maromaro foana ny gidro lava orona, na misakafo na matoritory. Gidro lahy iray miaraka amin’ny gidro vavy valo eo ho eo, miampy ny zanany, no ao amin’ny andiany iray. Roahin’izy ireo ny zanany lahy rehefa lehibebe. Lasa miaraka amin’ny andiana gidro lahy tanora izy ireny, ary misy gidro lahy iray na roa efa lehibe kokoa ao amin’ilay andiany. Mety hihevitra ny olona tsy zatra mahita azy ireny fa andiana gidro misy vavy ihany izy ireny.
Miavaka ny gidro lava orona satria matetika no mifangaroharo ny andiany samihafa, indrindra rehefa harivariva eny amoron-drano. Manao fihetsiketsehana hampisehoana ny heriny ny lahy, amin’ireny fotoana ireny, raha hitany hoe misy lahy hafa mitady haka ny vadiny. Matetika ilay gidro lahy, milanja 20 kilao eo ho eo, no mijoro amin’ny tongony efatra sady mitanatana vava sy mivandravandra amin’ny rafilahiny. Hoy ny boky Gidro Lava Orona any Bornéo (anglisy): “Raha tsy mahomby izany, dia mianika hazo tampoka izy ary mifindrafindra hazo. Mazàna no mibetroka be izy rehefa manao izany. Matetika izy no lasa eny amin’ny sampan-kazo maina ary tapaka izany ka vao mainka mitombo ny tabataba.” Mahalana vao miady izy ireo.
Hoy ihany ilay boky: “Tsy ny paozin’ny gidro lava orona ihany no hafahafa fa ny karazana feo avoakany koa.” Mitrona ilay gidro ary mierona sy mikiakiaka, indrindra rehefa miaraka eny amoron-drano amin’ny takariva. Tsy taitra mihitsy ny vavy amin’izany tabataba be izany fa ilaozany mampinono sy mikarakara ny zanany manga tarehy kely. Matory eny amin’izay toerana ahazoany aina izy ireo amin’ny alina. Matetika izany no eny amin’ny hazo avoavo eny amoron-drano.
Miraikitra ny rantsan-tongony!
Tsy ny orony ihany no maha hafahafa an’ilay gidro fa ny rantsan-tongony koa, izay somary miraikitra. Afaka milomano tsara àry
izy sady mahay mandeha eny amin’ny fotaky ny ala honko. Ny voay no mety ho tonga ao an-tsaina raha vao miresaka ala honko. Feno voay tokoa any amin’ny toerana onenan’ny gidro lava orona. Ahoana àry no ataon’io gidro io mba tsy ho lanin’ny voay?Miditra tsimoramora ao anaty rano, ohatra, izy ireo rehefa hiampita rano. Milahatra manao tsikarok’alika izy ireo ka zara raha mihetsika ny rano. Fomba hafa kosa no ampiasainy raha kely ny velaran’ny renirano. Mianika hazo avo izy, maka bahana, ary mitsoraka be avy eny ambony sampan-kazo, izay angamba sivy metatra any ambonin’ny rano. Ny kibony no mitontona ao anaty rano ary milomano faran’izay haingana izy mandra-pahatongany eny an-tanety. Na ny vavy mitondra ny zanany aza manao toy izany koa. Andiany iray manontolo indraindray no miara-mitsoraka ao anaty rano ary milomano haingana mankeny ampita. Tsy ny voay anefa no tena fahavalony.
Atahorana ho lany tamingana
Voasokajy ho anisan’ny biby atahorana ho lany tamingana ny gidro lava orona. Arivo eo ho eo sisa izy ireo any an’ala sady mihavitsy foana, noho ny ataon’ny olombelona. Mandoro tanety, ohatra, ny olona, mitrandraka ala, manimba ala mba hambolena palmie, ary tsy miraharaha rehefa mizaha tany. Eo koa ny mpihaza, izay mamono azy ireo noho ny fanatanjahan-tena fotsiny, na mba hatao sakafo, na hatao fanafody. Mora samborina ireo gidro satria matetika no matory eny ambonin’ny hazo amoron-drano. Nihena 50 isan-jato ny isan’izy ireo tao anatin’ny dimy taona, tany amin’ny faritra iray falehan’ny mpihaza mandeha vedety.
Miezaka mampahafantatra ny manjo ny gidro lava orana ny mpiaro ny tontolo iainana ary misy lalàna miaro an’ilay gidro, any Bornéo. Ho hita eo ihany raha haharo azy ireo izany. Ho loza raha sanatria ka tsy hisy any an’ala intsony io gidro io, satria mbola mianatra momba azy ny mpikaroka. Toa tsy mety aminy koa ny atao anaty fefy.
Iray monja amin’ireo biby maro atahorana ho lany tamingana ny gidro lava orona. Karazam-biby maro no efa ripaka. Soa ihany fa mikasa hifehy ny tany Andriamanitra ka hanala ny ratsy fanahy sy hampianatra ny olony hikarakara ny tany. (Ohabolana 2:21, 22) Mampanantena i Jehovah Andriamanitra hoe: “Tsy handratra na hanimba eran’ny tendrombohitro masina izy ireo, satria ho feno fahalalana an’i Jehovah ny tany, toy ny anaronan’ny rano ny fanambanin’ny ranomasina.”—Isaia 11:9.
[Fanamarihana ambany pejy]
^ Any Bornéo no misy ny gidro lava orona. Antsoin’ny mponina any hoe orang belanda na “Holandey” izy ireny.
^ Be orona koa ny vavy saingy tsy lehibe hoatran’ny an’ny lahy.
[Sary, pejy 12]
Lava orona sy be kibo ilay gidro
[Sary nahazoan-dalana]
© Peter Lilja/age fotostock
[Sary, pejy 13]
Mikirazorazo eo amin’ny vavany ny oron’ny gidro lahy, ka ingainy rehefa hisakafo izy
[Sary nahazoan-dalana]
© Juniors Bildarchiv/Alamy
[Sary, pejy 14]
Miaraka maromaro foana ny gidro lava orona, na misakafo na matoritory
[Sary nahazoan-dalana]
© Peter Lilja/age fotostock