Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 1

Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 1

Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 1

“Hataoko Misy Firenena Lehibe avy Aminao”

Mampiavaka ny Baiboly ny faminaniana ao anatiny. Hiresaka momba izany ny “Mifohaza!” ato amin’ity andian-dahatsoratra misy fizarana valo ity. Hovaliana amin’izany ny hoe: Olona nahay be fotsiny ve ireo mpanoratra ny faminaniana ao amin’ny Baiboly sa olona nahazo fanahy masina avy amin’Andriamanitra? Asaina ianao handinika ny zava-misy.

TSY matoky olona sy fatra-piahiahy ny hafa ny olona ankehitriny, ary izany koa no ataony amin’ny Baiboly. Mampalahelo fa maro no tsy naka fotoana handinihana tsara azy io akory, fa mino izay tenenin’ny olona fotsiny. Enga anie ianao ka tsy ho toy izany. Asainay ianao handinika an’izay nitranga taloha mba hahitana hoe marina ny voalazan’ny Baiboly.

Handinika ny tantaran’ny lehilahy iray mbola hajain’ny Kristianina sy Jiosy ary Silamo isika. Abrahama * no anarany, Hebreo izy, ary niaina tamin’ny 2018 T.K. * ka hatramin’ny 1843 T.K.

Momba an’i Abrahama ny sasany amin’ny faminaniana voalohandohany ao amin’ny Baiboly, ary mahakasika antsika ankehitriny koa. (Jereo ilay efajoro hoe  “Fitahiana ho An’ny ‘Firenena Rehetra.’ ”) Asehon’ny bokin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly fa anisan’ireny faminaniana ireny ireto: 1) Ho lasa firenena lehibe ny taranak’i Abrahama. 2) Ho andevo any an-tanin’olona aloha izy ireo. 3) Hafahana izy ireo ary ho lasany ny tany Kanana. Andao hodinihintsika amin’ny an-tsipiriany ireo.

Faminaniana telo lehibe

Faminaniana 1: “Hataoko misy firenena lehibe avy aminao [Abrahama].”—Genesisy 12:2.

Fahatanterahany: Ny taranak’i Abrahama avy tamin’i Isaka sy Jakoba (na Israely) no lasa firenen’Israely fahiny, izay fanjakana nahaleo tena nanana ny mpanjakany.

Inona no asehon’ny tantara?

● Resahin’ny Baiboly ny tsipiriany sasany amin’ny tetirazan’i Abrahama, anisan’izany ny taranany avy amin’i Isaka sy Jakoba ary ny zanakalahin’i Jakoba 12. Hita ao amin’ilay tetirazana koa ireo mpanjaka maro nanjaka tao Israely na Joda. Tononin’ny boky tsy ara-baiboly ny 17 amin’ireo mpanjaka ireo. Mifanaraka tsara amin’izany ilay tantarain’ny Baiboly hoe lasa firenena ny taranak’i Abrahama avy tamin’i Isaka sy Jakoba. *

Faminaniana 2: “Ho vahiny honina any amin’ny tany tsy azy ny taranakao [Abrahama]. Ary tsy maintsy hanompo ny olona any izy ireo. ... Fa amin’ny andron’ny zafiafiny [izany hoe taranaka fahefatra] kosa izy ireo vao hiverina eto.”—Genesisy 15:13, 16.

Fahatanterahany: Nisy mosary tany Kanana ka nifindra tany Ejipta ny sasany tamin’ny taranak’i Abrahama ary tamin’ny andron’ny zafiafin’ireo taranany ireo vao niala tany izy ireo. Mpivahiny izy ireo tamin’ny voalohany fa lasa andevo mpanao biriky tamin’ny tanimanga sy mololo, tatỳ aoriana. Taranak’i Abrahama nifindra tany, ohatra, i Levy, zafiafiny, niaraka tamin’ny rainy efa antitra. Ireto ny taranaka efatra nifanarakaraka avy teo amin’i Levy: 1) Levy, 2) Kehata zanany, 3) Amrama zafikeliny, ary 4) Mosesy zafiafiny. (Eksodosy 6:16, 18, 20) I Mosesy no nitarika ny Israelita hiala tany Ejipta, tamin’ny 1513 T.K.—Jereo ireo  taona miavaka eto ambany sy ilay efajoro hoe  “Daty Marina Tsara.”

Inona no asehon’ny tantara?

● Milaza i James Hoffmeier, manam-pahaizana momba ny Testamenta Taloha sy ny Arkeolojia, fa asehon’ny asa soratra ejipsianina sy ny zavatra hita tany ambanin’ny tany hoe navela hiditra tany Ejipta niaraka tamin’ny bibiny ny taranak’i Sema (anisan’izany ny Hebreo fahiny), nandritra ny mosary. Lasa andevo tany tokoa ve anefa ny Israelita ka nasaina nanao biriky?

● Asehon’ny horonana sy ny sary teny amin’ny fasan’ny Ejipsianina fa nasain’izy ireo nanao biriky tamin’ny tanimanga sy mololo ny vahiny, na dia tsy notononiny mivantana aza ny hoe Israelita. Asehon’ny firaketana ejipsianina koa fa nandrakitra an-tsoratra ny isan’ny biriky vita ny lehiben’ny mpiasa, ary mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly izany. (Eksodosy 5:14, 19) Hoy i Hoffmeier: ‘Hamafisin’ny firaketana ejipsianina fa nampanaovina asa an-terivozona ny vahiny, tokotokony ho tamin’ny fotoana nampahorina ny Israelita. Toa marina àry ilay hoe nankany Ejipta ny Hebreo nandritra ny mosary ary lasa andevo tany.’

Faminaniana 3: ‘Homeko ny taranakao ny tany Kanana manontolo.’—Genesisy 17:8.

Fahatanterahany: Nitondra ny firenen’Israely nivoaka avy tany Ejipta i Mosesy, fa i Josoa zanak’i Nona no nitarika azy ireo hiditra tao amin’ny tany Kanana, tamin’ny 1473 T.K.

Inona no asehon’ny tantara?

● Milaza i K. Kitchen, manam-pahaizana momba an’i Ejipta, fa “nankany Kanana sy nipetraka tany tokoa ny Israelita”, na dia tsy mitovy aza ny daty lazain’ny mpikaroka hoe nitrangan’izany.

● Milaza ny Baiboly fa ‘nodoran’i Josoa i Hazora’, tanànan’ny Kananita. (Josoa 11:10, 11) Nahita tempoly telo rava tanteraka ny mpikaroka, tao amin’ny sisa tavela amin’io tanàna io. Nahita porofo koa izy ireo hoe nodorana ilay tanàna tamin’ny taonjato faha-15 T.K. Mifanaraka amin’ny voalazan’ny Baiboly izany.

● Tanàna kananita mahaliana antsika koa i Gibeona, izay sivy kilaometatra eo ho eo avy eo Jerosalema. Hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany ny nisy an’i Gibeona, rehefa nahita tahona siny 30 teo ho eo nisy ny anaran’ilay tanàna izy ireo. Niezaka nihavana tamin’i Josoa ny Gibeonita fa tsy toy ny mponin’i Hazora. Nataon’i Josoa “mpantsaka rano” izy ireo. (Josoa 9:3-7, 23) Nahoana? Asehon’ny 2 Samoela 2:13 sy ny Jeremia 41:12 fa be rano tany Gibeona. Mifanaraka amin’ny Baiboly àry ity voalazan’ny Dikan-teny Vaovao Iraisam-pirenena (anglisy) ity: “Be rano any Gibeona ary izany no tena mampiavaka azy. Misy loharano lehibe iray sy loharano kely fito any.”

● Misy boky hafa ankoatra ny Baiboly manaporofo fa tena nisy ny olona maromaro resahin’ny Baiboly. Anisan’ireny ireo mpanjaka 17 voaresaka tany aloha, izay taranak’i Abrahama nanjaka tany Israely na Joda, ohatra hoe i Ahaba, Ahaza, Davida, Hezekia, Manase, ary Ozia. Porofoin’ny fisian’ireo tarana-mpanjaka ireo fa nisy firenena atao hoe Israely, tonga tany Kanana sy nipetraka tany.

● Nahita ny Tsangambaton’i Merneptah tany Thèbes, any Ejipta, ny mpikaroka tamin’ny 1896. Hita ao ny fireharehan’i Farao Merneptah tamin’ny nandreseny an’i Kanana tamin’ny 1210 T.K. tany ho any. Io no loharanon-kevitra tsy ara-baiboly voalohany manonona an’i Israely, ka vao mainka voaporofo fa nisy io firenena io.

Tena ilaina ireo tsipiriany

Hitantsika fa manome tsipiriany voafaritra momba ny olona sy ny toerana ary ny zava-nitranga tantarainy ny Baiboly. Vao mainka hitantsika hoe tanteraka tokoa ny faminanian’ny Baiboly rehefa ampitahaintsika amin’ny boky tsy ara-baiboly ireny tsipiriany ireny. Asehon’ny zava-nitranga tamin’i Abrahama sy ny taranany, ohatra, fa tanteraka ny fampanantenan’Andriamanitra. Lasa firenena ny taranak’i Abrahama, andevo tany Ejipta izy ireo, ary lasany ny tany Kanana tatỳ aoriana. Mampahatsiahy antsika ny tenin’i Petera mpanoratra Baiboly izany. Niaiky izy hoe: “Tsy avy tamin’ny sitrapon’olombelona na oviana na oviana ny faminaniana, fa avy tamin’Andriamanitra kosa no nitenenan’ny olona, araka izay nitarihan’ny fanahy masina azy.”—2 Petera 1:21.

Niova be ny zava-nitranga tao amin’io firenena io, taona maro taorian’ny nahazoan’izy ireo ny tany Kanana. Nisy vokany tena ratsy izany. Efa voalazan’ny Baiboly mialoha koa izany, araka ny ho hitantsika ao amin’ny laharana manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ “Talohan’i Kristy” no dikan’ny hoe “T.K.”

^ Abrama no anarany tamin’ny voalohany.

^ Jereo ny 1 Tantara 1:27-34; 2:1-15; 3:1-24. Nizara roa ny firenen’Israely tamin’ny andro nanjakan’i Rehoboama, zanak’i Solomona Mpanjaka. Lasa nisy fanjakana àry tany avaratra sy tany atsimo, ary samy nanana ny mpanjakany izy ireo.—1 Mpanjaka 12:1-24.

[Efajoro, pejy 17]

 FITAHIANA HO AN’NY “FIRENENA REHETRA”

Nampanantena Andriamanitra fa hanao izay hahazoany fitahiana amin’ny alalan’ny taranak’i Abrahama ny “firenena rehetra.” (Genesisy 22:18) Mba hipoiran’ny Mesia no antony voalohany nanaovan’Andriamanitra ny taranak’i Abrahama ho firenena. Ilay Mesia mantsy no hanome ny ainy ho an’ny olombelona rehetra. * Mahakasika anao àry ilay fampanantenan’Andriamanitra nataony tamin’i Abrahama. Hoy ny Jaona 3:16: “Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany lahitokana mba tsy ho ringana izay rehetra maneho finoana azy, fa hanana fiainana mandrakizay.”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Hodinihina any amin’ny Fizarana 3 sy 4 amin’ity andian-dahatsoratra ity ny faminaniana mifandray amin’ny Mesia.

[Efajoro, pejy 17]

 DATY MARINA TSARA

Marina tsara ny fotoana resahin’ny Baiboly ary tena ilaina izany. Resahin’ny 1 Mpanjaka 6:1, ohatra, hoe oviana i Solomona Mpanjaka no nanomboka nanorina ny tempolin’i Jerosalema. Izao no voalaza ao: “Tamin’ny taona fahavalopolo sy efajato [479 taona feno] taorian’ny nivoahan’ny zanak’Israely avy tany Ejipta, eny, tamin’ny taona fahefatra nanjakan’i Solomona teo amin’ny Israely, tamin’ny volana Ziva, izany hoe tamin’ny volana faharoa, dia nanorina trano ho an’i Jehovah i Solomona.”

Tamin’ny 1034 T.K. ny taona fahefatra nanjakan’i Solomona, araka ny famaritan’ny Baiboly ireo daty manan-tantara. Raha miverina 479 taona avy eo amin’io taona io isika, dia ho tonga eo amin’ny 1513 T.K., taona nialan’ny Israelita tany Ejipta.

[Efajoro, pejy 18]

TENA NISY I ABRAHAMA

● Nahitana anaran-tanàna mitovy amin’ny anaran’ny havan’i Abrahama ny takelaka tanimanga tamin’ny taonjato faha-18 T.K. Anisan’izany tanàna izany i Palega, Seroga, Nahora, Tera, ary Harana.—Genesisy 11:17-32.

● Voalazan’ny Genesisy 11:31 fa niala avy tany “Oran’ny Kaldeanina” i Abrahama mianakavy. Tany amin’ny faritra atsimoatsinanan’i Irak no nahitana ny sisa tavela amin’i Ora. Milaza koa ny Baiboly fa maty tao Harana i Tera rain’i Abrahama ary maty tao Hebrona i Saraha vadin’i Abrahama. Mety ho teo amin’ny faritra misy an’i Torkia ankehitriny i Harana. Anisan’ny tanàna tranainy indrindra mbola misy mipetraka kosa i Hebrona, izay any akaikikaikin’i Israely.—Genesisy 11:32; 23:2.

[Tabilao/Sary, pejy 16, 17]

(Jereo ny gazety)

 TAONA MIAVAKA HO AN’NY TARANAK’I ABRAHAMA SY NY FIFINDRAN’NY ISRAELITA

(T.K.)

1843 Maty i Abrahama

Taranaka efatra avy

amin’ny taranak’i Abrahama

Levy

1728 Nifindra tany

Ejipta ry Jakoba

1711 Maty i Jakoba Kehata

1657 Maty i Josefa Amrama

1593 Teraka i Mosesy Mosesy

1513 Nitarika ny Israelita

niala tao Ejipta

i Mosesy

1473 Maty i Mosesy.

Nitarika ny Israelita

hiditra an’i Kanana

i Josoa

Andron’ny Mpitsara

1117 Nohosorana ho

mpanjaka i Saoly

1107 Teraka i Davida

1070 Lasa mpanjakan’ny

Israely i Davida

1034 Nanomboka nanorina

ny tempoly i Solomona

[Sary pejy 17]

Misy soratra hoe “Tranon’i Davida” ity tsangambato ity, ary iray amin’ireo manonona anarana mpanjaka, izay taranak’i Abrahama sady nanjaka tany Israely na Joda

[Sary nahazoan-dalana]

© Israel Museum, Jerusalem/The Bridgeman Art Library International