Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Topy Maso Eran-tany

Navoaka tany New York ny lalàna mandrara ny fifohana sigara eny amoron-dranomasina sy eny amin’ny zaridainam-panjakana ary eny amin’ny toerana be fivarotana. Ampandoavina lamandy 50 dolara isaky ny tratra izay mandika an’izany lalàna izany. Manantena ny fanjakana fa hanaja an’izany ny olona.—THE WALL STREET JOURNAL, ETAZONIA.

“Mihabetsaka izao, any Inde, ny reny manala zaza raha vavy ilay izy, indrindra raha manarakaraka ny vavimatoa.” Raha zazavavy 906 isaky ny zazalahy 1 000 no teraka tamin’ny 1990, teo amin’ireo fianakaviana efa manan-janaka vavimatoa, dia nidina ho 836 izany tamin’ny 2005.—THE LANCET, GRANDE-BRETAGNE.

Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana fa “mety hahavoan’ny kansera” ilay karazana onja “toy ny avoakan’ny fitaovam-pifandraisana tsy misy tariby.”—FIKAMBANANA IRAISAM-PIRENENA MIKAROKA MOMBA NY KANSERA, FRANTSA.

Fongotra ny pestan’omby ka nankalaza izany ny Firenena Mikambana. Io no ‘aretim-biby voalohany fongotra tanteraka noho ny ezaka nataon’ny olombelona. Io koa no aretina faharoa fongotra taorian’ny nendra mpahazo ny olombelona.’—SAMPAN-DRAHARAHAN’NY FIRENENA MIKAMBANA MOMBA NY SAKAFO SY NY FAMBOLENA, ITALIA.

Miomana ho Amin’ny Loza Lehibe

Izao no lohatenin’ny lahatsoratra iray tao amin’ny New York Times: “Bokin-dalàna ho An’ny Fara Andron’i New York.” Lazainy ao hoe misy bokim-panjakana navoaka mba hanampiana ny mpitsara sy ny mpisolovava handamina an’izay olana mety hipoitra mifandray amin’ny lalàna, raha sanatria “misy asa fampihorohoroana, na fiparitahan’ny taratra, na fielezan’ny aretina na zavatra simika.” Ny fikambanan’ny mpahay lalàna no namoaka an’io boky io. Hita ao ny lisitry ny lalàna mifandray amin’ny olana toy ny fanokanan-toerana, famindrana olona tambabe, fanaovana savahao tsy misy fahazoan-dalana, famonoana biby misy aretina, ary fampiatoana lalàna.

Inona no ao Anaty Ondanao?

Milaza i Art Tucker, lehiben’ny mpahay siansa ao amin’ny Hopitaly St. Barts, any Londres fa mety ho “zavatra mahatsiravina be” no ao anatin’ny fonon’ondana madio. Miresaka ny voka-pikarohan’io mpahay siansa io ny gazety The Times ka nilaza fa “bibikely mbola velona sy efa maty, taim-bibikely, hoditra maina, ary bakteria” ny ampahatelony mahery amin’ny ondana nampiasaina roa taona. Ny ondana no tena itoeran’ny mikraoba sy bibikely. Inona àry no azo atao? Hoy ny Times: ‘Maina ny bibikely ary maty rehefa tratran’ny masoandro. Mbola miaro amin’ny bibikely àry ilay fanao hoe avoaka eny ivelany ny kidoro sy ny ondana mba ho azon-drivotra.’ Tsy mahafaty an’ilay bibikely ny savony. Ho faty kosa izy ireo ary ho afaka ny ankamaroany, raha sasana amin’ny rano mahamay 60 degre mahery ny ondana.