Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

‘Tsy Hitamberina ao Am-po Intsony ny Zavatra Taloha’

‘Tsy Hitamberina ao Am-po Intsony ny Zavatra Taloha’

‘Tsy Hitamberina ao Am-po Intsony ny Zavatra Taloha’

Nolazain’ny Mpamorona ny zavatra hataony tsy ho ela. Hoy izy:

“Hamorona lanitra vaovao sy tany vaovao aho. Dia tsy hotsarovana intsony, na hitamberina ao am-po, ny zavatra taloha.”—ISAIA 65:17.

Inona ireo “zavatra taloha” izay ‘tsy hitamberina ao am-po intsony’? Ny tsy rariny, aretina, fijaliana ary ny loza hafa mampahory ny olombelona, raha araka ny teny manodidina. Ahoana no hanafoanana an’ireo? Amin’ny alalan’ny “lanitra vaovao sy tany vaovao” nambara mialoha.

Hanazava ny hevitr’ireo teny ireo ilay lahateny ho an’ny besinimaro hoe ‘Tsy Hitamberina ao Am-po Intsony ny Zavatra Taloha.’ Handre izany ianao any amin’ny Fivoriamben’ny Vondrom-paritry ny Vavolombelon’i Jehovah hoe “Arovy ny Fonao!” Hatao maneran-tany izy io, ary amin’ny Jolay no hanomboka ny eto Madagasikara.

Faly izahay manasa anao hanatrika ny fivoriambe akaiky anao. Anontanio amin’ny Vavolombelon’i Jehovah eny akaikinareo ny mombamomba an’izany, na manorata amin’ny mpampanonta an’ity gazety ity. Hita ao amin’ny www.pr418.com ny lisitry ny toerana hanaovana an’ilay fivoriambe.