Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

2. Tandrovy ny Fahadiovana

2. Tandrovy ny Fahadiovana

2. Tandrovy ny Fahadiovana

DIOVIN’NY dokotera mpandidy ny tanany sy ny fitaovana ampiasainy ary ny efitra fandidiany, mba hiarovany ny marary. Miaro ny vady aman-janakao koa ianao raha madio foana sady manadio ny lakozia sy ny sakafo karakarainao.

Sasao ny tanana.

Milaza ny Fikambanana Misahana ny Fahasalamam-bahoaka any Kanada fa “ny tanana no manaparitaka ny 80 isan-jato eo ho eo amin’ny areti-mifindra, toy ny sery sy gripa.” Sasao tsara amin’ny rano sy savony àry ny tananao rehefa hisakafo sy avy any an-kabine ary rehefa hikarakara sakafo.

Ataovy madio ny lakozia.

Hita avy amin’ny fikarohana iray fa ny toeram-pivoahana matetika no toerana madio indrindra ao an-trano, fa ny “spaonjy na lamba fanasam-bilia ao an-dakozia [kosa] no tena be mikraoba avy amin’ny maloton’ny biby na olona.”

Soloy matetika àry ireny spaonjy ireny ary sasao amin’ny rano mahamay sy savony na ranoka famonoana otrikaretina ny tampon’ny lakozia. Marina fa tsy mora foana ny manao izany. Tsy misy paompin-drano any amin-dry Bola. Hoy izy: “Manahirana be ilay izy. Ezahinay hasiana rano sy savony foana anefa ao an-trano, amin’izay madio foana ny lakozia sy ny trano.”

Sasao ny sakafo.

Mety ho efa voaloton’ny biby na rano maloto na taim-biby na sakafo manta hafa ny sakafo, talohan’ny nividiananao azy. Sasao tsara àry ny voankazo sy legioma na dia mbola hovoasana aza, mba hialan’ny mikraoba. Marina fa mandany fotoana izany. Hoy anefa i Daiane, renim-pianakaviana any Brezila: “Miezaka tsy hirotoroto aho rehefa mikarakara lasary mba ho voasasa tsara ireo zava-maitso.”

Atokany ny hena manta.

Fonosy tsara daholo ny hena manta sy ny hazan-dranomasina manta ary saraho amin’ny sakafo hafa, mba tsy hifindra amin’ny sakafo hafa ny mikraoba. Mampiasà antsy sy akalana hafa rehefa hitetika an’ireo, na sasao tsara amin’ny rano mahamay sy savony ilay antsy sy akalana aloha sy aorian’ny hitetehana hena na hazan-dranomasina manta.

Efa madio tsara izao ianao sy ny fitaovana ampiasainao ary ny sakafonao. Ahoana kosa no ikarakaranao ny sakafonao mba tsy hankarary?

[Efajoro, pejy 5]

AMPIOFANO NY ZANAKAO: “Ampianarinay hanasa tanana ny zanakay, alohan’ny hisakafo. Asainay sasany na ariany koa izay sakafo latsaka amin’ny tany.”—Hoi, Hong-Kong