Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

3. Karakarao sy Tehirizo Tsara ny Sakafo

3. Karakarao sy Tehirizo Tsara ny Sakafo

3. Karakarao sy Tehirizo Tsara ny Sakafo

TSY nitandrina ny mpahandro iray tany Israely fahiny ka nataony lasopy ny voatangomboalavo, nefa ‘tsy fantany hoe inona ilay izy.’ Natahotra ny mpihinana sao misy poizina ilay sakafo ka niantsoantso izy ireo hoe: “Misy zava-mahafaty ao am-bilany.”—2 Mpanjaka 4:38-41.

Hita amin’izany fa ilaina ny mitandrina amin’ny sakafo tsy voakarakara tsara satria mampidi-doza izy ireny ary mety hahafaty mihitsy. Mianara àry mikarakara sy mitahiry sakafo mba hitandrovana fahasalamana. Misy soso-kevitra efatra ireto:

Karakarao tsara ny hena avy ao anaty vata fampangatsiahana.

Mariho ity voalazan’ny Minisiteran’ny Fambolena any Etazonia ity, raha mpividy hena avy ao anaty vata fampangatsiahana ianao: ‘Mety mbola hivaingana ny ao anatin’ilay hena raha avela amin’izao. Ny etỳ ivelany anefa efa atahorana amin’ny mikraoba rehefa eo anelanelan’ny 4°C sy 60°C, satria amin’io ny mikraoba no mitombo haingana.’ Fonosy amin’ny zavatra tsy tantera-drano kosa ilay hena ary ataovy anaty rano mangatsiaka, na ataovy ao anaty lafaoro famanana sakafo.

Ataovy masaka tsara.

Hoy ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS): “Maty ny ankamaroan’ireo zavatra mety hampidi-doza rehefa masaka tsara ny sakafo.” Rehefa mahandro sakafo, indrindra fa sakafo misy rony, dia ataovy malemy tsara ilay izy. *

Tonga dia arosoy.

Tsy tokony havela amin’izao ela be ny sakafo rehefa masaka. Arosoy haingana àry izany mba tsy ho simba. Ataovy mangatsiaka foana ny sakafo hohanina mangatsiaka ary ataovy mafana foana ny sakafo mafana. Ataovy ao anaty lafaoro nohafanaina 90 degre eo ho eo ny hena, mandra-pihinana azy.

Karakarao tsara ny ambin-tsakafo.

Tonga dia aroson’i Anita, renim-pianakaviana any Polonina, ny sakafo avy nandrahoiny. Milaza izy fa raha misy sakafo tsy ampiasainy ka tiany hatao mivaingana mba hotehirizina, dia zarazarainy izany mba ho mora hafanaina, any aoriana. Aza tehirizina mihoatra ny telo na efatra andro ao anaty vata fampangatsiahana ny ambin-tsakafo.

Olon-kafa no mikarakara ny sakafo any amin’ny hotely. Ahoana àry no hiarovanao ny vady aman-janakao rehefa misakafo any ianareo?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Mila andrahoina ela kokoa ny hena sasany.

[Efajoro, pejy 6]

AMPIOFANO NY ZANAKAO: “Asaiko mijery sy manaraka ny fanazavana eo amin’ny fonon’ny sakafo ny zanako, rehefa izy ireo no mahandro.”—Yuk Ling, Hong-Kong