Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

4. Mitandrema Rehefa Misakafo any Ivelany

4. Mitandrema Rehefa Misakafo any Ivelany

4. Mitandrema Rehefa Misakafo any Ivelany

Salama sy natanjaka tsara i Jeff, 38 taona. Nisakafo tany amin’ny hotely iray any akaikin’i Pittsburgh, any Etazonia, izy mianakavy. Matin’ny aretin’aty izy, iray volana taorian’io. Fa naninona? Nisy hepatita A ny tongolo maitso tao amin’ny sakafony.

EFA ho ny antsasaky ny vola lanin’ny olona amin’ny sakafo no laniny any amin’ny hotely fisakafoana, any amin’ny tany tandrefana iray. Ny sakafon’ny hotely anefa no voalaza fa mahatonga ny aretina maro avy amin’ny sakafo, any amin’io tany io.

Marina fa olon-kafa no mividy sy mikarakara sakafo ary manadio lakozia, any amin’ny hotely. Afaka mifidy an’izay hotely hihinananao sy izay hohaninao any ary izay hanaovanao ny ambin-tsakafo anefa ianao.

Jerijereo ny manodidina.

Hoy i Daiane, any Brezila: “Raha sambany izahay vao mankao amin’ny hotely iray, dia jereko raha madio tsara ny latabatra, ny lamban-databatra, ny vilia sy sotro, ary ny mpandroso sakafo. Mankany amin’ny hotely hafa izahay raha tsy madio ireo.” Manara-maso matetika sy mitsara ny fahadiovan’ny hotely fisakafoana ny tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Fahasalamana, any amin’ny tany sasany, ary aseho amin’ny besinimaro ny vokatr’izany.

Mitandrema rehefa mitondra sakafo mody.

Hoy ny Birao Amerikanina Miandraikitra ny Sakafo sy ny Fanafody: “Aza entina mody ilay sakafo raha tsy ho tonga any an-trano ao anatin’ny adiny roa aorian’ny nandrosoana an’ilay sakafo ianao.” Tokony ho alohan’izay aza raha maherin’ny 32 degre ny hafanan’ilay sakafo. Raha misy ambin-tsakafo mbola tianao hotehirizina, dia modia avy hatrany ary ampidiro ao anaty vata fampangatsiahana izany.

Ho azo antoka kokoa ny sakafonao, raha manaraka an’ireo dingana efatra tato amin’ity andian-dahatsoratra ity ianao.

[Efajoro/Sary, pejy 7]

AMPIOFANO NY ZANAKAO: “Ampianarinay tsy hihinana sakafo mety hankarary ny zanakay.”—Noemi, Philippines