Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Lazain’ny Baiboly?

Afaka Manampy Antsika ve ny Razana?

Afaka Manampy Antsika ve ny Razana?

EFA ela ny olona no nino fa afaka mitari-dalana ny velona ny maty. Manaporofo an’izany ny angano tranainy iray nosoratan’i Homère, poety grika. Tsy nahita fomba hiverenana tany an-tanindrazany, hono, ny lehilahy iray ka nankany amin’ny tontolon’ny maty mba hanontany mpahita efa maty.

Maro no manatona mpanelanelana amin’ny maty, na matory eny am-pasan-drazany, na manao fombafomba hifandraisana amin’ny razana satria manantena fa hamaly ny fanontaniana manahiran-tsaina azy ny maty. Afaka mitari-dalana antsika tokoa ve ny razana?

Fanao miely patrana

Maro amin’ireo fivavahana lehibe no mampianatra hoe azo atao ny miresaka amin’ny maty. Hoy Ny Rakipahalalana Momba ny Fivavahana (anglisy): “Karazana sikidy ny fanaovana mazia mba hiantsoana ny fanahin’ny maty.” “Miely patrana” ilay fanao, hoy ilay boky. Hoy koa ny Rakipahalalana Katolika Vaovao (anglisy): “Mahazo vahana eran-tany ny fiantsoana ny fanahin’ny maty amin’ny fomba samihafa.” Tsy mahagaga raha manandrana manontany amin’ny maty ny mpiangona sasany any amin’ny fivavahana maro.

Milaza ilay Rakipahalalana Katolika Vaovao fa maro ny boky sy zavatra hafa miresaka momba ny fifandraisana amin’ny maty, teo anelanelan’ny taonjato faha-5 sy faha-17, na dia “nanameloka mafy [an’ilay fanao aza] ny Eglizy.” Inona no lazain’ny Baiboly momba izany?

Tokony hanontany amin’ny maty ve ianao?

Hoy i Jehovah Andriamanitra tamin’ny vahoakany fahiny: ‘Aoka tsy hisy eo aminao ny olona manontany amin’ny maty.’ (Deoteronomia 18:9-13) Raha afaka mifampiresaka ny velona sy ny maty, Andriamanitra fitiavana ve dia hanakana an’izany? Raha tsorina dia tsy afaka mifampiresaka izy ireo. Nahoana?

Imbetsaka ny Soratra Masina no mampianatra fa tsy mahalala na inona na inona ny maty. Hoy ny Mpitoriteny 9:5: “Fantatry ny velona fa ho faty izy, fa ny maty kosa tsy mahalala na inona na inona.” Hoy koa ny Salamo 146:3, 4: “Aza matoky ny olona ambony na ny zanak’olombelona izay tsy mahavonjy. Miala ny ainy, ary miverina amin’ny tany nakana azy izy, ka androtr’iny ihany, dia foana ny eritreriny.” Nilaza koa i Isaia mpaminany fa “tsy mahefa na inona na inona” ny maty.—Isaia 26:14.

Maro anefa no mino fa afaka nifandray tamin’ny razany izy, rehefa nanao fombafomba hifandraisana amin’ny maty. Betsaka no efa nifampiresaka tamin’ny olona any ankoatra matoa be dia be no nilaza fa efa nanao izany. Tsy niresaka tamin’ny razany anefa izy ireny, araka ny asehon’ny Baiboly etsy ambony. Iza àry no niresaka taminy?

Niresaka tamin’iza izy ireo?

Milaza ny Baiboly fa nikomy tamin’Andriamanitra ny anjely noforoniny ary lasa demonia. (Genesisy 6:1-5; Joda 6, 7) Ireny demonia ireny no nampiely an’ilay hevi-diso hoe mbola velona ny olona rehefa maty. Miseho ho olona efa maty izy ireny ka miresaka amin’ny velona mba hinoan’ny olona an’ilay hevi-diso.

Tantarain’ny Baiboly fa nafoin’i Jehovah i Saoly mpanjakan’ny Israely rehefa tsy nankatò. Nanandrana niresaka tamin’i Samoela mpaminany efa maty àry izy ka nanatona mpamoha angatra. Nisy olona avy any ankoatra tokoa niresaka tamin’i Saoly, nefa tsy i Samoela izany. I Samoela aza tsy nety niresaka tamin’i Saoly fony fahavelony sady tsy nankasitraka ny mpamoha angatra. Demonia nisandoka ho Samoela no niresaka tamin’i Saoly.—1 Samoela 28:3-20.

Fahavalon’Andriamanitra ny demonia ary mampidi-doza ny mifandray aminy. Hoy àry ny Soratra Masina: “Aza mila hevitra amin’ny mpamoha angatra na amin’ny mpilaza ny hoavy, sao hanjary ho voaloton’ireny ianareo.” (Levitikosy 19:31) Milaza koa ny Deoteronomia 18:11, 12 fa manao zavatra ‘maharikoriko an’i Jehovah ny olona manontany amin’ny maty.’ Nivadika tamin’i Jehovah i Saoly Mpanjaka rehefa “nanontany mpamoha angatra” ary anisan’ny antony namonoan’i Jehovah azy izany, raha ny marina.—1 Tantara 10:13, 14.

Iza àry no tokony hitodihanao rehefa mila tari-dalana ianao na manana fanontaniana na misy safidy manahiran-tsaina anao? Antsoin’ny Soratra Masina hoe “Mpampianatra Be Voninahitra” i Jehovah Andriamanitra. Raha maka hevitra amin’ny Baiboly ianao sy ny havan-tianao ary mampihatra an’izany, dia ho toy ny hoe “ho ren’ny sofinao ny teny avy ao aorianao hoe: ‘Ity no lalana ka andehano.’ ” (Isaia 30:20, 21) Tsy manantena handre ny feon’ilay tena Andriamanitra ny Kristianina ankehitriny. Afaka mitari-dalana azy ireo amin’ny alalan’ny Baiboly kosa Andriamanitra, ka toy ny miteny hoe: ‘Avelao aho hitarika anareo.’

EFA NOERITRERETINAO VE IZAO:

● Ahoana no fiheveran’Andriamanitra an’ireo miezaka hifandray amin’ny maty?—Deoteronomia 18:9-13.

● Afaka mampahafantatra zavatra amin’ny velona ve ny maty? Nahoana?—Mpitoriteny 9:5.

● Iza no tokony hitadiavantsika tari-dalana?—Isaia 30:20, 21.