Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Fikarakarana Marary Efa ho Faty (Jolay 2011) Niofana tao amin’ny fitaizana marary efa ho faty aho, noho ny asako. Hitako hoe tena marina ny lazainareo ao amin’ilay Mifohaza! Jolay 2011. Ilaina ny toerana mety tsara hikarakarana marary, amin’izao andro izao. Tsy andriko izay hahatongavan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Tsy hisy intsony amin’izay ny hiteny hoe: “Marary aho”, sady hofafan’Andriamanitra ny ranomaso amin’ny masontsika.—Isaia 33:24; Apokalypsy 21:3, 4.

M. R., Italia

Fantatrao ve ny Atao hoe Tiroida? (Mey 2009) Misaotra betsaka anareo aho amin’io lahatsoratra io. Efa ela aho no nilazana hoe misy tsy mety ny tiroidako, nefa tsy noraharahaiko. Nankany amin’ny dokotera anefa aho rehefa avy namaky an’ilay lahatsoratra ary fantatra fa voan’ny aretin’i Graves. Soa ihany fa mbola tsy lasa lavitra ilay aretina dia hita. Misaotra betsaka anareo aho.

T. K., Japon

Boky Iray Azonao Itokisana—Fizarana 1-7 (Novambra 2010–Mey 2011) Misaotra anareo amin’ireo lahatsoratra fito momba ny firenena matanjaka tantarain’ny Baiboly ireo. Tsara ny fomba nanoratana azy ireo sady nanao fikarohana be ianareo. Hoatran’ny tiako ny hamaky an’ireo lahatsoratra ireo raha atambatra ho bokikely iray. Tokony hanaja lalina an’i Jehovah, ilay nampanoratra ny faminanian’ny Baiboly, isika ary izany mihitsy no ampirisihin’iny andian-dahatsoratra iny.

G. H., Etazonia

Manontany ny Tanora Hoe... Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Tranonkala Fifaneraserana? (Jolay 2011) Misaotra anareo amin’io lahatsoratra io. Enina amby roapolo taona aho ary saika hanokatra kaonty [amin’ny tranonkala fifaneraserana]. Tsy hoe te hitady namana aho akory, fa be dia be no nampirisika ahy hanokatra an’ilay kaonty. Tena nanampy ahy iny lahatsoratra iny. Afaka mahita namana ianao na dia tsy mampiasa tranonkala fifaneraserana aza.

M. P., Philippines

Nieritreritra aho hoe hanaratsy tranonkala fifaneraserana ilay lahatsoratra. Voalanjalanja tsara anefa ilay izy. Voaresaka ao ny maha tsara sy ny maha ratsy ny mampiasa tranonkala fifaneraserana, sady atorony ny fomba hiarovan-tena amin’ireo loza mety hitranga. Lasa tsapako tsara hoe mila mitandrina aho rehefa mametraka fanazavana manokana ao amin’ny Internet.

C. W., Etazonia

Torohevitra Hahasambatra ny Tokantranonao (Oktobra 2009) Tena nanampy anay mianakavy io laharana manokana io. Tena tiako ireo efajoro hoe “Andramo izao”, ao amin’ny torohevitra tsirairay. Efa narahinay mianakavy ireo soso-kevitra voalaza ao.

H. H., Korea

Natao Hodinihin’ny Mpianakavy Misaotra betsaka anareo mamoaka tsy tapaka an’ireo lahatsoratra ireo. Tian’ny zanakay vavy enin-taona ilay hoe Ho An’ny Ankizy, ary tena tiany ny mandoko an’ireo sary. Asongadin’ireny lahatsoratra ireny ny andraikitry ny ray aman-dreny hampiofana ny zanany hatramin’ny fahazazany. Tena ilaina ny ezaka ataonareo ho an’ny ankizy.

M. P., Polonina