Azo Antoka ve ny Sakafonao?
Azo Antoka ve ny Sakafonao?
“Sekoly Nakaton’ny Fanjakana Alemà Noho ny Mikraoba E. Coli.”—MASOIVOHOM-BAOVAO REUTERS, ALEMAINA.
“Aretina avy Amin’ny Sakafo, Mihanaka any Amin’ny Fanjakana Dimy.”—ETAZONIA ANKEHITRINY (ANGLISY).
“Henan’ny Omby 6 Nisy Taratra Mampidi-doza, Niparitaka Tany Amin’ny Faritra 9.”—VAOVAO ISAN’ANDRO (ANGLISY), JAPON.
TAO anatin’ny tapa-bolana no nivoahan’ireo vaovao ireo, tamin’ny herintaona. Milaza ny mpikaroka fa ny 30 isan-jato eo ho eo amin’ny olona any amin’ny tany mandroso no voan’ny aretina avy amin’ny sakafo, isan-taona.
Ahoana ny hevitrao amin’izany? Hoy i Hoi, raim-pianakaviana any Hong-Kong: “Manan-janaka roa aho ary mampanahy ahy ny sakafo hanin’izy ireo.”
Olona an-tapitrisany isan-taona any amin’ny tany mahantra no matin’ny aretina avy amin’ny rano sy sakafo, ary ankizy ny ankamaroany. Hoy i Bola, any Nizeria: “Ipetahan’ny lalitra ny sakafo eny an-tsena sady tratran’ny vovoka sy rivotra ary orana. Matahotra aho rehefa maheno hoe misy aretina avy amin’ny sakafo. Te hiaro ny vady aman-janako aho.”
Azonao arovana tokoa ve ny vady aman-janakao? Hoy ny Fikambanana Mpanara-maso ny Sakafo any Kanada: “Raha vao miparitaka eny an-tsena ny sakafo mankarary dia lasa mivoaka amin’ny vaovao, ary izany no tokony ho izy. Mety ho ny zavatra ataontsika ao an-dakozia koa anefa no mahatonga ny sakafontsika hankarary.”
Ahoana no hiarovanao ny vady aman-janakao amin’ny aretina avy amin’ny sakafo? Handinika fomba efatra hanaovana an’izany isika.
[Efajoro, pejy 3]
IZA NO ATAHORANA HO VOA?
Ireto sokajin’olona ireto no tena mora voan’ny aretina avy amin’ny sakafo:
● Ankizy latsaka ny dimy taona
● Vehivavy bevohoka
● Olona 70 taona mahery
● Olona manana hery fanefitra tsy matanjaka
Raha ao anatin’ireo sokajy ireo ianao na ny manodidina anao, dia tena tokony hitandrina ianao rehefa mihinana na mikarakara na mandroso sakafo.
[Sary nahazoan-dalana]
Avy amin’ny New South Wales Food Authority, Aostralia.