Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fotoana Miavaka ny EURO 2012

Fotoana Miavaka ny EURO 2012

Fotoana Miavaka ny EURO 2012

TIA mijery baolina ve ianao? Sa ianao milalao mihitsy? Azo antoka àry fa fantatrao ny EURO 2012, izay hatao any Varsovie, any Polonina, manomboka amin’ny 8 Jona. Hatao any Kiev, any Ukraine, kosa ny lalao famaranana ny 1 Jolay. Inona moa ny EURO 2012 ary inona avy ny fiomanana tafiditra amin’izany? Inona no mampiavaka azy?

“Hiara-manoratra Tantara”

Atao any Eoropa isaky ny efa-taona ny lalao iadiana ny ho tompon-dakan’i Eoropa eo amin’ny baolina kitra, nanomboka tamin’ny 1960. Anisan’ireo firenena efa nampiantrano an’io lalao io i Alemaina, Angletera, Aotrisy, Belzika, Espaina, Frantsa, Holandy, Iogoslavia, Italia, Portogaly, Soeda, ary Soisa.

Any Polonina sy Ukraine no hanaovana ny fihodinana farany, amin’ity taona ity. Any Gdansk, Poznań, Varsovie, ary Wroclaw, no hanaovana izany, any Polonina. Any Donetsk, Kharkiv, Kiev, ary Lviv kosa ny any Ukraine.

Milaza ny Vondron’ny Fikambanana Eoropeanina Momba ny Baolina Kitra (UEFA) fa “fanintelony izao no misy firenena roa miara-mampiantrano ny fihodinana farany (i Belzika sy Holandy tamin’ny 2000 [ary] Aotrisy sy Soisa tamin’ny 2008).” Nahoana anefa no miavaka ny EURO 2012? Satria niara-niasa be ireo firenena roa mpampiantrano sy ny mpikarakara an’ilay lalao, ary sambany vao hatao any Eoropa Afovoany sy Atsinanana izy io. Izao àry no natao teny fanevan’ity taona ity: “Hiara-manoratra Tantara.”

Fanomanana

Mazava ho azy fa ny toerana ilalaovana no tsy maintsy omanina voalohany. Nohavaozina àry ny kianja any Poznań sy Kharkiv ary nisy kianja vaovao naorina tany amin’ireo tanàna enina hafa. Hahazaka mpijery 358 000 eo ho eo ireo toerana ireo.

Ho maro be ireo mpijery ka miezaka mafy amin’ny fitandroana filaminana ireo tanàna mpampiantrano. Olona an’arivony àry no nomena fampiofanana. Milaza ny gazety iray fa tafiditra tamin’ilay fiofanana ny “fanaovana fanazaran-tena tamin-javatra 140, anisan’izany ny hoe mandamina vahoaka sy manangana toeram-piarovana ary miara-miasa amin’ny mpitandro filaminana vahiny.”

Nahoana izany no ilaina? Miaiky ny manam-pahefana fa mora amin’ny mpampihorohoro ny manararaotra ny lalao ara-panatanjahan-tena lehibe toy ireny. Fantatry ny manam-pahefana koa hoe atahorana hifamono ny mpijery mafana fo satria efa be ny herisetra nitranga hatramin’izay rehefa misy lalao.

Fomba fijery voalanjalanja

Mampalahelo fa tia fanatanjahan-tena loatra ny olona maro. Hoy ny mpankafy iray: “Kivy aho ary tsy afa-po rehefa tsy milalao tsara ny ekipako. ... Mino aho fa raha atahorana hisy ady niokleary, ny hampanahy ahy indrindra dia hoe hisy baolina ihany ve amin’ny faran’ny herinandro.”

Voalanjalanja kosa ny fiheveran’ny Baiboly ny fialam-boly. Mirakitra tenim-pahendrena io boky io ary manaiky fa ilaina ny fialam-boly mahasoa. Hoy izy: “Misy fotoana ihomehezana ... ary misy fotoana itsinjahana.” (Mpitoriteny 3:1-4) Ampirisihiny hahay handanjalanja koa isika. (1 Timoty 3:2, 11) Tsara àry ny manaraka ny torohevitry ny Baiboly rehefa hanapa-kevitra hoe inona no tena hifantohana eo amin’ny fiainana. Voalaza ao fa ilaina ny ‘mamantatra tsara izay zava-dehibe kokoa.’—Filipianina 1:10.

[Efajoro/Sary, pejy 25]

TSY AZO ATAO NY MIFOKA SIGARA AMIN’NY EURO 2012

Nilaza ny UEFA tamin’ny 20 Oktobra 2011 fa “ho voarara tanteraka ny fifohana na fivarotana sigara sy ny fampirisihana ny olona hifoka, any amin’ny kianja rehetra hanaovana ny EURO 2012.” Nahoana? Hoy i Michel Platini, filohan’ny UEFA: “Tsy azo atao ny mifoka sigara amin’ny EURO 2012, ho fanajana ny fahasalaman’ny mpijery sy ny mpandray anjara rehetra amin’ilay lalao.” Manohana an’izany hevitra izany i Androulla Vassiliou, tompon’andraikitra ambony iray. Nampirisihiny hampitombo ny toerana tsy azo ifohana sigara ireo tanàna mpampiantrano, ka horarana koa ny sigara any amin’ny toerana toy ny hotely fisakafoana sy ny fitateram-bahoaka. Hoy izy: “Mahasalama sy mampahatanjaka ny baolina sy ny fanatanjahan-tena. Mifanohitra amin’izany kosa ny sigara. Tsy afaka miaraka àry ireo.”

[Sarintany, pejy 24]

(Jereo ny gazety)

POLONINA

VARSOVIE

Gdansk

Poznań

Wroclaw

UKRAINE

KIEV

Lviv

Kharkiv

Donetsk

[Sary, pejy 24]

Lalao famaranana nifanaovan’i Alemaina sy Espaina tamin’ny EURO 2008, natao tao amin’ny Kianja Ernst Happel any Vienne, Aotrisy

[Sary, pejy 25]

Kianja Olympika any Kiev, Ukraine

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Pejy 24 sy 25, sary roa: Getty Images