Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Kely Sisa dia Hahasalama ny Rehetra ny Sakafo

Kely Sisa dia Hahasalama ny Rehetra ny Sakafo

Kely Sisa dia Hahasalama ny Rehetra ny Sakafo

AFAKA manao zavatra ianao mba ho azo antoka kokoa ny sakafonao. Voafetra ihany anefa izany. Tsy fantatrao, ohatra, izay nitranga tamin’ilay sakafo talohan’ny nividiananao na nikarakaranao azy. Mety ho nokarakaraina sy nohafarana avy lavitra ilay izy. Mety hisy zavatra simika mampidi-doza avy amin’ny rivotra sy ny rano ary ny tany koa ny sakafo sasany.

Nolazain’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny OMS, tao amin’ny tatitra iray, hoe misy olana momba ny sakafo “tsy ho voavahan’ny firenena tsirairay, fa mila ny fiaraha-miasan’ny firenena maneran-tany.” Olana maneran-tany ny aretina avy amin’ny sakafo.

Maro àry no mieritreritra hoe nahoana no azo antoka fa hisy sakafo mahasalama ho an’ny rehetra. Azo antoka izany satria mampanantena i “Jehovah Tompon’ny tany manontolo” fa hitondra vahaolana momba ny sakafo. (Josoa 3:13) Mety hisy hilaza hoe tsy azo itokisana Andriamanitra matoa misy sakafo tsy azo antoka. Eritrereto anefa izao: Raha tsy mitandrina ny mpandroso sakafo fa mamela ny sakafo tsara ho simba, ny mpahandro ve no tokony homen-tsiny?

Ny olombelona koa no manimba ny sakafo vokarin’ny tany, fa tsy ny Mpamorona. Ny olona no mahatonga ny sakafo tsy azo antoka ho be dia be. Mampanantena anefa Andriamanitra fa ‘horinganiny izay manimba ny tany.’—Apokalypsy 11:18.

Efa noporofoin’Andriamanitra hoe mihevitra ny hatsaran’ny sakafontsika izy. Izy no nanao ny tany sy ny hazo “mahafinaritra ny maso sady mahate hihinana.” (Genesisy 2:9) Nomen’i Jehovah Andriamanitra toro lalana mazava ny vahoakany, na dia efa niely teo amin’ny olona aza ny aretina. Niaro azy ireo sy ny sakafony izany.—Jereo ilay efajoro hoe “Lalàna Momba ny Fahasalamana.”

Sakafo manao ahoana no tian’Andriamanitra hohanintsika? Hoy ny Baiboly: “Mampitsimoka ahi-maitso ho an’ny biby Izy, ary koa zavamaniry ho an’ny olombelona, mba hahatonga ny tany hamokatra sakafo sy divay izay mampifaly ny fon’ny olombelona mety maty, mba ho mandimandin’ny menaka ny tarehiny. Ny tany koa no ahazoan’ny olona mofo ho tohan’aina.” (Salamo 104:14, 15) Milaza koa ny Baiboly fa ‘azo atao sakafo ny biby mihetsiketsika rehetra izay velona.’—Genesisy 9:3.

Hoy ny Tenin’Andriamanitra momba ny hoavy: “Hanome ranonorana ho an’ny voa afafinao amin’ny tany Izy, ary sakafo matavy sy mahavoky no ho vokatry ny tany. Hiraoka ahitra eny amin’ny kijana malalaka tsara ny biby fiompinao, amin’izany andro izany.” (Isaia 30:23) Tsy handre vaovao mampahatahotra intsony isika amin’izay fa handre filazana hoe: “Sakafo mahasalama ho an’ny rehetra!”

[Teny notsongaina, pejy 9]

Mampanantena ny Mpamorona fa hisy sakafo tsara be dia be amin’ny hoavy

[Efajoro, pejy 8]

“LALÀNA MOMBA NY FAHASALAMANA”

Nahazo ny Lalàn’i Mosesy ny Israelita, 3 500 taona teo ho eo izay. Niaro azy ireo tamin’ny aretina maro avy amin’ny sakafo izany. Diniho ireto manaraka ireto:

● Aza mampiasa vilia na fitaovana hafa voakasiky ny fatim-biby: “Hatao anaty rano daholo izay fitoeran-javatra fampiasanareo, ka haloto mandra-paharivan’ny andro, ary hadio avy eo.”—Levitikosy 11:31-34.

● “Aza mihinana biby maty ho azy.”—Deoteronomia 14:21.

● Aza tehirizina ela ny ambin-tsakafo: “Azo hanina ny ampitso anefa ny ambiny. Fa hodorana kosa ny ambin’ny hena amin’ilay sorona, raha misy tavela amin’ny andro fahatelo.”—Levitikosy 7:16-18.

Gaga i A. Short, manam-pahaizana, satria “tena feno fahendrena sy mitombina ireo lalàna momba ny fahasalamana” ao amin’ny Lalàn’i Mosesy, rehefa ampitahaina amin’ny lalàn’ny firenen-kafa tamin’izany.