Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Lamba Mahavariana any Indonezia ny Batik

Lamba Mahavariana any Indonezia ny Batik

Lamba Mahavariana any Indonezia ny Batik

EFA ela no nisian’ny batik, nefa mbola malaza izy io hatramin’izao. Anaovan’ny mpanjaka sy ny fianakaviany rehefa mianjaika izy io ary anaovan’ny mpivarotra eny an-tsena. Tsara tarehy izy io, marevaka, ary isan-karazany. Fa inona ny batik? Ahoana no fanamboarana azy? Ahoana ny tantarany? Ahoana no ampiasan’ny olona azy ankehitriny?

Ravin-damba efa ela ny batik. Mampiasa fomba manokana fandokoana lamba ireo mpanamboatra azy, ary lasa anisan’ny kolontsain’i Indonezia sy fanao any izany. Malaza any an-tany hafa koa ireo karazan-damba hoatran’io.

Loko sy savoka

Mampiasa fitaovana kely vita amin’ny varahina ireo mpanao batik. Fenoiny ranon-tsavoka ilay fitaovana ary iny no hanoratsoratany sary tsara tarehy eo amin’ny lamba. Lokoana ilay lamba rehefa maina ilay savoka, ka tsy andairan’ilay loko izay faritra misy savoka. Averimberina izany ary loko samihafa no ampiasaina mba hahazoana sary milokoloko.

Fitomboka varahina no nampiasaina, teo antenatenan’ny taonjato faha-19, mba hametahana an’ilay savoka. Haingana kokoa noho ilay fitaovana fanoratana izany ary ahafahana mamoaka sary mitovy. Nanomboka nampiasa lasitra fanaovana sary ny orinasa, nandritra ny taonjato faha-20. Mbola misy mivarotra an’ilay batik atao tanana ihany, kanefa ilay batik vita amin’ny lasitra avy any amin’ireo orinasa no tena mameno ny tsena.

Lamba vita amin’ny landihazo na lamba lasoà matetika no fanaovana batik. Loko vita amin’ny ravinkazo, vatan-kazo, hodi-kazo, ary zavamanitra eo an-toerana no fampiasa, nefa ampiasaina koa ny loko tsy voajanahary. Ditin-javamaniry, jabora, ary fotaka mihitsy aza no nanoritana ny sary, tamin’ny savoka mbola tsy nampiasaina. Savoka tsy voajanahary izao matetika no ampiasaina. Mbola ampiasaina koa anefa ny savoka afangaro solitany.

Efa nisy hatry ny ela ary mbola hisy foana

Tsy tena fantatra ny fotoana sy ny toerana nanamboarana voalohany ny batik. Nisy sombina batik hita tany Chine, ary fantatra fa namboarina tamin’ny taonjato faha-6 izany. Mbola tsy tena mazava hoe oviana io teknika io no nanomboka nampiasaina tany Indonezia. Hita anefa fa efa nampiditra sy nanondrana lamba batik i Indonezia, tamin’ny taonjato faha-17.

Nihanalaza ny batik, tato anatin’ny taona maromaro, ary lasa mampiavaka an’i Indonezia. Nampidirin’ny UNESCO ho anisan’ny “Lova Ara-kolontsaina” any Indonezia ny batik tamin’ny 2009, satria efa ela no nisian’izy io tany, ary misy heriny eo amin’ny kolontsain’ny olona any ilay izy.

Fitafiana amin’ny lamba batik

Miovaova arakaraka ny fomba amam-panao ny fomba iakanjoan’ny olona sy amalonany ary anamboarany ny batik. Manana ny loko sy sary mampiavaka ny batik ataony ny faritany maro any Indonezia. Marevaka, ohatra, ny avy any amin’ny morontsiraka avaratr’i Java, ary matetika no misy sarina voninkazo na vorona na biby hafa. Sary mitsipitsipika misy loko vitsivitsy mitovitovy kosa matetika ny an’ireo avy ao Java afovoany. Misy 3 000 eo ho eo ny karazana batik fantatra.

Fitafiana batik nentim-paharazana ny selendang, izay toy ny saly ataon’ny vehivavy eo amin’ny sorony. Matetika izy io no itondrana zaza na entana novidina teny an-tsena. Anaronana loha koa ilay izy rehefa mafana.

Manao saron-doha nentim-paharazana antsoina hoe iket kepala koa ny lehilahy. Lamba batik efamira izy io ary atao saron-doha. Fitafiana mihaja izy io ary fanao amin’ny fety matetika.

Fitafiana malaza vita amin’ny batik koa ny sarong. Toy ny lambahoany ny didiny ary ahodidina ny vatana. Zairina mba hitambatra ny sisiny roa indraindray. Ahodina manarona ny tongotra ny sarong ary afatotra eo amin’ny andilana ka lasa toy ny zipo. Samy mitafy azy io na lahy na vavy.

Efa ho ny didin’akanjo rehetra no mety amin’ny batik. Azo anaovana pataloa fitena izy ary azo anaovana akanjo mihaja be koa. Azo anaovana hoso-doko, ridao, lamban-databatra, lambam-pandriana sy ny toy izany koa ny batik. Mety hahita kitapo, kapa, lamban-jiro, na fonona ordinatera entin-tanana, vita amin’ny lamba batik, mihitsy aza ny mpizaha tany raha mankeny an-tsena any Indonezia. Mahavariana tokoa hoe be dia be ny zavatra vita amin’ny lamba batik!

[Sary, pejy 23]

Fitaovana varahina fenoina ranon-tsavoka, ampiasaina hanoratsoratana sary

[Sary, pejy 23]

Atsoboka imbetsaka ao anaty loko ilay ravin-damba efa misy savoka

[Sary, pejy 23]

Fitafiana vita amin’ny batik

1. Selendang

2. Iket kepala

3. Sarong