Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahatsapa hoe Tena Tiana sy Milamin-tsaina Aho

Mahatsapa hoe Tena Tiana sy Milamin-tsaina Aho

Mahatsapa hoe Tena Tiana sy Milamin-tsaina Aho

Notantarain’i Egidio Nahakbria

Tsapako hoe tsy nisy niraharaha sy tsy nisy mpitia aho hatramin’ny mbola kely. Izao anefa aho mahatsapa hoe tiana sady tena milamin-tsaina. Inona no nahatonga an’izany fiovana izany? Andraso fa hotantaraiko.

TAMIN’NY 1976 aho no teraka, tao amin’ny trano bongo kely malotoloto tany amin’ny tendrombohitr’i Timaoro Atsinanana, izay mbola anisan’i Indonezia tamin’izany. Folo mianadahy izahay ary izaho no fahavalo. Mahantra ny ray aman-dreninay ary tsy afaka namelona anay rehetra, ka ilay kambana amiko no notezainy fa izaho kosa nasainy notezain’ny havanay.

Nanafika an’i Timaoro Atsinanana i Indonezia tamin’ny Desambra 1975, taloha kelin’ny nahaterahako. Nanomboka teo ny ady anaty akata naharitra 20 taona mahery. Herisetra sy fahoriana àry no niainako tamin’ny mbola kely. Tsy afaka ao an-tsaiko ny nanafihan’ny miaramila ny tanànanay. Tsy maintsy nitsoaka ny rehetra tamin’izay. Nankany an-tendrombohitra lavitra izaho sy ilay nitaiza ahy ary efa nisy olona an’arivony avy ao Timaoro tany.

Hitan’ireo miaramila anefa ilay toerana niafenanay ka raikitra ny zera baomba. Mbola tsaroako ny horohoro sy ny faty olona ary ny fandravaravana taorian’izay. Nitebiteby lava aho rehefa niverina tao an-tanàna izahay. Betsaka ny mpiray tanàna aminay nanjavona na nisy namono, ary natahotra aho hoe izaho no manaraka.

Narary ilay havanay nitaiza ahy ary maty, tamin’izaho folo taona. Nasain’ny ray aman-dreniko notezain’i bebenay àry aho. Maty vady izy ary kivy amin’ny fiainana ka hoatran’ny nanahirana azy aho. Nataony hoatran’ny mpiasa kely aho. Narary mafy aho, indray mandeha, ary tsy afaka nanao raharaha. Nokapohiny aho ary efa saika maty. Soa ihany fa nisy havanay naka ahy hipetraka tany aminy.

Tamin’izaho 12 taona vao niditra nianatra. Lasa ketraka lava ilay havanay, tsy ela taorian’izay, satria narary ny vadiny. Tsy te hanahirana azy ireo aho ka nandositra ary niaraka tamin’ny andia-miaramila indonezianina tany anaty ala. Lasa mpanampy azy ireo aho ka nanasa ny akanjony, nahandro ny sakafony ary nanadio ny toby. Tsara fanahy tamiko izy ireo ary nahatsapa aho hoe nilaina. Hitan’ny havanay anefa aho rehefa afaka volana maromaro ary noteren’izy ireo hamerina ahy any an-tanàna ireo miaramila.

Nitolona

Nifindra tany Dili renivohitr’i Timaoro Atsinanana aho, rehefa vita ny fianarako teny amin’ny lise, ary nianatra teny amin’ny oniversite aho. Nahita tanora maro niaina ny zavatra niainako aho teny. Nihevitra izahay hoe mila mitolona raha tianay hahaleo tena ny firenenay ary tianay hisy fiovana. Nikarakara hetsika ara-politika maro izahay mpiara-mianatra, ary matetika izany no niafara tamin’ny rotaka. Betsaka ny namako naratra, ary nisy aza maty mihitsy.

Ravarava ilay tanàna rehefa nahazo fahaleovan-tena i Timaoro Atsinanana, tamin’ny 2002. An’aliny no maty ary ana hetsiny no nifindra monina. Nanantena aho hoe hisy fihatsarana, nefa be no tsy an’asa sy nahantra ary tsy nisy farany ny korontana politika.

Nahita zava-baovao

Niara-nipetraka tamin’ny havanay maromaro aho, tamin’izany. Anisan’izany i Andre, izay nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Katolika hiringiriny aho ka tsy tiako hankany amin’ny fivavahana hafa ny havako. Te hahafantatra momba ny Baiboly anefa aho ka namaky tsindraindray an’ilay Baibolin’i Andre tao amin’ny efitranony. Vao mainka aho liana rehefa namaky.

Nomen’i Andre taratasy fanasana hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Jesosy aho, tamin’ny 2004, ary nandeha. Diso famaky aho ka tonga adiny roa mialoha. Rehefa tonga ireo Vavolombelona avy teo an-toerana sy avy any ivelany, dia niarahaba sy nandray ahy tsara. Gaga be aho! Noraisiko an-tsoratra daholo ny andinin-teny notononin’ilay mpandahateny, ary nohamariniko tao amin’ny Baiboly Katolika. Marina daholo ireo andinin-teny!

Namonjy Lamesa tany am-piangonana aho ny herinandro manaraka. Tara izaho sy ny olon-kafa vitsivitsy ka nandray kibay ilay pretra ary nandroaka anay ho any ivelany. Hoy ilay pretra namarana ny toriteniny: “Ho aminareo anie ny fiadanan’i Jesoa.” Nisy vehivavy sahy nilaza hoe: “Fiadanana ahoana koa nefa ianao aza vao avy nandroaka an’iretsy?” Tsy noraharahain’ilay pretra izy. Tsy niverina tao amin’ilay eglizy intsony aho.

Nianatra Baiboly sy namonjy fivorian’ny Vavolombelona aho, taoriana kelin’izay, niaraka tamin’i Andre. Taitra ny havanay ka nanomboka nanohitra anay. Hoy ny beben’i Andre: “Hanao lavaka handevenana anareo roa lahy aho raha mbola mianatra any amin’io fivavahana vaovao io ianareo!” Tsy nahakivy anay anefa izany satria efa tapa-kevitra ny tsy hijanona mihitsy izahay.

Niova amin’izay aho

Rehefa nianatra Baiboly aho vao nahatsapa hoe tsy nahalala an’izany fitiavana izany mihitsy. Nasiaka sy mora miaro tena aho ary tsy natoky olona. Tena nikarakara ahy anefa ny Vavolombelona. Namangy ahy sy nanampy ahy izy ireo, tamin’izaho narary mafy sy tsy noraharahain’ny havanay. Tsy tia “amin’ny teny na amin’ny lela fotsiny” izy ireo fa “amin’ny atao” koa.—1 Jaona 3:18.

Nampahatahotra be ny paoziko sy ny toetrako nefa ‘niara-ory’ tamiko ny Vavolombelona sady tia ahy toy ny rahalahiny. (1 Petera 3:8) Izay aho vao nahatsiaro hoe tiana. Nihatsara fanahy aho ary nanomboka tia an’Andriamanitra sy ny olon-kafa. Nanokan-tena ho an’i Jehovah àry aho ka natao batisa anaty rano, tamin’ny Desambra 2004. Natao batisa koa i Andre taoriana kelin’izay.

Nisy fitahiana na teo aza ny olana

Tena tiako hampiana ireo mbola tsy nahatsapa ny tena fitiavana sy tena rariny, rehefa vita batisa aho. Nitory manontolo andro àry aho, izany hoe nanao mpisava lalana, araka ny ilazan’ny Vavolombelona azy. Miresaka hevitra mampahery avy ao amin’ny Baiboly aho izao ka tena afa-po fa tsy hoatran’ny tamin’izaho nanao hetsika politika sy nirotaka. Izay aho vao tena nanampy olona.

Nisy antoko tsy nifanara-tsaina efa hatry ny ela teto Timaoro Atsinanana ka nisara-kevitra. Nipoaka indray àry ny korontana politika sy ny ady an-trano, tamin’ny 2006. Nisy nanafika i Dili ary nitsoaka ireo mponina avy any atsinanana. Nandositra izahay sy ny Vavolombelona hafa ary nankatỳ Baucau, tanàna lehibe, 120 kilaometatra any atsinanan’i Dili. Mafy izany nefa nahazo fitahiana izahay satria lasa nisy fiangonana vaovao tany. Io no fiangonana voalohany tany ivelan’i Dili.

Nasaina hankany Jakarta, any Indonezia, aho tamin’ny 2009 mba hanatrika sekoly manokana ho an’ny mpitory manontolo andro. Nampiantrano ahy ny Vavolombelona tany Jakarta sady tena tia ahy. Tena nampiaiky volana ahy izany. Tsapako hoe anisan’ny “rahalahy rehetra ao amin’ny finoana” aho, izany hoe ilay “fianakaviana” iraisam-pirenena, izay tena nikarakara ahy.—1 Petera 2:17.

Ela ny ela ka nilamin-tsaina aho

Niverina teto Baucau aho taorian’ilay sekoly ary mbola eto aho izao. Faly aho manampy olona hifandray amin’Andriamanitra, hoatran’ny nanampian’ny hafa ahy. Mampianatra Baiboly olona 20 eo ho eo any amin’ny tanàna mitokana any ivelan’i Baucau, ohatra, izahay ary be taona tsy afaka mamaky teny sy manoratra ny maro aminy. Manatrika fivoriana isan-kerinandro izy rehetra ary efa vita batisa ny telo ka lasa anisan’ilay “fianakaviana” ara-panahy.

Nihaona tamin’i Felizarda, tovovavy tsara fanahy, aho, taona vitsivitsy lasa izay. Nianatra Baiboly izy ary nandroso haingana ka natao batisa. Nivady izahay tamin’ny 2011. Faly koa aho fa manompo ao amin’ny biraon’ny Vavolombelon’i Jehovah eto Timaoro Atsinanana i Andre. Manaja ny zavatra inoako izao ny ankamaroan’ny havanay, hatramin’ny beben’i Andre, ilay saika hamono anay.

Romodromotra aho taloha ary nahatsapa hoe tsy tiana sy tsy mahate ho tia. Misaotra an’i Jehovah anefa aho satria tsapako ihany izany hoe tena tiana sy milamin-tsaina izany.

[Sary, pejy 19]

I Egidio tamin’izy mpitolona ara-politika

[Sary, pejy 21]

I Egidio sy Felizarda ary ny Fiangonan’i Baucau, any Timaoro Atsinanana