Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Tanora Hoe...

Mpinamana Fotsiny ve Izahay?—Fizarana 1

Mpinamana Fotsiny ve Izahay?—Fizarana 1

MISY OLONA TONGA AO AN-TSAINAO VE REHEFA MAMAKY AN’IO LOHATENY IO IANAO?

ENY → VAKIO HAINGANA ITY LAHATSORATRA ITY FA METY HO TENA ILAINAO.

TSIA → VAKIO IHANY ITY LAHATSORATRA ITY FA HANAMPY ANAO HIFANDRAY TSARA FOANA AMIN’NY ANKIZILAHY (NA ANKIZIVAVY) SADY HANAMPY ANAO TSY HAHITA OLANA.

Mariho ity hoe marina sa diso:

Tsy tokony hinamana amin’ny ankizilahy (na ankizivavy) aho raha tsy efa vonona hanambady.

․․․․․ MARINA ․․․․․ DISO

Diniho izao: Nanana namana vehivavy i Jesosy na dia tsy nieritreritra ny hanambady aza. (Matio 12:46-50; Lioka 8:1-3) Azo inoana fa toy izany koa i Timoty tanora, matoa ny apostoly Paoly nampirisika azy hitondra ny vehivavy tanora “toy ny anabavy, amin’ny fahadiovana tanteraka.”—1 Timoty 5:1, 2.

Fantatr’i Paoly fa hifanerasera amin’ny vehivavy tanora maro i Timoty rehefa hitsidika fiangonana samihafa. (Marka 10:29, 30) Tsy nahazo nifandray tamin’izy ireny ve i Timoty? Nahazo! Tsy mbola nieritreritra ny hanambady anefa izy ka nila nitandrina rehefa nifandray tamin’ny ankizivavy, mba tsy ho raiki-pitia amin’izy ireo sy tsy hanadaladala azy ireo na hilalao ny fihetseham-pony.—Lioka 6:31.

Ary ianao? Efa vonona hanambady ve?

Raha ENY ⇨ Mety ho lasa vadinao ny ankizilahy (na ankizivavy) namanao.—Ohabolana 18:22; 31:10.

Raha TSIA ⇨ Mila mitandrina ianao. (Jeremia 17:9) Mora tenenina ve izany fa sarotra atao? Izany mihitsy! Hoy i Niry, * 18 taona: “Sarotra ilay minamana fotsiny. Tsy hay mihitsy hoe aiza ho aiza ianao no tokony hitandrina.”

Fa maninona anefa ianao no mila mitandrina? Satria raha tsy mitandrina ianao dia mety harary fo na hankarary ny fon’ny hafa. Diniho ireto.

ZAVA-MISY: Tsy maintsy hisy harary fo raha mbola tsy vonona hanambady akory ianao nefa raiki-pitia amin’ny olona iray. Hoy i Seheno, 19 taona: “Efa voa indroa aho. Tamin’ilay voalohany, dia izaho no tia ankizilahy iray, fa tamin’ilay faharoa indray, nisy ankizilahy tia ahy. Nisy narary fo foana tamin’ireo ary mbola maratra ny foko hatramin’izao.”

Saintsaino izao:

Amin’ny toe-javatra toy inona no hitanao hoe mety ny mifandray amin’ny ankizilahy (na ankizivavy)? Toe-javatra hoatran’ny ahoana no tena tsy mety?

Nahoana no tsy tsara ny miaraka matetika amin’ny ankizilahy (na ankizivavy) iray foana? Inona no mety hoeritreretiny na hoeritreretinao?

“Mamita-tena aho indraindray. Hozy aho hoe: ‘Mpinamana fotsiny ange izahay e! Hoatran’ny anadahiko izy.’ Rehefa tia ankizivavy hafa anefa izy dia malahelo be aho, hoatran’ny hoe tokony ho an’ahy irery izy.”—Denise.

Hoy ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina, fa ny tanora fanahy kosa mbola miroso ihany ka voa.”—Ohabolana 22:3.

ZAVA-MISY: Mety tsy ho mpinamana intsony ianareo raha mbola tsy vonona hanambady akory ianao nefa raiki-pitia amin’ny olona iray. Hoy i Lila, 16 taona: “Nifandefa SMS izaho sy ny ankizilahy iray. Lasa nikaoty ahy izy avy eo, ary nila ho isan’andro mihitsy izahay no nifandefa SMS. Niteny tamiko izy, indray mandeha, hoe mahafinaritra be azy aho ka tsy tiany raha mpinamana fotsiny izahay. Ny olana anefa a, tsy mitepo fitiavana ho an’azy mihitsy aho. Rehefa noteneniko an’izany izy dia tsy dia nifampiresaka intsony izahay ary lasa tsy mpinamana intsony.”

Saintsaino izao:

Iza no narary fo teo? Afaka nanao zavatra ve i Lila na ilay ankizilahy mba hisorohana an’izany? Mety hoe inona izany?

Rehefa mifandefa SMS ny ankizilahy sy ankizivavy, ahoana no mety hahatonga ny iray ho lasa toy ny hoe tia an’ilay ankilany nefa tsy izany akory no izy?

“Tsy maintsy nihatakataka tamin’ny ankizilahy aho indraindray. Tena mahafinaritra ny minamana amin-dry zareo nefa ho simba izany raha minamana be loatra aminy aho.”—Laura.

Hoy ny Baiboly: ‘Ny malina mandinika ny diany.’—Ohabolana 14:15.

Fehiny: Tsy ratsy ny minamana amin’ny ankizilahy (na ankizivavy). Mila mitandrina anefa ianao raha mbola tsy vonona hanambady akory.

AO AMIN’NY “MANONTANY NY TANORA” MANARAKA

Mety ho simba ny lazanao raha raiki-pitia amin’olona ianao nefa mbola tsy vonona hanambady.

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

[Efajoro/Sary, pejy 16]

INONA NO HO NATAONAO?

TENA NISY: “Nandefa SMS tamin’ny ankizilahy iray namako, any amin’ny 1 500 kilaometatra avy eto aminay, aho. Nifandefa SMS isan-kerinandro izahay. Tsy tara taminy aho ary tsy nieritreritra hoe tia ahy izy. Izao anefa ny SMS nalefany, indray mandeha: ‘Manahoana indrỳ! Mieritreritra an-drỳ foana aho. Manahoana izay indrỳ?’ Taitra be aho! Nilazako izy fa namana fotsiny no niheverako azy fa tsy hoe tia azy aho. Namaly izy hoe: ‘Izay izany koa.’ Tsy nanoratra tamiko intsony izy avy eo.”—Juliana.

● Inona no hataonao raha mahazo SMS toy ny azon’i Juliana ianao, nefa mbola tsy te hanambady na tsy mieritreritra an’izany akory?

● Raha ankizilahy ianao, tsy mampaninona ve, araka ny hevitrao, ilay SMS nalefan’ilay ankizilahy ho an’i Juliana? Nahoana?

● Araka ny hevitrao, inona no mahamora raiki-pitia kokoa: Ny mifandefa SMS sa ny mihaona mivantana? Nahoana?

[Efajoro, pejy 17]

ANONTANIO NY RAY AMAN-DRENINAO

Anontanio ny hevitr’izy ireo momba an’ireo fanontaniana aorian’ny teboka matavy ato amin’ity lahatsoratra ity. Tsy mitovy ve ny hevitrareo? Inona no tsy itovizany? Inona no mahatsara ny hevitr’izy ireo?—Ohabolana 11:14.

[Efajoro/Sary, pejy 17]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

Joshua: Arakaraka ny hiarahanao matetika amin’ny olona iray no hampiraiki-po anareo.

Natasha: Raha tianao ho mpinamana fotsiny ianareo nefa ianao miaraka irery aminy foana, dia tsy maintsy ho raiki-pitia ny iray aminareo na ianareo roa.

Kelsey: Na dia mpinamana fotsiny aza ianareo amin’ny voalohany, dia mora miova izany raha miaraka irery foana ianareo. Azo atao ny hoe mpinamana fotsiny, nefa ilana fahamatorana sy fahaiza-misaina izany.

[Sary, pejy 16]

Hidiran-doza ianao raha raiki-pitia amin’ny olona iray nefa tsy vonona hanambady akory