Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 2

Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 2

Tanteraka ny Faminanian’ny Baiboly—Fizarana 2

Mivoaha avy ao Babylona!

Mampiavaka ny Baiboly ny faminaniana ao anatiny. Miresaka momba izany ny “Mifohaza!” ato amin’ity andian-dahatsoratra misy fizarana valo ity. Hovaliana amin’izany ny hoe: Olona nahay be fotsiny ve ireo mpanoratra ny faminaniana ao amin’ny Baiboly sa olona nahazo fanahy masina avy amin’Andriamanitra? Asaina ianao handinika ny zava-misy.

NANDINIKA faminaniana ara-baiboly telo momba ny taranak’i Abrahama isika tao amin’ny fizarana voalohany amin’ity andian-dahatsoratra ity. Voaporofo fa nanatanteraka azy ireny Andriamanitra, teo amin’ny Israely fahiny, izay taranak’i Abrahama.

Voaresaka be ao amin’ny Baiboly koa i Babylona fahiny, indrindra fa ny zava-nitranga taminy tamin’ny taonjato fahafito Talohan’i Kristy (T.K.). Handinika faminaniana telo momba an’i Babylona isika ato, ary hijery raha tena avy amin’ny fanahy masin’Andriamanitra tokoa izy ireny na tsia.

Nampitandrina ny Israelita fahiny i Mosesy mpaminany hoe: “Raha sanatria manadino an’i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, ary manaraka andriamani-kafa sy manompo an’ireny sady miankohoka eo anatrehany, dia ... ho ripaka tanteraka ianareo.” (Deoteronomia 8:19; 11:8, 9) Mbola nikomy matetika tamin’Andriamanitra anefa ny Israelita ka nanompo sampy.—1 Mpanjaka 14:22-24.

Navelan’Andriamanitra ho resin’ny Babylonianina ilay vahoaka mafy loha, tamin’ny farany. Nanafika ny Israelita ny tafik’i Babylona notarihin’i Nebokadnezara Mpanjaka, izay atao koa hoe Nebokadrezara, ary nanao fahirano an’i Jerosalema. Misy heviny manokana ve ilay fahirano? Diniho izay nolazain’i Jeremia mpaminany, 20 taona teo ho eo talohan’izay.—Jeremia 25:1.

Faminaniana 1: ‘Noho ianareo [Israelita] tsy nankatò ny teniko [Andriamanitra], dia hampanantsoiko i Nebokadrezara mpanjakan’i Babylona. Hoentiko hiady amin’ity tany ity sy amin’ny mponina eto izy ireo [ny Babylonianina]. Ho rava tanteraka ity tany manontolo ity ka higagan’ny olona. Ary ireo firenena ireo kosa hanompo ny mpanjakan’i Babylona fitopolo taona.’—Jeremia 25:8-11.

Fahatanterahany: Noravan’i Nebokadnezara i Jerosalema tamin’ny 607 T.K. rehefa avy nataony fahirano elaela. Resiny koa ny tanàna hafa tany Joda, toa an’i Lakisy sy Azeka. (Jeremia 34:6, 7) Nataony sesitany tany Babylona ny ankamaroan’ireo tsy maty ary babo tany nandritra ny 70 taona.

Inona no asehon’ny tantara?

● Milaza ny Baiboly fa i Nebokadnezara no mpanjakan’i Babylona tamin’ny fotoana naharavan’i Jerosalema. Porofoin’ny zavatra hitan’ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany fa tena nisy i Nebokadnezara. Misy meday vita amin’ny vato oniksa any Florence, any Italia. Misy an’izao soratra izao amin’ilay izy: “Nampanao an’ity i Nebokadnezara mpanjakan’i Babylona, ho fanomezam-boninahitra an’i Merodaka tompony.” Nanjaka tamin’ny 624 T.K. ka hatramin’ny 582 T.K. i Nebokadnezara.

● Milaza Ny Baiboly sy ny Arkeolojia (anglisy) fa manamarina an’izao manaraka izao izay hitan’ny mpikaroka tao Lakisy: “Nahery vaika ilay fandravana farany ary nahery loatra ny afo nandoro an’ilay tanàna [Lakisy] ka lasa sokay ireo vatosokay tamin’ny trano.”

Faminaniana 2: “Hitsinjo anareo [Jiosy babo] aho [Jehovah] rehefa tapitra ny fitopolo taona nijanonanareo tany Babylona, dia hotanterahiko aminareo ny fampanantenako, ka haveriko eto amin’ity toerana ity [Joda] ianareo.”—Jeremia 29:10.

Fahatanterahany: Babo nandritra ny 70 taona tany Babylona ireo Jiosy, izany hoe tamin’ny 607 T.K ka hatramin’ny 537 T.K. Nafahan’i Kyrosy mpanjakan’i Persa izy ireo ary navelany hiverina tany an-tanindrazany mba hanorina ny tempolin’i Jerosalema.—Ezra 1:2-4.

Inona no asehon’ny tantara?

● Babo 70 taona tany Babylona araka ny voalazan’ny Baiboly tokoa ve ny Israelita? Mariho ny voalazan’i Ephraim Stern, Israelianina mpikaroka, momba ny tanin’i Israely: ‘Tsy nisy porofo mihitsy milaza hoe nisy nipetraka tao, tamin’ny 604 T.K. ka hatramin’ny 538 T.K. Tsy nisy na dia iray aza tamin’ireo tanàna noravan’ny Babylonianina nanjary nisy mponina indray.’ Mifanakaikikaiky amin’ny fotoana nahababo ny Israelita tany Babylona izany, izany hoe tamin’ny 607 T.K. ka hatramin’ny 537 T.K.—2 Tantara 36:20, 21.

● Nanoratra tamin’ny takelaka tanimanga mando ireo firenena eran’i Mezopotamia fahiny. Nisy takelaka maina nantsoina hoe Varingarin’i Kyrosy, vita tokotokony ho tamin’ny 539 T.K., taona nandresen’i Kyrosy mpanjakan’i Persa an’i Babylona. Izao no voalaza tao: “Izaho no Kyrosy ... mpanjakan’i Babylona.” Hoy ihany izy io: “Naveriko tany amin’ireo tanàna masina [voatonona teo aloha] any ampitan’i Tigra sy tany amin’ireo toerany masina rava efa ela be ireo sary tao (taloha) ... Nangoniko (koa) ireo mponina rehetra tany (taloha) ka naveriko (taminy) ny fonenany.”

Mifanaraka amin’izay voalazan’io asa soratra tsy ara-pivavahana io ilay faminanian’ny Baiboly hoe haverina amin’ny taniny ny Jiosy babo. Nosoratana 200 taona teo ho eo talohan’izay ilay faminaniana.

Faminaniana 3: “Ho rava toy ny nanaovan’Andriamanitra an’i Sodoma sy Gomora i Babylona, ilay ravak’ireo fanjakana, ilay hatsaran-tarehin’ny Kaldeanina sy reharehany. Tsy honenana intsony izy.”—Isaia 13:19, 20.

Fahatanterahany: Nivadika ny rasa ka resin’ny Medianina sy Persianina i Babylona natanjaka, tamin’ny 539 T.K. * Tsy tafarina intsony i Babylona fa nihena tsikelikely ny heriny ary lasa lao sy ‘tsy misy mponina intsony’ tany.—Jeremia 51:37.

Inona no asehon’ny tantara?

● Rava tanteraka i Babylona ka izany no nahatonga an’i Tom Boiy, manam-pahaizana, hilaza fa nanahirana “ny Tandrefana mpahay tantara sy mpanao dia lavitra tamin’ny taonjato faha-16 ka hatramin’ny faha-18” ny namantatra ny “toerana tena nisy” azy. Hain’izy ireo tsara anefa ny zava-tsarobidy nampiavaka an’ilay tanàna.

● Nilaza i H. Hall, mpikarakara ny vakok’i Ejipta sy Asyria ao amin’ny Tranombakoka Britanika, tamin’ny 1919, fa ‘korontam-bato tototry ny fasika sisa’ i Babylona.

Inona no ianarantsika avy amin’ireny faminaniana ireny? Voaporofo fa tanteraka araka ny marina tsara foana ny faminanian’ny Baiboly. Tanteraka tamin’ny an-tsipiriany ireo faminaniana momba an’i Joda sy Babylona.

Rava i Jerosalema satria tsy nankatò ny vahoakan’Andriamanitra rehefa nasainy niala tamin’ny fitondran-tena ratsy. Navela hiverina tao Jerosalema ny Israelita rehefa avy babo 70 taona tany Babylona. Rava araka izay efa nambara mialoha i Babylona ary tsy misy mipetraka any hatramin’izao. Tsy ireo ihany anefa ny faminaniana ao amin’ny Baiboly.

Efa voaresaka ela be mialoha koa ny zavatra nitranga tamin’ny taonjato voalohany, ary izany no horesahina ao amin’ny laharana manaraka. Lasa matoky isika fa marina ny voalazan’ny Baiboly rehefa hitantsika ny fahatanterahan’ireny faminaniana ireny.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Roanjato taona teo ho eo mialoha koa, dia efa nolazain’i Isaia hoe anisan’ny handresy an’i Babylona i Media.—Jereo ny Isaia 13:17-19; 21:2.

[Tabilao, pejy 12, 13]

(Jereo ny gazety)

TAONA MIAVAKA HO AN’I BABYLONA

732 T.K. tany ho any:

Nilaza i Isaia fa ho

rava i Babylona

(T.K.)

647 Nirahina ho mpaminany

i Jeremia

632 Naongan’i Babylona

i Asyria

625 Nanomboka nanjaka

i Nebokadnezara

617 Nentina tany Babylona

i Daniela sy Ezekiela

607 Noravan’i Nebokadnezara Babo 70 taona

i Jerosalema tany Babylona

ny Jiosy

582 Nifarana ny fitondran’i

Nebokadnezara

539 Resin’ny Medianina

sy Persianina

i Babylona

537 Navela hiverina

tany Jerosalema

ny Jiosy

[Sary, pejy 12]

Marina izay nolazain’i Jeremia momba ny fandresen’i Babylona an’i Joda rehefa jerena ilay Vakin-tanimanga Tany Lakisy

[Sary, pejy 13]

Hita ao amin’ny Varingarin’i Kyrosy ilay didin’i Kyrosy mamela ny babo hiverina any an-tanindrazany

[Sary nahazoan-dalana, pejy 13]

Pejy 12, Vakin-tanimanga Tany Lakisy: Photograph taken by courtesy of the British Museum; pejy 13, Varingarin’i Kyrosy: © The Trustees of the British Museum