Topy Maso Eran-tany
Topy Maso Eran-tany
Lasa fito arivo tapitrisa mahery ny mponina eran-tany tamin’ny faramparan’ny taona 2011, “raha enina arivo tapitrisa izany tamin’ny 1999.”—ONIVERSITEN’I HARVARD MISAHANA NY FAHASALAMAM-BAHOAKA, ETAZONIA.
“Ny 58,8% amin’ny mponina any [Royaume-Uni] no nilaza fa mety handray soa izy mianakavy raha manokana fotoana tsy hampiasana fitaovana elektronika, ka pihina daholo ny fitaovam-pifandraisana rehetra. ... Ny ampahatelon’ny mponina any no leo ka tsy te hampiasa fitaovam-pifandraisana intsony.”—ONIVERSITEN’I CAMBRIDGE, GRANDE-BRETAGNE.
‘Nanomboka tamin’ny 1976, dia mandefa taratasy ny eveka katolika any Amerika, isaky ny hisy fifidianana filoham-pirenena, mba hanampiana ny Katolika haneho ny finoany rehefa hifidy.’—ONIVERSITEN’I FORDHAM, ETAZONIA.
“Mahavita manakorontana eny an-dalam-be ny andian-jiolahy raha te hanao izany. ... Lasa tsy tan-dalàna intsony ny tanora anglisy vitsivitsy, ary mahavita mampihorohoro sy manala baraka ny firenena izy ireo na dia vitsy aza.”—THE ECONOMIST, GRANDE-BRETAGNE.
Firy Marina ny Karazan-javamananaina eto An-tany?
Hoy ny mpahay siansa, tao amin’ny gazety PLoS Biology: “Hita hoe tsy mahalala firy momba ny zavamananaina eto an-tany isika, matoa mbola tsy haintsika hoe firy marina ny karazan-javamananaina misy.” Tombanan’izy ireo ho 8,7 tapitrisa eo ho eo ny karazan-javamananaina, izany hoe latsaka na mihoatra iray tapitrisa eo ho eo amin’io isa io. Ny manam-pahaizana hafa kosa milaza fa eo anelanelan’ny 3 tapitrisa sy 100 tapitrisa izany. Mbola vao 1,2 tapitrisa hatramin’izao ny zavamananaina voasokajy ary mety ho afaka 1 000 taona mahery vao ho voasokajy ny ambiny, raha izao no fandehany. Hoy ireo mpikaroka: “Ela loatra ny fanasokajiana an’ireo zavamananaina ka efa lany tamingana ny sasany nefa tsy fantatra akory hoe nisy.”
Satelita Mikaroka ny any Ambanin’ny Tany
Mampiasa fomba fiasa vaovao ny mpikaroka ny any ambanin’ny tany mba hitadiavana toerana mahaliana. Maka sary manokana amin’ny alalan’ny satelita izy ireo, ary mampiasa programa amin’ny ordinatera mba handinihana azy ireny. Voalaza, ohatra, fa sary nalaina tany amin’ny 700 kilaometatra any ambonin’i Ejipta no nahitana piramida 17, fasana tranainy 1 000, ary fonenana 3 000 eo ho eo. Afaka mahita ny any ambanin’ny tany ny fitaovana maka an’ireny sary ireny ka nahafahana nahita zavatra naorina hatry ny ela be nefa efa tototra, izay tsy hita etỳ ambonin’ny tany.