Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsy Hohadinoinay Mihitsy Ilay Nihinana Bibikely

Tsy Hohadinoinay Mihitsy Ilay Nihinana Bibikely

Tsy Hohadinoinay Mihitsy Ilay Nihinana Bibikely

NISY namanay nanasa anay mivady, tany Bangui, renivohitry ny République centrafricaine.

Hoy izy ireo rehefa tonga izahay: “Mandrosoa! Ianareo izao noana e?” Mbola tsy niditra tao an-tranon’i Ella, ilay nanasa anay, akory izahay, dia efa renay ny hanitry ny tongolobe sy tongolo lay ary laron-tsakafo hafa sy ny tafatafan’ireo namanay. Niresaka momba an’ilay sakafo harosony i Ella avy eo.

Hoy izy: “Be proteinina ny bibikely ary fihinan’ny olona maro atỳ Afrika Afovoany. Tsy hoe mihinana an’ireny anefa izahay satria voatery, fa satria matsiro ilay izy. Makongo (fanday) no hohanintsika androany.”

Tsy tokony ho nahagaga anay izany satria sakafo matsiro amin’ny olona any amin’ny tany zato mahery ny bibikely, na dia tsy ny rehetra aza no tia azy.

Sakafo matsiro any anaty ala

Maro ny karazam-bibikely fihinana atỳ amin’ny République centrafricaine. Mitangorona eny amin’ny votry na eny amin’ny jiro ny vitsikazo atao hoe bobo, rehefa fahavaratra. Mihazakazaka manangona azy ireny ao anaty harona ny ankizy rehefa mitsahatra ny orana, amin’ny hariva. Matetika izy ireny no hohaniny manta ary mikarepodrepoka erỳ ny fihinany azy. Azo atapy izy ireny, na atono ary asiana sira sy poavra, na andrahoina, na atao mofo.

Miakatra koa ny kindagozo, na valala maitso, rehefa main-tany. Fanaon’ny olona atỳ amin’ny République centrafricaine ny mitono valala. Misy koa mahandro azy ireny rehefa nesorina ny tongony sy ny elany.

Maro ny karazana fanday hohanin’ny olona atỳ. Nasaina nihinana ny fandain’ny samoina atao hoe imbrasia izahay. Manatody eny amin’ny karazan-kazo iray izy io ary rehefa foy ireo fanday, dia angonin’ny olona ary sasany. Atao ketsaketsa miaraka amin’ny voatabiha sy tongolo ilay izy ary ampiana zavatra hafa, arakaraka izay tian’ny mpahandro. Azo tehirizina hatramin’ny telo volana kosa ny sasany, rehefa nohamainina na nasaly.

Azo antoka sady mahasalama

Tsy ny bibikely rehetra no fihinana. Tsy mankarary anefa ny ankamaroany raha voakarakara tsara sy nalaina teny amin’ny toerana tsy misy fanafody famonoana bibikely na zezika simika. Tsy tokony hihinana bibikely ny olona tsy mahazaka hazan-dranomasina misy akora. Zavatra mihasimba no sakafon’ny ankamaroan’ireo biby misy akora. Ravinkazo madio sy zavamaniry tsy levon’ny vavonin’ny olombelona kosa no sakafon’ny ankamaroan’ireo bibikely fihinana.

Kely ny fanday nefa misy otrikaina be dia be. Milaza ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Momba ny Sakafo sy ny Fambolena fa avo roa henin’ny proteinina ao amin’ny henan’omby ny proteinina ao amin’ny fanday maina. Hitan’ny manam-pahaizana fa sakafo mahavelona any amin’ny tany an-dalam-pandrosoana ny bibikely.

Zato grama monja amin’ny karazana fanday sasany, dia efa hahazoana ny mineraly ilaintsika isan’andro, toy ny faosifaoro, kalsioma, manezioma, potasioma, vitaminina maro, ary vy. Azo atao fanampin-tsakafon’ny ankizy tsy ampy sakafo koa ny fanday. Hamainina ilay izy, totoina, ary afangaro amin’ny feta.

Mahasoa ny tontolo iainana koa ny fihinanana bibikely, ankoatra ny otrikaina azo avy aminy. Tsy mila rano be mantsy ny bibikely mba hivelomany sady tsy mamoaka gazy manimba. Mihena koa ny bibikely mpanimba rehefa alaina hatao sakafo.

Naroso ilay sakafo

Tadidinay, teo am-piandrasana an’ilay sakafo, fa milaza ny fifaneken’ny Lalàna nomena ny Israelita fahiny hoe biby madio ny valala. Nihinana valala, ohatra, i Jaona Mpanao Batisa, mpanompon’ilay tena Andriamanitra. (Levitikosy 11:22; Matio 3:4; Marka 1:6) Mety mbola hisalasala hihinana zavatra tsy mahazatra antsika isika, na izany aza.

Faly erỳ izahay rehetra nijery an’i Ella nitondra an’ilay sakafo vao mafana avy any an-dakozia. Niara-nisakafo taminay ny namanay valo avy atỳ amin’ny République centrafricaine, ary vilia baolina roa feno fanday no teo anoloanay. Izahay mivady no nasaina ka izahay no nomena voalohany ary be dia be ny anjaranay.

Izao no teninay: “Tsy lafo ilay sakafo nefa matsiro sy be otrikaina. Aza misalasala raha afaka mihinana an’izany ianao. Tsy hohadinoinao mihitsy ny sakafo toy izany!”

[Sary, pejy 27]

“Makongo” manta

[Sary, pejy 27]

“Kindagozo” masaka