Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampio ny Ankizy Namoy Havana

Ampio ny Ankizy Namoy Havana

Ampio ny Ankizy Namoy Havana

Tsy mora ny milaza vaovao ratsy amin’ny olon-dehibe. Fa efa noeritreretinao ve hoe ahoana raha ankizy no ilazana an’izany?

METY hiady saina na hatahotra mihitsy ny ankizy rehefa misy havany na namany maty. Tsy mora amin’ny ray aman-dreny ny manampy ny zanany amin’ireny fotoana ireny, indrindra raha olona akaiky azy ireo no maty. Izy koa mantsy mba mila fampiononana.

Tsy tena milaza mivantana an’ilay zava-mitranga ny ray aman-dreny sasany, fa lazainy fotsiny hoe nandao azy ireo ilay olona. Mamitaka anefa izy ireo amin’izany. Inona àry no azo tenenina amin’ny ankizy rehefa misy maty?

Efa sendra an’izany i Renato sy Isabelle. Maty i Nicolle, zanak’izy ireo telo taona sy tapany, ary tsy maintsy nampiany hizaka izany i Felipe, izay dimy taona tamin’izany.

Mifohaza!: Ahoana no nanazavanareo taminy fa maty i Nicolle?

Isabelle: Tsy nanafinafina mihitsy izahay. Nasainay nanontany izay tiany ho fantatra izy, ary niezahanay novaliana tsotsotra araka izay ahazoany azy izany. Mikraoba mahery no nahafaty an’i Nicolle, ka nolazainay tamin’i Felipe fa nisy bibikely niditra tao amin’ny vatany, ary tsy matin’ny dokotera ilay izy.

Mifohaza!: Noresahinareo taminy ve ny finoanareo?

Renato: Vavolombelon’i Jehovah izahay, ary ninoanay fa hampahery azy ny mahalala izay lazain’ny Baiboly momba ny maty. Tsotra ny fanazavan’ny Baiboly hoe tsy mahalala na inona na inona ny maty. (Mpitoriteny 9:5) Hitanay hoe hanampy azy tsy hatahotra izany, indrindra raha irery izy amin’ny alina.

Isabelle: Milaza koa ny Baiboly fa hatsangana ny maty, ary hiaina ao amin’ny paradisa eto an-tany. Mino an’izany izahay, ary nieritreritra hoe tsara koa raha mahalala an’izany i Felipe. Nolazainay taminy àry ilay izy. Notantarainay taminy hoe natsangan’i Jesosy tamin’ny maty ny zanakavavin’i Jairo 12 taona. Noresahinay tamin’i Felipe fa hitsangana koa i Nicolle, satria izany no ampianarin’ny Baiboly.—Marka 5:22-24, 35-42; Jaona 5:28, 29.

Mifohaza!: Mino ve ianareo hoe azon’i Felipe daholo izany?

Renato: Ie! Tena mora mionona ny ankizy rehefa omena fanazavana tsotra, mazava, tsy miolakolaka, ary marina tsara. Tsy misy tokony hafenimpenina aminy. Mampalahelo fa mbola tsy azo ialana ny fahafatesana, ka tokony hampian’ny ray aman-dreny hahazaka izany ny zanany. Nampianay toy izany i Vinicius zandrin’i Felipe, tatỳ aoriana. *

Mifohaza!: Nentinareo tany am-pandevenana ve i Felipe?

Renato: Naleonay tsy nitondra azy rehefa avy nandinika tsara izahay. Mora mihetsi-po mantsy ny ankizy toa azy. Misy ihany ray aman-dreny mitondra ny zanany any am-pandevenana, sady ny ankizy koa tsy mitovy. Fa raha misy manapa-kevitra hanao izany, dia tokony hohazavainy tsara izay hitranga any. 

Mifohaza!: Tsy maintsy nalahelo be izao ianareo tamin’i Nicolle maty. Niafina an’i Felipe ve ianareo rehefa nitomany?

Isabelle: Tsy niafina izahay ka! I Jesosy aza mba ‘nirotsa-dranomaso’! (Jaona 11:35, 36) Tokony ho hitan’i Felipe koa izahay rehefa mitomany. Amin’izay fantany tsara hoe ara-dalàna izany sady anisan’ny fomba anehoana fihetseham-po. Tianay ho tsapany hoe afaka mamoaka ny alahelony izy, fa tsy hanafina izany.

Renato: Mora mitebiteby ny ankizy rehefa misy fahoriana. Tsy hanafinafina ny fihetseham-pony àry izy raha tsy manao izany ny ray aman-dreniny. Tsara raha henoina izy rehefa milaza an’izay mampanahy azy. Amin’izay ianao afaka mampahery azy ary tsy hitebiteby intsony izy.

Mifohaza!: Nisy olon-kafa nampahery anareo ve?

Renato: Ie, tena nanampy ireo mpiara-mivavaka aminay. Hitan’i Felipe hoe tena tia sy nikarakara anay izy ireo matoa nitsidika sy niantso an-telefaonina ary nandefa karta ho anay.

Isabelle: Nanampy be koa ny fianakavianay. Tonga foana i Dada isa-maraina, niara-nisakafo taminay, taorian’ny nahafatesan’i Nicolle. Hita tamin’izany hoe tena tia sy nanampy anay izy. Nampahery an’i Felipe ny nahita ny dadabeny.

Renato: Tena nampahery koa ny fivoriana kristianina. Niezaka nivory foana izahay, na dia tsy tananay aza ny ranomasonay indraindray. Mahatsiaro be an’i Nicolle mantsy izahay rehefa mivory. Tsy maintsy niezaka ny hatanja-tsaina izahay, na dia mba hampaherezana an’i Felipe fotsiny aza.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Ampio ny Zanakao Hizaka ny Alahelony”, pejy 18-20 amin’ny Tilikambo Fiambenana, 1 Jolay 2008 sy ny bokikely Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Efajoro/Sary, pejy 14]

Hampahery an’ireo namoy havana na namana ireto boky navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah ireto.

HO AN’NY OLON-DEHIBE:

Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly?

Toko 6: Aiza no Misy ny Maty?

Toko 7: Fanantenana Azo Antoka Momba Ireo Havanao efa Maty

HO AN’NY ZAZA:

Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly

Tantara 92: Manangana ny Maty i Jesosy

HO AN’NY ANKIZY:

Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe

Toko 34: Hanao Ahoana Isika Rehefa Maty?

Toko 35: Afaka Hitsangana Amin’ny Maty Isika!

Toko 36: Iza avy no Hatsangana Amin’ny Maty? Aiza Izy Ireo no Hipetraka?

HO AN’NY TANORA:

Manontany ny Tanora Torohevitra Mahasoa—Boky Voalohany

Toko 16: Diso ve Aho Raha Malahelo Be An’i Neny?

[Efajoro/Sary, pejy 15]

SOSO-KEVITRA

● Asaivo manontany ny zanakao raha misy tiany ho fantatra momba ny fahafatesana. Miezaha hamaly azy, isaky ny te hiresaka izy.

● Ataovy mazava tsara izay lazainao, fa aza miteny toy ny hoe “nandao antsika” izy na “lasa” izy.

● Teny tsotra sy mazava tsara ampiasaina, rehefa manazava ny atao hoe maty. Misy milaza hoe “tsy miasa intsony” ny vatan’ilay olona ary “tsy azo amboarina intsony.”

● Lazao an’ilay ankizy izay ho hitany any am-pandevenana. Hazavao hoe tsy mahita na mandre an’izay mitranga intsony ilay olona maty.

● Aza afenina ny fihetseham-ponao. Ho hitan’ny zanakao amin’izay hoe ara-dalàna ny malahelo.

● Tadidio fa samy manana ny fomba anehoany ny alahelony ny olona. Tsy mitovy koa ny ankizy, ary samy hafa ny fitrangan’ilay voina.

[Sary nahazoan-dalana]

Loharanon-kevitra: www.kidshealth.org

[Sary, pejy 15]

Havia miankavanana: Felipe, Renato, Isabelle, ary Vinicius