Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Avy Amin’ny Mpamaky

Manontany ny Tanora Hoe... Inona no Hataoko mba ho Tiako ny Mamaky Baiboly? (Aprily 2009) Renim-pianakaviana aho ary 24 taona. Sahirana foana aho vao mahavaky Baiboly. Narahiko ny soso-kevitra tao amin’io lahatsoratra io ary nampiasaiko tsara ilay faritra nasaina nohetezana. Tsy andriko izao ny fotoana amakiana Baiboly. Hitako hoe mifanaraka tsara ny hevitra ao anatiny. Lasa mahafinaritra be ahy izao ny mamaky Baiboly. Misaotra betsaka anareo aho!

K. T., Etazonia

Boky Iray Azonao Itokisana: Fizarana 6 (Aprily 2011) Hoy ilay lahatsoratra hoe “Roma Fahiny”: “Nanao ahoana kosa i Jerosalema? Niverina ny tafika romanina, notarihin’i Vespasien sy Titus zanany, ary nisy miaramila 60 000.” Toy ny milaza izany fa i Vespasien sy Titus no nitarika an’ilay tafika nanafika an’i Jerosalema. Asehon’ny boky momba ny tantara anefa fa tany Roma i Vespasien tamin’io fotoana io.

J. O., Aostralia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Hoy ny boky “Asa Soratra Miavaka Nataon’i Josèphe” (anglisy), nosoratan’i Paul Maier: “Niala tany Aleksandria i Titus sy ny andian-tafika Faha-15 ary vetivety dia tonga tao Ptolemaisy. Efa niandry azy tao i Vespasien rainy, niaraka tamin’ny andian-tafika Fahadimy sy Fahafolo.” Hoy koa ny “Rakipahalalana Momba ny Fanjakana Romanina” (anglisy), izay nosoratan’i Matthew Bunson momba an’i Vespasien: “Niaraka tamin’i Titus zanany izy tamin’izy nanajanona ny fikomian’ny Jiosy sy nanomboka nanao fahirano ny tempolin’i Jerosalema, tamin’ny taona 68. Henony anefa tamin’izay hoe maty i Néron ary i Galba indray no nitondra... Tonga tany Roma i Vespasien tamin’ny faramparan’ny taona 70.” Toa midika àry izany fa niara-nanafika an’i Jerosalema i Vespasien sy Titus, tamin’ny voalohany. Niverina tany Roma i Vespasien avy eo ary navelany hanohy ny fanafihana i Titus.

Manana Tanjona Azo Tratrarina ve Ianao? (Febroary 2011) Nilaza io lahatsoratra io fa tsy tokony hikatsaka zavatra tsy ho tratra isika, anisan’izany ny “laza, harena, vady sahaza, na fahasalamana tonga lafatra.” Nahoana ny “vady sahaza” no lazaina fa tanjona tsy azo tratrarina?

S. K., Etazonia

Mamaly ny “Mifohaza!” hoe: Tsy milaza ilay lahatsoratra hoe tanjona tsy azo tratrarina ny fanambadiana. Ny mikatsaka vady tonga lafatra kosa no tsy mety, izany hoe vady tsy misy tsiny sy tsy manana toetra ratsy mihitsy. Misy antony roa tsy mampety an’izany: Voalohany, tsy hisy mihitsy ny olona toy izany. (Romanina 3:23) Faharoa: Izay zavatra ho azony fotsiny no eritreretin’ny olona mitady vady toy izany fa tsy izay azony omena. Na ny olona sasany efa manambady aza mbola te hanova ny vadiny ho toy ilay eritreretiny hoe tonga lafatra. Mafy orina kosa ny tokantrano rehefa miaiky ny mpivady hoe samy tsy lavorary, ka miezaka “mifampizaka sy mifamela heloka tanteraka.”—Kolosianina 3:13.