Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Tena Hiova?

Inona no Tena Hiova?

Inona no Tena Hiova?

“Tsy hanainga sabatra hifamely ny firenena.”

“Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”

“Tsy hisy fahafatesana intsony.”

TSY hino angamba ianao hoe hitranga izany, satria hoatran’ny tsara loatra. Matokia anefa fa tsy nofinofy izany. Nahoana? Satria ny Baiboly no mampanantena an’ireo, fa tsy ireo mpanao politika tsy mahavita azy. *

Maro no mihevitra fa tsy ilaina intsony ny Baiboly, satria boky efa tranainy be. Izany koa ve no hevitrao? Raha izany, maninona raha dinihina tsara izay lazain’ny Baiboly? Io ihany mantsy no boky masina miresaka ny tantaran’ny olombelona hatramin’ny voalohany. Hazavainy hoe:

● Nahoana ny olombelona no mijaly?—Romanina 5:12.

● Inona no nataon’Andriamanitra mba hanafoanana ny fijaliana?—Jaona 3:16.

● Nahoana ny fanjakan’olombelona no tsy mahavita manova ny fiainantsika?—Jeremia 10:23.

● Nahoana isika no afaka matoky fa vitan’Andriamanitra izany?—Josoa 23:14.

Hofoanany tokoa ve ny mosary, ady, aretina, ary ny fahafatesana? Tsy ho sarotra aminao ny hino izany raha ekenao ireto:

1. Andriamanitra no namorona antsika.

2. Mitady izay hahasoa antsika izy.

3. Mahavita manova ny fiainantsika izy.

4. Efa nikasa hanao izany izy.

Ho hitanao fa tena mitombina izany, raha mianatra Baiboly ianao. Manasa anao hanao izany ny Vavolombelon’i Jehovah, izay mamoaka an’ity gazety ity.

Manana Baiboly angamba ianao nefa zara raha mamaky azy io, na tsy mamaky mihitsy. Tsy izay rehetra mamaky koa anefa no mahazo izay lazainy. Mampirisika ny olona toy izany izahay, mba hianatra Baiboly amin’ny Vavolombelon’i Jehovah. Tsy andoavam-bola ilay izy. Olona an-tapitrisany eran-tany no nandray soa rehefa nanao izany. Ahoana no anaovana an’ilay fianarana?

Afaka mankany an-tranonao na any amin’izay toerana mety aminao ny Vavolombelon’i Jehovah, isan-kerinandro, mba hiara-mianatra Baiboly aminao. Ho voavaly amin’izany ny fanontaniana maro toy ny hoe: Nahoana isika no mijaly? Nahoana ny fanjakan’olombelona no tsy mahavita manova ny fiainantsika? Inona moa ny Fanjakan’Andriamanitra? Inona no hataony mba hanafoanana ny fijaliana? *

Raha te hahazo fanazavana fanampiny momba ny fianarana Baiboly ianao, dia manatòna ny Vavolombelon’i Jehovah eny aminareo, na manorata amin’ny adiresy iray eo amin’ny pejy 5, na jereo ny www.pr418.com ao amin’ny Internet.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Ireo andinin-teny etsy ambony dia avy ao amin’ny Isaia 2:4; Isaia 33:24; ary Apokalypsy 21:4.

^ Jereo koa ilay lahatsoratra hoe “Inona no Lazain’ny Baiboly, Iza no Afaka Manova ny Fiainana eto An-tany?”, eo amin’ny pejy 26 sy 27 amin’ity gazety ity.