Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Inona no Tokony Hiova?

Inona no Tokony Hiova?

Inona no Tokony Hiova?

“Tsy mitondra vahaolana ny fitondram-panjakana, fa vao mainka aza mampisy olana.”—Ronald Reagan, Prezidàn’i Etazonia faha-40, tamin’izy nandray fahefana.

EFA 30 taona mahery izay no nilazan’i Ronald Reagan an’io teny io. Tena sahirana i Etazonia tamin’izany, satria “nitotongana be ny toe-karena.” Hoy ihany izy: ‘Mbola tsy nisy hoatr’izao mihitsy hatramin’izay. Midangana be ny vidim-piainana nefa tsisy vahaolana. Faty antoka foana ny antsika nandritra ny am-polony taona. Nitady vahaolana maimaika isika, nefa isika sy ny taranatsika ihany no hijinja ny vokany. Raha izao no mitohy dia hahita olana lehibe ny firenena, eo amin’ny lafiny sosialy, kolontsaina, politika, ary toe-karena.’

Tsy nanary toky anefa i Reagan. Hoy izy: “Efa am-polony taona izao no nisian’ilay olana ara-bola, ka tsy ho voavaha ato anatin’ny ... volana vitsivitsy. Tsy maintsy ho voavaha anefa izany.”—Izahay no manao sora-mandry.

Voavaha tokoa ve ilay izy? Hoy ny Minisiteran’ny Trano sy ny Fanajariana ny Tanàn-dehibe any Etazonia, tamin’ny 2009: “Mihamaro ny olona sahirana, ... satria ratsy ny lalana, tsizarizary ny fonenany, ary tsy mandroso ny fitsaboana. Nilaza aza ny fandaharan’asa misahana ny toeram-ponenana, ao amin’ny Firenena Mikambana (ONU), fa ny ampahatelon’ny mponina no hahantra faraidiny, ato anatin’ny 30 taona. Tsy hanana rano fisotro madio izy ireo, sady tsy hanana kabine na fanariana fako sy rano maloto. Hiovaova koa ny toetrandro, ka ry zareo no tena ho voa mafy. Hiteraka valanaretina izany rehetra izany.”

Olana eran-tany

Saintsaino ireto fanontaniana ireto, na aiza na aiza ianao no mipetraka:

● Manam-bola kokoa ve ianao izao, noho ny tamin’ny folo taona lasa?

● Mahazo fitsaboana tsara kokoa ve ianao sy ny fianakavianao?

● Madio kokoa ve ny tanànanareo? Milamina kokoa ve ny fiaraha-monina?

● Hihatsara ve ny fiainana rehefa afaka 10 na 20 na 30 taona?

Mitana ny teniny ve ny mpitondra?

Maro ny mpitondra manao fifanekena amin’ny vahoaka. Hita amin’izany ny zo sy ny adidin’ny andaniny sy ny ankilany. Ny vahoaka, ohatra, asaina manaja ny lalàna sy mandoa hetra ary manao izay hisian’ny filaminana. Ny mpitondra kosa mazàna mampanantena fa hahafa-po ny fitsaboana, hanjaka ny rariny, ary homena asa ny rehetra.

Tena mitana ny teniny ve ny mpitondra? Diniho ny zava-misy voalazan’ireo pejy telo manaraka.

Fitsaboana Mahafa-po

Inona no hetahetan’ny olona? Fitsaboana takatry ny vola sady mandaitra.

Ny tena zava-misy:

● Izao no tatitra navoakan’ny Banky Iraisam-pirenena, momba ny fahadiovana: “Ankizy 6 000 isan’andro no matin’aretina, satria voretra sy tsy manana rano fisotro madio sy kabine ary fanariana rano maloto. Ny aretim-pivalanana dia efa mahafaty ankizy iray isaky ny 20 segondra.”

● Nanadihady ny fitsaboana atao any amin’ny “tany manankarena sy mahantra” ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana (OMS), tamin’ny 2008. Hita hoe “tsy mitovy mihitsy” ilay izy, sady “tsy mifanaraka amin’izay antenain’ny olona. Tian’ny olona raha mahazo ny fitsaboana tena ilainy izy ary tsy avakavahana. Tiany koa raha tsy lafo loatra ilay izy nefa mandaitra.”

Hitan’ny OMS, roa taona tatỳ aoriana, fa “mila tsy ho vitan’ny fanjakana eran-tany ny miantoka ny fitsaboana. Lasa midangana be ny saram-pitsaboana satria mihamaro ny zokiolona sy ireo manana aretina mitaiza, ary mitombo ny fitsaboana vaovao nefa lafo.”

● Misy fiovana mampahatahotra koa: Lasa tsy mandaitra intsony ny fanafody tena nahomby. Anisan’izany ny antibiotika, izay nampiasaina voalohany taorian’ny 1940. Sitran’izy io ny aretina toy ny habokana sy ny tioberkilaozy, izay nahafaty olona an-tapitrisany, taona maro lasa izay. Nilaza anefa ny OMS tamin’ny 2011 fa “lasa mitombo be ny mikraoba tsy laitram-panafody ary mihavitsy ny fanafody mandaitra.”

Inona no tokony hiova? Irintsika ho tanteraka ilay faminanian’ny Baiboly hoe: “Tsy hisy mponina hilaza hoe: ‘Marary aho.’ ”—Isaia 33:24.

Hanjaka ny Rariny

Inona no hetahetan’ny olona? Tsy avakavahana intsony ireo vitsy an’isa. Tsy ampijalina intsony ny vehivavy. Mitovy ny fari-piainan’ny olona.

Ny tena zava-misy:

● Hoy ny tatitra iray nataon’ny fikambanana miaro ny zon’olombelona: “Be loatra ny olona iharan’ny herisetra sy ny fiangonana na tranona fikambanana misy manimba, noho ny fanavakavahana eo amin’ny resaka firazanana, fivavahana, fiaviana, na koa hoe lehilahy tia lehilahy ilay olona na vehivavy tia vehivavy. Mbola olana lehibe atỳ Amerika izany.”

● Hoy ny gazetin’ny ONU: “Vehivavy an-tapitrisany eran-tany no mbola iharan’ny tsy rariny sy ny herisetra rehefa ao an-trano na any am-piasana na eny imason’olona. Tsy hajaina koa ny zony.” Ny 85 isan-jato eo ho eo amin’ny vehivavy any Afghanistan, ohatra, no miteraka amin’izao tsy misy mpampiteraka. Any Yémen indray tsy misy lalàna miaro amin’ny herisetra ao an-tokantrano. Vehivavy arivo mahery isan’andro koa no misy mametaveta any amin’ny Repoblika Demokratikan’i Congo.

● Hoy i Ban Ki-moon, Sekretera Jeneralin’ny ONU, tamin’ny Oktobra 2011: “Tena tsy rariny ny zava-misy eran-tany. Be dia be ny sakafo nefa olona an’arivony tapitrisa no mosarena. Be dia be ny mahantra nefa misy olom-bitsy mandany vola amin’ny haitraitra. Mandroso be ny fitsaboana nefa maro ny vehivavy maty eo am-piterahana isan’andro. ... Vola an’arivony tapitrisa no lanina amin’ny fitaovam-piadiana. Natao hamonoana olona anefa izy ireny fa tsy hiarovana azy.”

Inona no tokony hiova? Tiantsika raha ampiharana ny rariny ny vitsy an’isa sy ny vehivavy. Tsara koa raha tsy eo intsony ireo ‘tsy manome rariny ny ory.’—Isaia 10:1, 2.

Asa ho An’ny Rehetra

Inona no hetahetan’ny olona? Hanana asa ny rehetra ary hanana vola ampy.

Ny tena zava-misy:

● Hoy ny tatitra navoakan’ny Fikambanana Mpandinika An’izao Tontolo Izao: “Maro ny olona afaka miasa mba hampandrosoana ny toe-karena, fa ny asa no mety tsy ho ampy. Milaza ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Asa (OIT), fa olona 205 tapitrisa no tsy an’asa tamin’ny 2010, satria nitotongana ny toe-karena.”

● “Nampitandrina ny OIT fa kely sisa dia hisy olana ara-toe-karena goavana eran-tany. Tena ho betsaka mantsy ny tsy an’asa ka mety hiteraka korontana izany”, araka ny Vaovaon’ny BBC. ‘Zara raha mandroso ny toe-karena, ka ny antsasak’ireo mitady asa ihany no hahazo asa. Tsy faly koa ireo tsy an’asa, hoy ny OIT, satria hitany hoe tsy ny rehetra no miara-mientana mba hamaha an’ilay olana. Nolazain’ny OIT fa mety hisy korontana any amin’ny tany maro, indrindra fa any Eoropa sy any amin’ny tany arabo.’

● Hoy ny boky iray nivoaka tamin’ny 2009: “Matetika no mihoatra ny 11 000 dolara [23 tapitrisa ariary eo ho eo] ny trosan’ny olona iray amin’ny karatra fitrosana [any Etazonia], izany hoe avo telo henin’ny tamin’ny 1990.” Maro no mitrosa, hoy ilay boky, satria fotsiny te hiseho ho mpanankarena. Lazainy fa ‘raha vao mahita olona manana fiara sy akanjo lafo vidy ny Amerikanina dia mieritreritra hoe mpanankarena ilay olona. Aleo anefa mieritreritra hoe bokan’ny trosa izy.’

Inona no tokony hiova? Tokony hisy asa ho an’ny rehetra sady tsy tokony hisy handanilany foana. Lazain’ny Baiboly fa ‘fiarovana ny vola’ nefa koa ampitandremany isika hoe ny ‘fitiavam-bola no anisan’ny fototr’izao karazan-javatra ratsy rehetra izao.’—Mpitoriteny 7:12; 1 Timoty 6:10.

Hoatran’ny hoe manjombona ny hoavy raha ny fanazavana teo no jerena. Tsy izany anefa no izy. Tena mbola hihatsara ny fiainantsika, saingy tsy ny fanjakan’olombelona no hanova azy.

[Efajoro/Sary, pejy 5]

Inona, hono, no mba tian’ny ankizy hiova? Ankizy 4 ka hatramin’ny 14 taona, niisa 2 000 teo ho eo, no nanontaniana tany Grande-Bretagne. Navoaka tamin’ny Internet ny vokatr’ilay fanadihadiana, ka ireto no tian’izy ireo hatao:

[Sary]

(Jereo ny gazety)

100%

HANAFOANA

NY MOSARY

HAMARANA NY ADY HANAFOANA NY

FAHANTRANA

75%

HAMPITOVY ZO NY

HISAKANA NY OLONA REHETRA

FIAKARAN’NY MARI-PANA

50%

25%

0%

[Efajoro/Sary, pejy 5]

Nisy fanadihadiana nataon’ny Fikambanana Bertelsmann tany Alemaina, tamin’ny 2009. Hita tamin’izany ny tena nampanahy ny tanora 500 teo ho eo, izay 14 ka hatramin’ny 18 taona.

Tsy dia nampanahy azy ireo ny fampihorohoroana sy ny fitomboan’ny mponina, eny fa na dia ny olana ara-bola eran-tany aza. Mbola tsy tena tsapany angamba ny vokatr’izy ireny, hoy ny Fikambanana Bertelsmann.

[Sary]

(Jereo ny gazety)

100%

75% FAHANTRANA

TOETRANDRO MIOVAOVA

SAKAFO NA SY TONTOLO IAINANA

RANO TSY AMPY SIMBA

50% VALANARETINA

SY ARETINA HAFA

25%

0%