Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Manontany ny Tanora Hoe...

Mpinamana Fotsiny ve Izahay?—Fizarana 2

Mpinamana Fotsiny ve Izahay?—Fizarana 2

NORESAHINA TAO AMIN’NY FIZARANA VOALOHANY ireto lafin-javatra roa ireto:

● Tsy maintsy hisy harary fo raha mbola tsy vonona hanambady akory ianao nefa raiki-pitia amin’ny olona iray.—Ohabolana 6:27.

● Mety tsy ho mpinamana intsony ianareo raha mbola tsy vonona hanambady akory ianao nefa raiki-pitia aminy. *Ohabolana 18:24.

ITY FIZARANA ITY kosa hiresaka

● Lafin-javatra fahatelo maha ratsy ny hoe raiki-pitia nefa tsy vonona hanambady

● Ny fomba ahalalana raha efa tsy mpinamana fotsiny intsony ianao sy ny ankizilahy (na ankizivavy) iray

ZAVA-MISY: Mety ho ratsy laza ianao raha raiki-pitia nefa tsy vonona hanambady akory. Hoy i Noro: * “Izaho mahafantatra ankizilahy minamana amin’ny ankizivavy be dia be. Mieritreritra ilay ankizivavy hoe tena tia azy ilay ankizilahy, nefa hay manadala fotsiny. Tiany fotsiny ilay hoe misy mpitia izy.”

Saintsaino izao:

● Nahoana no mety ho lasa ratsy laza ianao raha mifandray be loatra amin’ny ankizilahy (na ankizivavy)?

“Mila mitandrina ianao rehefa mandefa SMS amin’ny ankizilahy. Manoratra kely amin’ny olona iray ianao amin’ny voalohany, dia avy eo lasa mandefa SMS lava be amin’ny olona be dia be. Tsy hitahita akory dia lasa mampiaraka amin’ny ankizilahy telo ianao, ary samy mihevitra ry zareo hoe izy no tena tianao. Marary fo izy ireo rehefa mahalala ny marina, ary lasa malaza ho mpanadala lehilahy ianao.”—Lova.

Hoy ny Baiboly: “Na ny zaza aza dia mampiseho amin’ny ataony raha madio sy mahitsy ny fanaony.”—Ohabolana 20:11.

Fehiny: Tsy ratsy ny minamana amin’ny ankizilahy (na ankizivavy). Halahelo anefa ianao sady ho very namana ary ho ratsy laza, raha tsy feranao ny fifandraisanareo.

Ahoana no ahalalana raha efa tsy mpinamana fotsiny intsony ianareo? Eritrereto hoe: ‘Izy irery ve no amborahako ny ao am-poko?’ Hoy i Voahangy: “Raha mpinamana fotsiny ianao sy ny ankizilahy iray, dia tsy izy mihitsy no olona voalohany tianao hiresahana isan’andro, na hilazana vaovao lehibe. Ary tsy any aminy mihitsy koa ianao no hitady tambitamby rehefa malahelo.”

Saintsaino izao:

● Nahoana no hoatran’ny mahafinaritra erỳ ilay hoe misy ankizilahy (na ankizivavy) famborahanao ny ao am-ponao? Inona anefa no maharatsy an’izany?

“Mana-namana ankizilahy aho fa tsy mpinamana be izahay. Rehefa mitelefaonina amin-dry zareo aho, dia tsy ela be hoatran’ny rehefa miresaka amin’ny ankizivavy. Ary misy zavatra tsy resahiko aminy mihitsy!”—Volasoa.

Hoy ny Baiboly: “Miaro ny ainy ny olona mahafehy ny vavany, fa izay be resaka kosa manimba tena.”—Ohabolana 13:3.

Diniho izao: Nahoana no tsy mety ny mamboraka zavatra be loatra amin’ny ankizilahy (na ankizivavy)? Ahoana raha tsy mpinamana intsony ianareo any aoriana? Naleonao ve tsy nitantara an’ilay izy taminy?

Hoy ny ankizivavy iray atao hoe Nivo: “Aza ihatakatahana ny olona iray, satria fotsiny hoe ankizilahy [na ankizivavy] izy. Aza mamita-tena koa anefa ka mieritreritra hoe mpinamana fotsiny ianareo, nefa hay tsy izany akory. Mahaiza mifehy tena, dia tsy harary fo ianao.”

Hita ao amin’ny Mifohaza! hafa koa ny andian-dahatsoratra “Manontany ny Tanora”

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ny Mifohaza! Jona 2012, pejy 15-17.

^ Novana ny anarana sasany ato amin’ity lahatsoratra ity.

[Efajoro, pejy 17]

TENA NISY: “Ninamana tamin’ny ankizilahy iray izay aho, ary nifanaraka tsara izahay. Voamariko anefa hoe lasa niresaka ela kokoa izahay sady nilaza ny tao am-ponay. Azo lazaina aza hoe nifandray am-po loatra izahay, satria nolazainy tamiko daholo izay nanahirana ny sainy. Nanoratra tamiko izy avy eo hoe tia an’ahy. Tsy hitako izay nolazaina. Faly aloha aho hoe mba misy tia, nefa natahotra ihany. Tsy afaka ny ho mpinamana fotsiny intsony izahay satria hita hoe efa hafa ny eritreriny. Fantatro fa halahelo izy raha ilazako hoe mbola kely loatra izahay ka tsy ho afaka hiaraka. Nolazaiko tamin’i Dada sy Neny ilay izy, dia nilaza ry zareo hoe tsy tokony hifanerasera be intsony izahay. Hitako tamin’iny hoe mora mivadika zavatra hafa ny fifaneraserana tsotra. Noferako koa ny fifandraisako tamin’ny ankizilahy nanomboka teo, indrindra ny resaka SMS. Tsara raha miaraka maromaro ny ankizilahy sy ankizivavy fa tsy mitokantokana. Amin’izay tsy lasa lavitra ny resaka, dia tsy lasa mifandray am-po be.”—Elisoa.

[Efajoro, pejy 18]

ANONTANIO NY RAY AMAN-DRENINAO

Anontanio ny hevitr’izy ireo momba an’ireo fanontaniana aorian’ilay hoe “Saintsaino izao”, ato amin’ity lahatsoratra ity. Tsy mitovy ve ny hevitrareo? Inona no tsy itovizany? Inona no mahatsara ny hevitr’izy ireo?—Ohabolana 1:8.

[Efajoro/Sary, pejy 18]

NY HEVITRY NY TANORA TOA ANAO

Andre: Raha miaraka matetika amin’ny ankizivavy iray ianao, dia ho mora mifandray am-po ianareo sady lasa mieritreritra izy hoe tia azy ianao. Aza miseho hoe te hiaraka aminy, raha mbola misy tanjona tianao hotratrarina ka tsy ho afaka hiaraka aminy akory ianao.

Cassidy: Mora amiko ny mifandray amin’olona. Niara-lehibe tamin’ny ankizilahy koa aho ka tiako ny miaraka amin’izy ireny. Tsy voatery ho tsara anefa izany. Mety ho diso hevitra ny ankizilahy raha hoatran’ny fomba itondrako ny ankizivavy no itondrako azy. Aleoko entina hoatran’ny anadahiko ry zareo!

[Efajoro, pejy 19]

HO AN’NY RAY AMAN-DRENY

Tsy mampaninona raha mifanerasera ny ankizilahy sy ankizivavy. Mila ferana anefa izany raha mbola tsy vonona hivady izy ireo. * Tokony ho mpinamana fotsiny izy ireo.

Inona no vokany raha mifankatia ny olon-droa nefa mbola tsy vonona hivady? Ho diso fanantenana izy ireo na dia falifaly aza amin’ny voalohany. Toy ny hoe mitaingina fiara tsy misy kodiarana izy ireo. Na ho ela na ho haingana, dia ho hitan’izy roa fa tsy misy azo atao. Lasa mampiaraka an-tsokosoko ny sasany, nefa mahatonga azy hanao ratsy izany. Ny hafa indray misaraka ka lasa mahatsiaro ho voafitaka sy marary fo ary mety ho kivy be mihitsy aza. Ahoana no anampiana ny ankizy tsy ho raiki-pitia raha mbola tsy vonona ny hanambady izy?—Mpitoriteny 11:10.

Tena ilainareo ny mifampiresaka tsy an-kifonofono momba ny fifaneraserana amin’ny ankizilahy (na ankizivavy). Ho fantatrareo amin’izay raha efa mitady hifankatia amin’ny ankizilahy (na ankizivavy) iray ny zanakareo, ary ho hainareo ny hanampy azy.

Misy ray aman-dreny manao izay hahatonga ny zanany tsy hiresaka momba ny ankizilahy (na ankizivavy) namany. Diniho ny tenin’ny tanora sasany tamin’ny Mifohaza!

“Tsy sahy miresaka amin’i Neny momba ny ankizilahy tiako aho, sao izy tonga dia tezitra be.”—Koloina.

“Rehefa miteny amin’i Neny aho hoe tiako ny ankizilahy iray, dia hozy hoe: ‘Aza manantena hahita ahy any amin’ny mariazin-drỳ!’ Tiako raha mba niteny izy hoe: ‘Ankizilahy manao ahoana izy izany e? Inona no itiavan-drỳ azy?’ Nety ho mora nanaiky ny toroheviny aho, raha niteny hoatr’izany izy.”—Nanie.

Mariho kosa ny vokany raha mihaino tsara sy manoro hevitra ny zanany ny ray aman-dreny.

“Noresahiko an’i Dada sy Neny hoe nisy ankizilahy tiako. Tsy sosotra izy ireo fa nolazainy tamiko izay tokony ho fantatro, sady tsara fanahy izy ireo. Mora tamiko àry ny nanaraka ny torohevitr’izy ireo ary vao mainka aho namboraka ny tao am-poko tamin’izy ireo.—Corrine.

“Tsy nafenin’ny ray aman-dreniko ahy hoe nanana olon-tiana ry zareo tamin’ny mbola tanora, hatramin’ny hoe inona no nahatonga azy sy ny olon-tiany hisaraka. Fantatro àry fa azo atao tsara ny miresaka amin-dry zareo momba ny olona tiako.—Lalasoa.

Tadidio koa fa mety hisy antony mahatonga ny ankizy hampiaraka aloha loatra.

“Nampiaraka an-tsokosoko tamin’ny ankizilahy iray aho satria nanao izay hahafalifaly ahy sy nihaino ahy izy.”—Annie.

“Satriko foana hiaraka tamin’ny ankizilahy iray, satria nikarakara be an’ahy izy. Tsy tena nisy niraharaha mantsy aho nefa tiako be izany, na inona na inona mety ho vokany.”—Landy.

“Rehefa milaza i Dada sy Neny hoe manja kely aho na hoe mety be amiko ny akanjo iray, dia tsy mitady teny mamy toy izany avy amin’ny ankizilahy intsony aho.”—Kerena.

Mieritrereta hoe:

Inona no hataoko mba ho mora amin’ny zanako ny miresaka amiko?—Filipianina 4:5.

Moa ve aho “mailaka hihaino” sy ‘tsy maika hiteny’?—Jakoba 1:19.

Inona no azoko atao mba tsy halaim-panahy hitady fitiavana sy tambitamby any an-kafa ny zanako?—Kolosianina 3:21.

Fehiny: Ampio ny zanakao mba hahay hifandray tsara amin’ny ankizilahy (na ankizivavy) sy tsy hahita olana. Hahasoa azy foana izany rehefa lehibe izy.—Kolosianina 3:5; 1 Tesalonianina 4:3-6.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ Jereo ny “Manontany ny Tanora” ato amin’ity gazety ity sy ilay ao amin’ny Mifohaza! Jona 2012.

[Tabilao, pejy 17]

(Jereo ny gazety)

HATRAIZA NY FETRA?

METY

miaraka maromaro

✔ mifankahalala

✔ mifampiresaka

TSY METY

X miaraka irery

X mamboraka ny ao am-po

X manadaladala

[Kisary, pejy 18]

(Jereo ny gazety)

MIFANERASERA

MIFANADALADALA

MIFAMPIKASIKASIKA

MIFAMPITANTANA

MIFANOROKA